]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Praiminisitra Ntsay Christian, CCI Ivato, 15.06.2020. Tatitra ho an’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara

Praiminisitra Ntsay Christian, CCI Ivato, 15.06.2020. Tatitra ho an’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara

Lahateny fanolorana ny tatitra mahakasika ireo fandaharan’asa fanatanterahana

ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE)

nataon’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiministra, Lehiben’ny Governemanta

CCI Ivato, Alatsinainy faha-15 jona 2020

____________

- Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Birao maharitra

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Ministra, Mpikambanana ao amin’ny Governemanta

- Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara

- Isika rehetra manatrika etoana,

- Tompokolahy sy Tompokovavy,

Raisiko an-kafaliana hatrany ny fandraisana fitenenana eto anatrehanareo araky ny fotoana nifanomezana ka hanolorako ny tatitra mahakasika ny firoson’ny Fandaharan’asa ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana.

Eto ampanombohana dia tsy haiko ny tsy haneho ny fialan-tsiny aminareo tsy ankanavaka noho ny fihemorana tamin’ny fotoana nifanomezana. Araka ny efa fantatrareo dia ny fanomanana ny volavolan-dalàna mifehy ny Teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2020 no anton’izany.

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tafahaona soamantsara tokoa isika anio na dia eo aza ny mbola ny hiainantsika ny valan’aretina Covid-19 eto amin’ny distrika maromaro eo amintsika. Ny governemanta manontolo sy ny tenako dia miara-ory amin’ireo Malagasy namoy ny ainy noho ny valan’aretina ary mirary fahasitranana haingana sy feno ary lavitry ny tebitebin-tsaina ho an’ireo izay mbola tsaboina.

Manantitra ny fiarahabana sy ny fisaorana ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo hatrany ny tenako, amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, amin’ny fitoniana, ny fahendrena sy ny fitiavan-tanindrazana asehontsika manoloana ny olana aterak’ izao fahamehana ara-pahasalamana izao izay nanomboka tokoa tamin’ny faha-21 Marsa 2020. Mariky ny fitandroana sy fandalàna ny firaisam-pirenena izany, mariky ny fahamatorana misy eo amin’ny vahoaka Malagasy izany, mariky ny fandraisana andraikitra ihany koa eo amin’ny tsirairay izany, koa iriko ny hitohizan’izany, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazantsika ny faha-60 taona ny niverenan’ny fahaleovantena izao ary ny amin’ny fiatrehana ny ho avy ihany koa.

Mankahery hatrany ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpitandro filaminana ny tenako amin’ireo ezaka manokana asehony amin’izao fotoam-pahamehana ara-pahasalamana izao.

Farany kanefa tsy kely indrindra dia tsy haiko ny tsy hisaotra eto anoloan’anareo an’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, amin’ny fijoroany sy ny fitarihany ny vahoaka Malagasy amin’ny ady amin’ity valan’aretina Coronavirus ity, ary ny fanohizana ny ezaka hanenjehana ny fahataran’ny fandroasoan’ity Madagasikara mamintsika ity.

Ramatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny Andininy faha-101 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa anjaran’ny Governemanta no manao tatitra ny asa vitany eto anatrehanareo solombavambahoaka “isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany”. Izany dia anoloran’ny Governemanta eto amin’ny Antenimierampirenana ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharan’asany.

Efa tonga teto tokoa izahay governemanta manontolo ny Alakamisy faha-28 May 2020 ary nandalo tsirairay teto ihany koa ny mpikambana ao amin’ny governemanta araky ny nandaharanareo azy. Araky ny fifandaminana napetrantsika dia handravona ny ezaka rehetra vita izany ny tenako ary hanazava ihany koa amin’ny ankapobeny ny fandaharan’asa amin’ity taona 2020 ity ka ahitana taratra mazava ny fanantanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ary ny Politika ankapoben’ny Fanjakana natolotra teto anoloan’anareo ny 16 aogositra 2019.

Izao tatitra izao dia notsinjaraina ho efatra lehibe dia :

- Ny lafiny Fitantanana

- Ny lafiny Filaminana sy Fandriamampahalemana

- Ny lafin’ny Toe-karena sy ny fotodrafitrasam-pamokarana

- Ny lafiny Sosialy.

Ramatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

1. Ny lafiny Fitantanana

Ny ady amin’ny kolikoly dia natao laharampahamena hatrany. Niezaka ny governemanta nampiseho fa tsy tokony ekena intsony ny “tsy maty manota”. Hita taratra izany tamin’ny fandraisana andraikitra hentitra manoloana ireo mpitandro filaminana izay tratra nanao ny asa ratsy sy ny asan-jiolahy.

Ny fandrindrana ny asam-panjakana rehetra dia natao tao anatin’ny mangaraharaha amin’ny alalan’ny fametrahana sy fanaraha-maso ny fampiasana ny fototra tsy miova na “standards de service” eo anivon’ny sampandraharahan’ny asam-panjakana rehetra, ka nampiharina tokoa ny lalàna mahakasika ireo olona izay nahiana ho nanao kolikoly ary hita fa efa nihena izany eny amin’ireny sampan-draharaham-panjakana ireny na dia mbola betsaka aza ny ezaka tokony hatao.

Ny fangaraharana dia napetraka ihany koa eo amin’ ny tsenam-baro-panjakana ka mbola hamafisina ny fanaraha-maso ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana manerana ny nosy amin’ny alalan’ny fametrahana sy fampiarana ny “mercuriale des prix” ary indrindra ny fitsirihana ny kalitao ny asa vita rehetra.

Momba ny paik'ady amin'ny “E-gouvernance” hanatsarana ny fampandehanana ny asa rehetra dia efa ampiasaina amin’izao fotoana izao ny rindrambaiko “AUGURE” itantanana ny mpiasam-panjakana.

Nohatsaraina ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny kara-panondrom-pirenena misy eto amintsika. Torak’izany ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fanovana ny fahazoan-dàlana mitondra fiara ho “biométrique” sy ny taratasy momba ny fiara voaaro tanteraka na “Carte grise sécurisée”, izay efa natomboka eto an-drenivohitra sy any amin’ny renivohi-paritany 5 eto Madagasikara.

Mba hiadiana amin`ny kolikoly mihatra amin`ireo tantsaha sy mpiompy ambanivohitra, dia efa narafitra ny volavolana didim-pitondrana momba ny fampitoviana ny vidin`ny FIB sy ny bokin`omby izay vinavinaina hivoaka tsy ho ela.

Manamafy ny fahavononana hanatsara ny fitantanana ihany koa ny nanaovana fifaninanana ho Inspecteurs d’Etat tamin’ny taona 2019 lasa iny. 17 no isan’ireo voaray tamin’izany ary efa mandray asa izy ireo ankehitriny. Ny tanjona dia ny ahafahana mampitombo ny fanadihadiana sy ny fitsirihina ny fampiasam-bolam-panjakana eny anivon’ireny sampandraharaha maro samihafa ireny.

Eo amin’ny fitsijaram-pahefana sy ny fampandraisina andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra dia natomboka tamin’ny volana jolay 2019 ny fanomanana lalàna tena mirakitra ireo fenitra momba izany.

Natomboka ny fanendrena ireo Governora any amin’ny faritra 13 eto amintsika. Tsy ho ela intsony ny fanendrena ny ambiny. Novatsina vola mitentina 1 miliara ariary ny faritra tamin’ny taona 2019 mba nahafahana nanomboka fotodrafitrasa asa maro toy ny làlana, ny tetezana, ny tsena, ny biraom-panjakana tany amin’ny faritra efa nisy Governora. Ny vola ho an’ny faritra izay mbola tsy nisy Governora kosa dia efa nalefa manontolo any amin’ireny faritra ireny eo ampiandrasana ny fanendrena azy ireo. Mitovy lanja ny vola natokana ho an’ny faritra rehetra.

Amin’ity taona 2020 ity, ankoatra ny vola mitentina 2 miliara ariary isaky ny faritra hatolotry ny fitondram-panjakana ho fanatanterahana foto-drafitr’asa mifandraika amin’ireo filàna eny ifotony toy ny làlana, dia ho vatsiana fitaovana enti-manamboatra làlana koa izy ireo tsirairay.

Anisan’ny fiovana goavana hatomboka amin’ity taona ity ny famindrana ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana any amin’ny faritra toy ny fananganana sekoly sy tsena ary biraom-panjakana isankarazany. Ka ho any amin’ny faritra no hatao ireo fitaomana ny tolo-bidy anatiny isankarazany (Appels d’offre) mba ho tena tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ireo any amin’ny faritra. Izany dia mba ahafahan’ireny orinasa madinika sy salantsalany tsy miankina ireny any amin’ny faritra mba mandray anjara amin’ireny tolo-bidim-panjakana ireny.

