]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara 50 MFAP : nijoro ihany koa ny vehivavy tarihin’ny MPPSPF

Madagasikara 50 MFAP : nijoro ihany koa ny vehivavy tarihin’ny MPPSPF

Ny Minisitra MICHELLE Bavy Angelica

Famporisihana ny vehivavy iavo-tena ka handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena sy varotra eo amin’ny firenena misy azy. Izay no anisan’ny antony nijoroan’ny tamba-jotra serasera 50 MFAP na «50 Millions des femmes Africain ont la parole». Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 09 Octobre 2020 teny amin’ny Novotel ao Alarobia Ankorondrano ny hetsika voalohany ho famporisihana ireo vehivavy iavo-tena.


Ka ny fisian’ity vovonan-tserasera ity no afahan’izy ireo mampiseho ny fahaiza-manaony sy fifanakalon-kevitra ary sehatra ara-barotra eo amin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny COMESA. Navoitra ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ny ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy (MPPSPF), Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica, fa : « Ity tetik’asa 50 Millions des femmes Africain ont la parole ity dia mifandrindra amin’ny politika ankapoben’ny fitondrana Malagasy izay ao anatin’ny velirano faha-7, dia ny fanampia-tosika ny fandraharahana Malagasy, ary indrindra fa ny tanora sy ny vehivavy. Natao ihany koa ho Sehatra entina hanampiana ny vehivavy ho tonga amin’ny fizakan-tena ara-toekarena amin’ny fomba moderna sy mivoatra kokoa ity sehatra ity ».


Ao anatin’ity vovonan-tsesasera ity manomboka izao dia afaka misoratra anarana ireo vehivavy Malagasy. Ity ny adiresy mikasina izany : www.womenconnect.org


Afaka mampiseho ny talenta sy ny fahaiza-manaony koa ao. Mivelatra kokoa izy ity satria ireo firenena mivondrona ao anatin’ny COMESA dia hifanerasera matetika amin’ny mpandraharaha vehivavy.

Hita ao ny lafin’ny fifanakalozan-kevitra, ny lafin’ny ara-barotra… Tsy ho hisy intsony ny elanelana fa dia ireo vehivavy mivondrona ao dia efa afaka maneho ny vokatra vokariny, ny vidiny, kalitao ary ny isan’ny entana mety ilain’ilain’ny mpanjifa.


Ahafahan’ireo vehivavy ihany koa mampiranty ny vokatry ny hai-tao misy eo amin’ity vovonan-tserasera 50 MFAP ity. Ny tanjona dia hahatonga ireo vehivavy ho mpandray anjara feno amin’ny fizakan-tena ara-toekarena amin’ny fomba moderina.

Andry Rakotonirainy

Photos fournies

Mis à jour ( Lundi, 12 Octobre 2020 04:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...