Efa maro ireo mpitandro filaminana vehivavy eto Madagasikara
Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filoham-pirenena, ny 25 avrily 2019 teny amin'ny CCI Ivato. Hoy indrindra izy tamin'io andro io :
« (…) Koa mitodika indrindra aminareo zatra ny lalan-diso aho. Fotoana izao hanovà na famindra. Fitondran-tena mamohehitra, ary helohin’ny lalà na ny herisetra. Manaitra ny sainareo ihany koa aho mba hanao ho zava-dehibe ny ady amin’ny fampanambadiana an-katerena ny ankizy. Manana adidy voalohany indrindra amin’izany isika ray aman-dreny. Manana zo hianatra, manana zo miaina toy ny ankizy ny zanatsika. Miantso anareo ankizy koa anefa aho mba tsy ho maika hiroso amin’ny fanambadiana aloha loatra. Tsarovy lalandava rankizy fa ny fianarana no lova tsara indrindra, ny fianarana ihany no amin’azy e! (…) Samy resy lahatra avokoa izahay, mpikambana ao amin’ny Fikambanana Fitia, fa rehefa miray hina dia azo atao ny manome ny tsara indrindra ao anatinay ho an’ny mpiarabelona (…) Koa andao à ry hiara-hiteny amin’ny feo iray hoe: MELOHAKO NY HERISETRA ! »
Ny 10 Desambra 1948 tao amin’ny Palais de Chaillot ao Paris (Frantsa) no neken’ny firenena eran-tany voalohany izany atao hoe Zon’olombelona izany, tamin’ny fivoriambe nataon’ireo firenena maro izay teo amban’ny fiahian’ny Firenena mikambana. Ahitana andininy miisa 30 ny filazalazana ireto Zon’olombelona ireto, ary voaresaka ao avokoa ireo karazana zo tokony ho fantatry ny be sy maro.
Ny taona 2019 dia nanao fahatsiarovana manokana ny faha-70 taona ho fanaparitahana sy fampahafantarana izany zon’olombelona izany ny firenena mikambana. 70 taona aty aoriana dia mbola maro ireo tsy dia mahafantatra loatra ny andinidininy momba azy ireo. Noho izany idrindra no nahatonga ny Firenena mikambana, io taona 2019 io, nilaza fa tokony ho hisy ezaka ho fampahafantarana mombamomba azy ireo eny anivon’ny firenena tsirairay avy.
Izany no natao dia mba hafahan’ny tsirairay misitraka ny zony manoloana ny mety fanararaotana atao aminy. Heverina fa ny fankatoavana ny famendrehan’olombelona sy ny zony mitovy ary tsy azo tohintohinina dia anisan’ny fototry ny Fahafahana.
Na dia eo aza ny fisian’ireo zon’olombelona izay nankatoavin’ny firenena maro ireo, dia tsikaritra fa misy tokony hatsaraina ary atao hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Ohatra amin’izany ny momban’ ny vehivavy sy ankizivavy. Mbola misy tsy dia manome lanja loatra ny anjara-toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, na eo amin’ny firenena mihitsy aza, fa mbola mihevitra azy ho ravaky ny tokan-trano sy ho mpikarakaraka ny ao an-trano fotsiny ihany.
Misy mihitsy aza ny ray aman-dreny tany aloha tany no manakana ny zanany vavy tsy hanohy fianarana ambonimbony kokoa fa rehefa mahay manisa sy mamaky teny ary manoratra dia heverina fa ampy izay. Fa ny tena loza dia mampandefa ny zanany vavy manambady mbola tsy ampy taon aizy ireo. Rehefa manambady indray dia misy izany hoe tsy mahazo misakafo ny vavy raha tsy efa avy nisakafo ralehilahy vadiny.
Nandroso ny taona maro, nivaotra ihany koa ny tontolo, tsapan’ny tsirairay fa zava-dehibe izany zo izany amin’izao fotoana iainantsika izao, ary efa manana anjara toerana lehibe eo fiaraha-monina, ka afaka tsara mandray anjara amin’ny sehatra rehetra ny vehivavy. Ao ohatra, ireo vehivavy izay manana toerana ambony amin’ny firenena iray : minisitra, solombavambahoaka, mpandraharaha, sns.