Mbola mitohy amin’ity taona ity ny fivorian-dehibe isam-paritra momba ny teti-bolam-panjakana ahafahana manome lanja ireo tena laharam-pahamehana sy ny filany amin’ny fampandrosoana, mba hahazoana mamaritra mazava ireo teti-bolan’ny Faritra.

Efa fantatsika fa vita tamin’iny taona 2019 iny ihany koa ny fifidianana Solombavam-bahoaka sy ireo Ben’ny Tanàna ary ny Mpanolo-tsain’ny Tanàna. Misy Kaominina vitsivitsy izay tokony namerenana ny fifidianana saingy nifanindry amin’izao fotoanan'ny hamehana ara-pahasalamana izao ka tsy maintsy ho ataontsika amin’ny fotoana mahamety azy izany.

Tohizana ny famatsiam-bola eo amin’ny CLD ary hitondrana fantsarana ny rijan-teny mifehy manokana ny CLD mba hampahomby azy bebekokoa.

Eo amin’ny fampitaovana ny Kaominina dia fiara vaventy mpandraoka fako miisa roapolo amby zato no novidiana tamin’ny taona 2019 ary efa maro ny tanan-dehibe manerana ny nosy efa misitraka an’izany ankehitriny. Manampy amin’ny fanadiovana tanàna izy ireny ary mankasitraka izany ny vahoaka.

Amin’ity taona 2020 ity dia ezaka maro no entina hanampiana ny vondrom-bahoaka itsijaram-pahefana manerana ny Nosy. Izany dia mahakasika ireto zavatra manaraka ireto :

- Fametrahana ny Komity Loharano maneran’ny Nosy

- Fitohizan’ny fananganana birao-kaominina andrenivohitra miisa roapolo.

- Fitohizan’ny fananganana birao-kaominina any ambanivohitra miisa telopolo.

- Fananganana biraom-paritra ny BNGRC any Mahajanga sy Toamasina.

- Fananganana birao ho an’ny distrika miisa sivy.

- Fanarenana ny toeram-ponenan’ny Lehiben’ny distrika 14 any Maintirano, Antsalova, Fenoarivobe, Manja, Amboasary, Tsihombe, Beloha, Ambovombe, Manjakandriana, Nosy Be, Ambositra, Vohibato, Manandriana, Isandra.

- Fanarenana ny biraom-piasan’ny Préfectutre miisa roa amby ny folo any Sainte-Marie, Nosy Be, Ambatondrazaka, Antsirabe I, Tsiroanomandidy, Toliara, Antsiranana I, Manakara, Fianarantsoa I, Mananjary, Morondava, Ambositra.

- Fanamboarana-dalana any amin`ny faritra 22 ka folo kilometatra ny farafahakeliny isam-paritra

- Fanamboarana tsena manarapenitra amin`ny faritra 12

- Fananganana efitra fianarana 6 any amin`ny faritra 10

- Fanomezana fitaovana asa vaventy 5 ho any faritra rehetra.

2. Ny lafiny Filaminana sy Fandriamampahalemana

Anisan’ny nitaky ezaka lehibe tamintsika ny fanatsarana farak'izay haingana ny filaminana sy ny fandriampahalemana teto amin’ny firenena. Novolavolaina araka izany ny tetika hamerenana ny fahefam-panjakana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Nentina ny fandaminana mifanaraka amin’izany ka nasiana fiovan-drafitra ny teo amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena, natsaraina ihany koa ny fitaovana ary nanorenana toby araka izay nilana azy isan-tsokajiny avy izy ireo.

Novatsiana fiaramanidina fitaterana CASA iray, fiaramanidina kely CESSNA dimy, angidim-by efatra, fiara tsy mataho-dalana 140 ary moto amam-polony maro izy ireo ny taona 2019.

Natsangana teo anivon’ny Tafika Malagasy ireo :

- Faritra Ambanivohitra mitaky fandriampahalemana maika (Zones Rurales Prioritaires de Sécurité na ZRPS) efatra

- Beholafy Mpiaro Atomotra na Bataillon Opérationnel Avancé – BOA dimy, ka nanorenantsika toby ao Tsaratanana, Iakora, Morafenobe, Ambatofinandrahana ary Ankilizato. Manodidina ny 15% hatramin’ny 90% ny fahavitan’ny asa amin’izany.

