]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar Etats-Unis. Relance des programmes anti-Sida dans les hôpitaux militaires

Madagascar Etats-Unis. Relance des programmes anti-Sida dans les hôpitaux militaires

Fitaovam-pitsaboana mitentina 820.000$ no natolotry ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana sy ny Tetikasa C.U.R.E. ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Malagasy

ANTANANARIVO, 27 Novambra 2017 – Nambaran’Atoa Robert T. Yamate, Masoivoho Amerikana, androany ny fanolorana fitaovam-pitsaboana mitentina 820.000$ amin’ny anaran’ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana sy ny Tetikasa C.U.R.E. ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Malagasy, Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, hanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy ny filaminana eto Madagasikara.  Ity fanampiana ity dia tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasan’ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana hisorohana ny VIH/SIDA (DHAPP) ary hatolotra ny Centre Hospitalier de Soavinandriana sy ny Direction Centrale de Service de Santé Militaire.  Raha ny fanabeazana, fisorohana sy fitsaboana ny VIH/SIDA no tanjona voalohan’ny fandaharanasa, dia tsy ho tratra izany tanjona izany raha tsy misy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa amin’ny ankapobeny hoenti-mitsabo amin’ireo toeram-pitsaboana ireo.

Ny tolotra mivantana fitaovam-pitsaboana mitentina 24.000$ no mamaritra ny dingana voalohany amin’ny fiverenan’ny fanampiana mivantana ao anatin’ny fandaharanasa DHAPP ho an’ny Tafika Malagasy.  Hoy indrindra ny Masoivoho Yamate: “Manantena izahay ny hanitarana ny fanohanana entin’ny fandaharanasa DHAPP mba hiverina amin’ny lentany nialoha ny taona 2009, satria tamin’izany izahay dia afaka nanohana ireo toeram-pitsaboana enina erak’i Madagasikara.” Satria ny VIH/SIDA dia mety hanohintohina ny filaminam-paritra aty Afrika, dia niasa mba hisorohana ny VIH/SIDA ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana nanomboka ny taona 1999, sady nikatsaka ny hampihenana ny fitrangan’ny VIH/SIDA isan-taona miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka amin’ny tafika amin’ny alalan’ity fandaharanasa DHAPP ity.

Ny Fikambanana Amerikana tsy miankina manao ny Tetikasa C.U.R.E. dia nanolotra ny ampahan’ny fitaovam-pitsaboana mitentina eo amin’ny 800.000$ eo, ka tsy natao hitiliana sy hitsaboana ny VIH/SIDA fotsiny fa natao koa hanohanana ireo tolotra ara-pitsaboana fototra amin’ireo toeram-pitsaboana roa voalaza ireo.  Nohon’ny fanampian’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Malagasy sy ny Masoivoho Amerikana dia nisy solontenan’ny tetikasa C.U.R.E. tonga nitsidika ireo hopitaly roa ireo ny volana desambra 2016 ka nahafahany nanangona “containers” roa feno fitaovam-pitsaboana mba hanohanana ny asa feno fandavantena ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miasa amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy.

Ny Tetikasa C.U.R.E. dia fikambanana amerikana tsy miankina manao asa soa ary tsy mitady vola izay miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana mba hanolorana fitaovam-pitsaboana ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana mila izany aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana.  Io fanolorana fitaovana mifandraika amin’ny filàn’ny sampam-pitsaboana mandray izany io dia fanampiana fohy ezaka hampitomboana ny fahazoana fitsaboana no sady manana tanjona lavitrezaka ny hanamafisana ny rafi-pitsaboana ho an’ny fiaraha-monina.

U.S. Embassy Madagascar

Mis à jour ( Lundi, 27 Novembre 2017 16:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...