]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Kolonely Rakotomamonjy Simon Patrick. Tsy nahatohitra ny herin’ny vola fa tany amina olona tsy matahotra an’Andriamanitra koa no niantsampy…

Kolonely Rakotomamonjy Simon Patrick. Tsy nahatohitra ny herin’ny vola fa tany amina olona tsy matahotra an’Andriamanitra koa no niantsampy…

Ilay resaka amina vidéo nataon’ilay Kolonely Patrick iny, dia tsy vao izao no nisy, teto Madagasikara, ary avy amina manamboninahitra ao amin’ny miaramila ambony grady hatrany. Hatreto.


Teo ny an’Itompokolahy Jeneraly Fidy Randrianarisoa nikasa haka ny « Base aéronavale d’Ivato » na BANI, ny tapaky ny volana Novambra 2006. Nilaza mihitsy moa izy tamin’izay fa « efa mipetraka ny directoire militaire » satria nihidy tao amin’ny BANI izy. Nitsefotra ilay fikasana satria tsy nisy nanara-dia aminy ny miaramila, kanefa tahakin’inona ny fampirisihina rehefa nivory niaraka tamin’ny manamboninahitra sasany… Zara-vilana no nisy ary niseho ho lohany daholo…Ary tonga ny mpitandro filaminana manaja ny teny nomena, ka miaramila iray no maty voatifitra ary tsy hita ny nanjavonan’ny Jeneraly Fidy tamin’izay. Rehefa tratra izy taty aoriana kely dia nigadra. Ary tsy izy irery. Efa nodimandry izy ny 05 Oktobra 2021 ka eo ihany no tantaraiko ny momba aminy sy ireo namany…


Teo koa ingahy Colonel Charles Andrianasoavina, ny taona 2010. Ny azy indray tsy nisy intsony ny « vatsy » namitana ny tranobeny eny Iavoloha dia nivadika ary nivadika ati-doha tokoa. Nampangainy izao karazana resaka tsy milamina izao ilay olona nandefa azy « évacuation sanitaire » tatsy La Réunion.

Iza ilay olona ? I Andry Rajoelina e ! Vao tsy ela indray dia nitohy ny tantarany, miala avy any Andafy any ny vidéos, ny taona 2024... Any ka nanaovako boky mihitsy ny « zava-bitany » satria tsy tiako ny mpandainga sy ny mpanatavy resaka (ETO). Mazava ihany koa fa tsy eto Madagasikara intsony izy...


« Jamais deux sans trois », hoy ny Frantsay. Dia io nipoitra ity Kolonel Patrick ity, izay notendrena DTA ao amin’ny CENHOSOA (Directeur technique adjoint du Centre hospitalier universitaire de Soavinandriana), ny taona 2023. Dia toa bonaika tokoa anie ny fahitana azy ao anaty vidéos, manao fanamiana miaramila, mitantara tranga sy manonona anarana efa natao tsianjery e. Ndrooo !

Ny amin’ny teny frantsay aloha dia tsy « crédible », hoy ny Frantsay, fa olona iray no nasaina nataony lasibatra. « Je vous déclare » daholo no mivoaka ao am-bavany (ETO). Mety mba nitombona ihany saingy izao : matoa nandositra dia nanao ny tsy mety. Inona izany tsy mety izany ? Ho an'ny Tanindrazana tokoa ve ireo sary manaraka ireo, nalaina avy tamin'ireo caméras manerana an'Antananarivo ?

Ary tsy tonga tonga ho azy ny namoahan’ilay vehivavy mandainga tsy matahotra an’Andriamanitra ireo vidéos ahitana kolonely (sady dokotera) mitanisa izay tiany. Vola io kouh !...

Fa maika tsy faingana loatra ny namoahany ireo vidéos ka rehefa hitan’ny rehetra ny vidéos nalain’ireo caméras manerana an’Antananarivo), ny alin’ny 03 hifoha 04 Avrily 2025 (ETO), dia tsapa fa mahay manao komedy sarimihetsika ingahy Kolonely Patrick. Planina efa nomanina daholo izany. Fa matanjaka ny tambazotra ary avo dia avo ny « fankasitrahana » satria tafatsoaka ny toerana nitazomana azy ingahy Kolonely Patrick. Avy natao « enquête » izy, ary nandositra (nampandosirana no marina kokoa) toa ny mpanao ratsy, toa ny mpangalatra. Lalina dia lalina ny fanatavizany ny resaka. Mino isika fa tsara « karama » izy tamin’io. Hatraiza anefa ny fetra ?

Inona no ho tohiny ? Nanary tena ingahy Kolonely Patrick. Dia rahoviana indray izany ny jamais 3 sans 4 ?


Ilay olona noresahiko hoe mpandainga tsy matahotra an’Andriamanitra ve ? Fa iza moa ilay tonga tany Londres iny naninzingizina fa « hiakatra tribonaly ny Filoha Rajoelina » ? Matevina ihany ny boky nosoratako momba azy (ETO). Ary mandra-maty, hono, izy hamorona sy handainga e !

Izay ny mikasika an’ity Kolonely Patrick ity, ho tsiahivin’ny Tantaram-pirenena malagasy. Aza misy taitra f’efa voasoratra ao anaty Baiboly daholo izany.

Ary samia mailo fa ny jodasy dia eo akaikinao mandrakariva fa tsy olona ny an-dakira any no hamadika anao. Mahalala tsara anao izy ary ny resaka famadiana olona dia resa-bola foana, sy fananana ihany koa. Mamakia gazety isan’andro manaporofo izany. Santionany io ambony io.

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 06 May 2025

Mis à jour ( Mardi, 06 Mai 2025 11:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30