- Andiany Mpiaro Manokana na Détachement Spécial de Sécurité - DSS miisa efatra ao Vondrozo, Amboasary-Atsimo, Befotaka ary Ambohimahasoa.

- Fanamboarana Base réduite tao Mananjary sy Farafangana.

- Fanatsarana sy fanarenana fotodrafitrasa maro eo anivon’ny Tafika Malagasy maneran’ny Nosy.

- Fari-dranomasina roa no napetraka ho arovana avy hatrany na Zone Maritime Prioritaire d’Intervention – ZMPI dia ny Avaratra Atsinana sy Atsimo Andrefana hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena.

Eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia :

§ Natsangana ny toby miisa enina ho an’ny Centre Spécial d‘Aguerrissement Operationnel na CSAO ao Malaimbandy, Beroroha, Beravina, Ranotsara-Sud, Andriamena ary Imanombo.

§ Efa tafapetraka ihany koa ny Tobim-paritra manaramaso ny ranomasina (Postes de surveillance nautique) roa ao Tanjona (Mananara Avaratra) sy Manantenina (Taolagnaro).

§ Efa vita ihany koa ireo Brigade Routière Spéciale eny anivon’ny Faritra Fialan-tsasatra Voaaro (Aire de repos sécurisée) telo ao Sahamamy RN2, Ambalamanakana RN7 ary Analakininina RN 34.

Ho an'ny Polisim-pirenena, dia toy izao ny ezaka natao :

- Sampan-draharaha-paritra ny filaminam-bahoaka sy trano fonenana ho an’ny tompondrakitry ny sampam-paritra folo no natomboka ao Ihosy, Maevatanana, Tsiroanomandidy, Antsirabe, Taolagnaro, Manakara, Ambositra, Antsohihy, Farafangana ary Fenerive-Atsinanana. Efa vita 100% ny enina ary mamarana asa ny efatra.

- Vita koa ny Kaomisaria ny Polisy vaovao roa ao Ambohimahasoa sy Vondrozo.

Eo amin’ny lafin’ny filaminana sy ny fandraimapahalemana dia singanina manokana ihany koa ireto vokatra ireto :

- Tratra ireo jiolahy anisan’ny nokarohana nandritry ny fotoana lava ary nalaza tamin’ny fakàna ankeriny na kidnapping

- Efa tsy maheno firy intsony koa isika ny amin’ny fandrobana mitam-piadiana sy fanafihana taxi-brousse amin’ny faritra maro manerana ny Nosy

- Natao ny fandravana ny fambolena rongony tao Andriry

- Fanampiana tamin’ny famonjena ireo trà-boina nateraky ny tondra-drano;

- Ireo faritra mena izay tsy voavakin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izay dia ahitana taratra amin’izao fotoana izao ny fipetrahan’ny fahefam-panjakana, toy ny tany Mahazoarivo Isandra, Ankazoabo, Iakora, Vondrozo, Tsaratanana, Ambato-boeny, Ambalankindresy, Ambatofinandrahana, Andriry sy ny sisa tsy voatanisa

- Nihena 24% ny halatr’omby, nihena 49% ny omby very, basy tsy ara-dalana 811 no azo tamin’ny toerana maro any ambanivohitra ary maherivaika ny 31 tamin’izany

- Aty an-drenivohitra dia basy miisa 110 no azo ary bala 495 no niaraka taminy

- Taolam-paty milanja 228 kilao no sarona nandritra ny 2019

- Harena an-kibon’ny tany : an-jatony kilao maro ireo vatosoa nokasaina aondrana an-tsokosoko no tratra, indrindra fa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-Be

- Tera-tany vahiny 240 no naverina hody any aminy teny am-pahatongavana ary 55 no noroahina, 245 ireo tsy manana taratasy ara-dalana hipetrahana eto ka naverina any aminy.

Ireo tarehimarika ireo dia entina anehoana fa mamerina ny fanajana ny lalàna ary ny fifampitokisana isika mba hampandriana fahalemana ny tany ka ahafahan’ny mpiray tanindrazana miaina sy mihary lavitry ny tebiteby.

Raha ity taona 2020 ity no banjinina dia tohizantsika ny ezaka hanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Atao ho laharampahamehana ny fanatsarana ny paikady entina manatevina ny ady amin’ny asa ratsin’ny jiolahy, ny dahalo, ny tambazotran’ny mpaka ankeriny, ny mpandroba ny harem-pirenena.

