Â
FANAMBARANA
Mankasitraka ny vokam-pifidianana navoakan’ny Tribunal Administratif ny Fianarantsoa ny 18 Septambra 2015 lasa teo :
HVMÂ 9770 na 36,32%
MAPAR 9692 na 36,03%
Dia isaoranay ny Fitsarana nanao ny adidiny. Kanefa tsy ankasitrahanay izany voka-pifidianana izany noho ireto zavatra voatsikaritra manaraka ireto :
- Ny fanafoanan’ny Tribunal Administratif ny voka-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana iray (Mahazengy) dia manamarina fa nisy ny hala-bato sy ny hosoka.
Tsy io ihany anefa no tokony ho nofoanana, fa noho ny teritery sy fampihorohoroana nataon’ny manampahefana tamin’ireo mpitsara tompon’andraikitra dia tsy afaka nampihatra ny lalà na tamin’ireo biraom-pifidianana hafa nahitana hosoka voaporofo ihany koa izy ireo ;
- Eo anatrehan’izany dia tsy maintsy hampakatra ny raharaha eo anivon’ny Conseil d’Etat izahay araka ny fahefana nomen’ny lalà na anay.
· Manoloana ireo tsaho maro isan-karazany ezahina aparitaka, fa tambazana toerana ho minisitra mba hanaiky ny voka-pifidianana dia tiako ny manambara fa tsy dia mahasarika ahy velively izany fa ny zava-dehibe amiko dia ny fanajà na ny lalà na, ny marina fa indrindra ny safidim-bahoaka ;
· Eo anatrehan’izany dia mitodika manokana amin’ny vahoakan’ny fianarantsoa aho mba hijoro mandrakariva amin’ny fiarovanao ny safidinao mba hanoherana ny hala-bato sy ny hosoka ary ny teritery. Izany fanoherana izany no antoky ny fifidianana mangarahara sy azo antoka ;
· Ilaina ve ny mampahatsiahy fa araka ny fomba ampiharin’ny Fitsarà na Tampony (Conseil d’Etat) mahakasika ny vokam-pifidianana mifanakaiky toy itony (HVM 9770 na 36,32% sy MAPAR 9692 na 36,03%, elanelam-bato 78) dia ny famerenana ny fifidianana no vahaolana tsara indrindra ?
· Mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe : hanao ahoana ny fomba hitantanana ampitoniana ny tanà nan’ny Fianarantsoa amin’ny voka-pifidianana toy itony ?
Â
Antananarivo, faha 23 Septambra 2015
Christine Razanamahasoa
Filoha nasionalin’ny Vondrona MAPAR
Kandida tamin’ny fifidiana natao ny 31 Jolay 2015