]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Nivo Ratiarison. Tsy ampy azy ny sazy 5 taona fa mbola nanafika ny mpaka sarin’ny madagate.org

Nivo Ratiarison. Tsy ampy azy ny sazy 5 taona fa mbola nanafika ny mpaka sarin’ny madagate.org

Tsy asiako sary ao anatin’ity lahatsoratra ity fa mazava be ny ao anatin'io vidéo eo ambony io

Io ambony io kosa ny vidéo nalaina nivantana tamin'ny Viva Tv ny 12 Aprily 2017 ihany


Efa nivadika ve ny lohan’ity Talen’ny Kabinetran’ny minisitra Andrianjato teo aloha fa dia tena nanafika tsotra izao ny mpaka sarinay Harilala Randrianarison? Fa dia mihevitra ve izy fa tsy hisy naka sary sy vidéo ny fihetsiny nefa vao avy nomelohin’ny fitsarana higadra 5 taona an-terivozona (« travaux forcés ») miampy lamandy 80 tapitrisa ariary?

Asa marina ny tena heviny aloha. Marihina fa manana telo andro izy mampakatra ny raharahany (« appel ») sao mba ho rava ilay didim-pitsrana. Fa izahay ato aminy madagate.org kosa dia hitory azy satria simba tanteraka ilay faka sary nefa io no ameloman’i Harilala ny vady aman-janany.


Fa ankoatra ny fitorianay dia nanao fanambarana iombonana koa ny Biraon’ny Filankevitry ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara sy ny Fikambanan’ny Mpaka Sary an-gazety eto Madagasikara (CRIMAD) izay hitory ihany koa. Satria masina ity asa ity ka tsy maintsy mifanome tanàna ny mpanao gazety satria izany firehana politika izany ho an'ny mpikaram'ady ihany.  

Jeannot Ramambazafy

Talen’ny famoahana sy Tonian-dahatsoratra

www.madagate.org

FANAMBARANA IOMBONANA

Ny Biraon’ny Filankevitry ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara sy ny Fikambanan’ny Mpaka Sary an-gazety eto Madagasikara (CRIMAD)

Dia manao izao fanambarana izao:

Taorian’ny fihetsika feno herisetra sy habibiana nataon’i Nivo Ratiarison sy ny olona iray niaraka taminy, noho ny raharaham-pitsarana nahazo azy, natao tamin’ny mpaka sary an-gazety, manameloka izany fihetsika izany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara. Vaky sy simba tamin’izany ny fitaovan’ny mpanao gazety avy amin’ny Madagate.com ary mbola nisy fandrahonana nataon’ilay olona voaheloka nandritra izany fotoana izany.

Tsy ekena ary helohinay Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara ny fihetsika nanimba ny fitaovam-piasan’ny mpanao gazety sy fikasihan-tanana ny mpanao gazety teny amin’ny Fitsarana androany alarobia 12 avrily 2017 teny amin’ny fitsarana Anosy.

Noho izany dia hitory sy hitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana izahay satria araka ny voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, araka ny andininy faha-68 dia tsy azo atao ny manimba ny fitaovan’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany.

Ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara

Rakotonirina Gérard, Filohan’ny OJM

Ny Fikambanan’ny mpaka sary an-gazety

Rakotondrazaka Hery

Mpaka sary madagate.org

Randrianarison Harilala

Mis à jour ( Jeudi, 13 Avril 2017 11:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...