Hohatsaraina hatrany ny fomba fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana telo tonta Tafika Malagasy, Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena.

Tohizana ny fampitaovana ny mpitandro filaminana eo amin’ny lafiny maro, ka santionan’ny ezaka hatao ireto tanisaina manaraka ireto :

Eo amin’ny Tafika Malagasy, hifototra amin’ireto laharampahamehana ireto ny ezaka hatao :

§ Hatomboka ny fanamboarana ny BOA amin’ireto toerana dimy ireto dia Isandra, Andriry, Ankazoabo Atsimo, Kandreho, Miandrivazo.

§ Hajoro ny DSS amin’ireto distrika enina ireto ihany koa : Anjozorobe, Mandritsara, Soalala, Vangaindrano, Mitsinjo, Vohipeno.

§ Hisy ihany koa ny fampitaovana maro isankarazany ho an’ny Tafika Malagasy.

Eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia toy izao ny ezaka hotanterahana amin’ity taona 2020 ity :

§ Fananganana CSAO roa dia any Andriamena (Tsaratanana) ary Andimaka-Manambolo (Belo sur Tsiribihina).

§ Fametrahana Compagnies roa dia ny ao Ikalamavony sy Amboasary atsimo.

§ Brigades fito no hoforonina any Mahazoarivo (Isandra), Marolinta (Beloha), Androka (Ampanihy), Tranomaro (Amboasary), Maroalimainty (Ambovombe), Ikopoky (Beloha), Talata Vohimena (Manandriana).

§ Hatsangana toy izany koa ny BRS eny Kiangara.

§ Miisa 500 ny motos no aparitaka manerana ny Nosy ary fiara tsy mataho-dàlana valo no alefa eny amin’ireo CSAO.

§ Ho vatsiana fitaovana ihany koa ny mpiandry sisin-tany any Mananara Avaratra sy Taolagnaro.

Raha ny eo anivon’ny Polisim-pirenena dia toy izao ihany koa ny ezaka manokana hotanterahana amin’ity taona 2020 ity:

- Hatsangana ny toeram-piasana iombonan’ny Polisim-pirenena DSRP amin’ny faritra roa ambin’ny folo mbola tsy manana dia ny ao Ambovombe, Sambava, Morondava, Ambatondrazaka, Maintirano, Miarinarivo, Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga ary Antsiranana.

- Hovatsiana fitaovam-piasana ireo DSRP folo efa natsangana tamin’ny taona 2019.

- Kaomisaria ny Polisy enina amby roapolo no atsangana amin’ireto renivohitry ny Distrika ireto : Iakora, Vohibato, Fenoarivobe, Anivorano-Avaratra, Brickaville, Beroroha, Anjozorobe, Ifanadiana, Sainte-Marie, Ambohidratrimo, Midongy-Atsimo, Lalangina, Manja, Bekily, Betroka, Andranomanelatra, Ambato-boeny, Tsihombe, Nosy Varika, Betafo, Betioky, Befandriana-Avaratra, Anosibe an’Ala, Befotaka-Atsimo, Antanambao Manapotsy, Mitsinjo.

- Fiara tsy mataho-dalana miisa dimy amby roapolo ho an’ny Kaomisarian’ny Distrika, fiara vonjy taitra valo amby roapolo ho an’ny FIP amin’ny renivohi-paritany (Antananarivo, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara) ary motos telon-jato no hozaraina manerana ny Nosy.

Marihina fa ireo fanorenana sy fampitaovana voatanisa rehetra aminareo ireo, izay ho tontosaina amin’ity taona 2020 ity dia efa voarafaritra ao anatin’ny volavolan-dàlana mikasika ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana izay efa tonga rahateo ety anivonareo.

Mahakasika ny tontolon’ny Fitsarana dia vaindohan-draharahan’ny governemanta ny fanamafisana fototra ny tany tan-dalàna izay tsy maintsy mandalo amin’ny famerenana amin’ny hasiny ny Fitsarana sy ny tontolony. Izany no atao dia mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Ny tanjona ho tratrarina indrindra ihany koa dia ny fametrahana ny Fitsarana manakaiky ny vahoaka sy mba ho fanajana ny zo fototr’ireo voafonja. Raha tsiahivina dia miisa fito arivo sy roa alina (27.000) amin’izao fotoana izao ny isan’ireo voafonja. Ny fahafaha-mandray ananantsika nefa dia arivo sy iray alina (11.000) fotsiny.

