
VIDEO MIRAKITRA NY LAMESA TENY AMIN'NY KATEDRALY ANDOHALO ETO

Ontsa ny foko na dia fantatra aza fa izay no fiafaran’ny zanak’olombelona eto an-tany. Lasa tokoa i Annick rehefa nialana nenina teny amin’ny Polyclinique Ilafy. Tonga dia miverina ao an-tsaiko ny fomba fiteniny malefaka toa mihira mihitsy, isaky ny mandalo ao amin’ny Radio Antsiva ao Ankorondrano : Ahoana Jeannot a !

Dia izay tokoa ve ary marina fa ny tsara (mahakasika ny saina sy fanahy io) no mandeha aloha? Misaona izany ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara, indrindra fa ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy malagasy rehetra.
Izaho kosa, amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate, miampy ny ankohonako, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.
Jeannot Ramambazafy
VIDEO MIRAKITRA NY FANDEVENANA TENY ANDRANOBIBY MANTASOA