Fa na eo aza izany zo izany dia mbola misy ihany ny herisetra izay mianjady amin’ny vehivavy, na an-tokan-trano io, na eny anivon’ny fiaraha-monina eny ary indrindra ao amin’ny toeram-piasany. Ao ireo mitondra takaitra, ny sasany aza moa dia namoy ny ainy mihitsy vokatr’izay herisetra izay. Ohatra amin’izany ireo mpiasa vehivavy sasany niasa tany ivelany.
25 taona taty aorian’ny fankatoavana ny Zon’olombelona, izany hoe ny 23 Oktobra 2000, dia nankatoavina teo anivon’ny CSNU (« Conseil de sécurité des Nations Unies ») ny drafitra nomena anarana hoe « Résolution 1325 ». Izy io dia neken’ny firenena rehetra mpikambana eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) ho famporisihana ny fanatanterahana ny fampihà rana izay tapaka rehetra nandritra ny fivoriana nataon’io CSNU io.
Anisan’izany ny fandraisana anjara mavitrika ho fiarovana sy ho fisorohana ny herisetra sy ny olana mianjady eo amin’ny vehivavy ; ny fiarovana ny vehivavy manoloana ny firenena misy ady ary, indrindra, ny fikarohana hevitra ho fanavotana azy ireo. Mba afahana miroso amin’izany dia nisy asa izay tsy maintsy notanterahin’ny firenena nanaiky fampiharana io « Résolution 1325 » io. Ka dia tsy maintsy samy mamolavola drafitra sy planina ny firenena tsirairay mikasika ireo herisetra atao amin’ny vehivavy ireo.
Miisa 83 ireo firenena izay fantatra fa efa nanatontosa izany drafitra izany. Raha i Madagasikara manokana dia firenena faha-26 izy aty Afrika no nametraka ny azy. Izany indrindra no antony nisian’ny atrik’asa roa andro, ny 10 sy 11 oktobra 2019, teto Antananarivo, izay notanterahin’ny Minisiteran’ny Mponina sy Fiahiana ara-tsosialy ary Fampivoarana ny Vehivavy (MPPSPF) ary nanasana ireo solontenan’ny vehivavy isa-tsokajiny avy amin’ny faritra 22.
Niadiana hevitra sy nampahafantarina nandritra ny atrik’asa ny zon’ny vehivavy, ny fiarovana ny ankizivavy sy ny vehivavy manoloana ny herisetra sy ny fanolanana. Nentanina ny vehivavy rehetra mba handray andraikitra sy hampahafantatra raha toa misy herisetra mitranga.
Ankehitriny dia mahafinaritra fa efa misy ny sehatra samihafa izay miady mafy ho fiarovana ny vehivavy amin’ny herisetra mahazo azy. Ny eto amintsika moa dia natao laharam-pahamehana ny ady amin’ny herisetra. Nametrahana ireny ivo-toerana fihainoana sy fandraisana fitarainana ireny eny amin’ny faritra 22.
Tamin’ity taona 2020 dia nohamafisina izany tamin’ny alalan’ny fandraisana fitarainana amin’ny antso maimaimpoana izay efa be mahafantatra dia ny 813. Mbola ezaka maro no tokony atao, ka anisan’izany ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy, izay nolanian’ny Firenena afrikana maro tamin’ny fivoriana natao tany Mozambika, ny taona 2003, ka nomen'ny Firaisambe Afrikana (« Union africaine ») ny anarana hoe « Protocole de Maputo ».
Izy io dia fifanarahana mifandray amin’ny Sata afrikana mahakasika ny zon’olombelona sy ny mponina ka mifototra amin’ny zon’ny vehivavy aty Afrika. Ho resahintsika lalindalina kokoa momba azy io amin’ny fotoana manaraka.
Andry Rakotonirainy