Manarina izany rehetra izany isika. Ka tamin’ny taona 2019 dia nanomboka :

- Natomboka ny fananganana fonja vaovao amin'ireto toerana sy distrika ireto : Imerintsiatosika (Fonja lehibe ho vita amin’ity taona ity), Sambava ary Fianarantsoa.

- Nisy ihany koa ny fanavaozana fonja tao Moramanga, Ampanihy ary Manjakandriana.

- Natsaraina sy navaozina ihany koa ny fidirana eo amin'ny Tribonaly Anosy Antananarivo mba iadina amin'ireo mpisoloky sy mpijirika maro nisy teo amin'izany toerana izany.

- Natomboka ny fanorenana tribonaly ambaratonga voalohany tao Antananarivo Avaradrano.

Amin’ity taona 2020 ity dia :

§ Dimy ny fitsarana ambaratonga voalohany izay hatsangana eto amintsika dia ny ao Besalampy, Sainte-Marie, Ambilobe, Sambava, Belo sur Tsiribihina.

§ Fonja lehibe (Maisons de force) roa no haorina natokana ho an’ireo mpanao asa anterivozona sy ireo dahalo rain-dahiny dia ny any Tetezambaro Toamasina sy Ikelivondraka Ihosy.

§ Enina ny fonja (Maisons centrales) hatsangana any amin’ny distrika samihafa dia ny Sainte-Marie, Belo sur Tsiribihina, Amboasary-Atsimo, Antananarivo-Avaradrano, Fenerivo-Atsinana, Ambositra.

§ Vatsiana fiara manokana hitaterana voafonja sy fiara vonjy taitra (Véhicule cellulaire, véhicule d’intervention rapide) ny fandraharahana ny fonja.

3. Ny lafin’ny Toe-karena sy ny fotodrafitrasam-pamokarana

Eo amin’ny tontolon’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola dia miatrika ny fiantraikan’ny valanaretina Coronavirus ny eran-tany ary ao anatin’izany isika eto Madagasikara. Fantatra fa nihena dia nihena ny fidiram-bolam-panjakana nohon’ny tsy fiodinan’ny toekarena ka nampihena ny hetra, ny haba ary ny vola miditra avy amin’ny fadi-tseranana. Hitombo noho izany ny tambatry ny fahabangana ankapobeny eo amin’ny teti-bolam-panjakana ka hatratra hatramin’ny 6,3% ny harikarem-pirenena amin’ity taona 2020 ity.

Raha ny harinkarena faobe no resahana dia hitontongana hatramin’ny 0,8% izy amin’ity taona ity kanefa novinavinaina ho 5,5% tamin’ny teti-bola fiatombohany 2020 (LFI 2020). Hofehezina anefa ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity taona ity mba tsy hihoatra ny 7%.

Noho izany rehetra izany dia ny governemanta dia tsy maintsy manitsy ny zotram-pandaniana eo amin’ny tetibolam-panjakana ka afantoka tanteraka amin’ny sosialim-bahoaka sy ny fanarenana ny toe-karena ny laharam-pahamehana.

Eo ankilany, ny fitondram-panjakana dia hametraka drafim-pirenena goavana izay hifantoka amin’ny famporisihana ny fampiasam-bola eto amintsika. Eo andaniny kosa, ny drafitra marolafy ho amin’ny fanarenana dia hijerena manokana ny sehatry ny fampivoarana ny fotodrafitrasa ary ny fampihetsena an’ireo mpiaramiombon’antoka mba hametraka sy hanamora lalambola manokana ho an’ireo orinasa bitika, madinika ary salantsalany izay hiarahana amin’ny rantsa mangaikan’ny fanjakana toy ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny Programan’asa Fihariana. Hojerena ihany koa ny famporisihana ny mpanjifa hisitraka ny vita Malagasy ary hampiana ny sehatra tsy miankina eo amin’ny lafin’ny fampahafantarana ny vokany eo amin’ny tsena iraisampirenena.

Farany, eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola dia :

- Hatsangana ny “Hotel des Finances” dimy dia any Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara ary Taolagnaro. Marihina fa ny an’i Sambava dia efa andala-pahavitana ankehitriny.

- Hatomboka ny fanamboarana ny Perception Pricipale ao Betroka.

- Harerenina ny Trésor Principal ao Mananjary sy Ifanadina.

- Hamboarina ny Circonscriptions financières dimy dia ao Anosibe an’Ala, Marolambo, Befotaka, Ambatomainty, Antsalova.

Eo amin’ny sehatry ny Harena ankibon’ny tany, ireto asa ireto no hapetraka ho laharam-pahamehana amin’ity taona ity ka :

- BAM (Bureau d’Administration Minière) dimy no hatsangana any Miandrivazo, Antsohihy, Vohemar, Mananjary ary Tsiroanomandidy mba ahafahantsika mifehy ny sehatry ny harena ankibon’ny tany.

- Hapetraka ny fitaovam-pitiliana volamena sy vy ari-fomba eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato, Nosy-Be ary Toamasina.

- Hatao ny fanorenana trano iombonana (Atelier communautaire) fanantanterahana asa momba ny vatosoa ao Antsirabe.

- Hotohizana ny dinika eo amin’ny zotra-pandrafetana ny fehezan-dalàna momba ny harena ankibon’ny tany izay vinavinaina hovitaina tsy ho ela intsony mba ahafahana hitsinjo amizay ny tombotsoan’ny vahoaka, ny mpisehatra ary ny fanjakana.

Eo amin’ny sehatry ny Fitaterana sy ny Fizahantany, efa maro ny asa natomboka toy ny :

- Amin’ny fitaterana an-dalamby, ny asa fanamboarana ny tetezana ao Sahasinaka amin’ny zotra FCE.

- Lohamasinina telo no efa tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao ho hampiasaina tsy ho ela intsony any amin’ny FCE.

- Amin’ny fitaterana an-tanety, dia eo am-pamaranana ny Aire de sécurité, de service et de repos na ASSR ao Ambalamanakana RN7 ary ny ao Ranomafana Atsinana RN2, izay hotokanana amin’ity taona ity avokoa.

- Eo am-pamitana ihany koa ny tobim-piantsonana fiara ao Vangaindrano isika.

- Seranam-piaramadinina fito no afaka mandray sidina indray dia ny ao Manakara, Analalava, Antalaha, Antsirabe, Maintirano, Mananara Avaratra, Vohémar.

- Afaka mandray sidina amin’ny zotra nasionaly ihany koa ny seranam-piaramanidina ao Ambatondrazaka, Fianarantsoa ary Mananjary.

- Efa vita tamin’ny volana janoary 2020 ny fametrahana ny marika famantarana (balisage) ao amin'ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro. Mbola an-dàlana ny fifampidinihana sy ny fifanarahana amin’ny fitantanana (Concession ou contrat de gestion) momba ireo seranam-piaramanidina hafa toa ny any Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Morondava ary Taolagnaro.

- Eo am-panamboarana ny seranam-piaramanidina any Toliara sy Taolagnaro isika mahakasika ny famaritana ny faritry ny seranam-piaramanidina (limitation domaine aéroportuaire).

- Ankoatra izay dia eo am-pamaranana ny asa fanajariana ny Canal des Pangalanes avy any Toamasina ka hatrany Mananjary isika, mba hitondrana fanampiana amin’ny fampivelarana ny seha-pihariana amin’iny faritra iny manomboka amin’ity taona 2020 ity.

Santionany ihany ireo voatanisa ireo fa maro ny fotodrafitrasa sy paik’ady hoentina hampandrosoana ny fizahantany eto amintsika, hoentina hanatrarana ilay fanamby lehibe ahatongavan’ny mpizahantany dimy hetsy amin’ny taona 2023.

Amin’ity taona 2020 ity dia hanao ezaka goavana ny governemanta amin’ny lafiny maro toy ny :

- Ny famerenana amin’ny laoniny ny zotra an-dalamby eto amintsika ka hisy ny fanarenana toby fiantsonana an-dalamby enina any amin’ny FCE dia ny gares ferroviaires any Manakara, Fenomby, Manapatrana, Tolongoina, Mahabako ary Fianarantsoa.

- Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina any Bekopaka sy Ranohira mba hisintonana bebe kokoa ny mpizahatany.

- Hosokafana amin’ny sidina iraisam-pirenena ny seranam-piaramanidina Andrakaka any Antsiranana.

- Hamboarina ny Aires de repos sécurisées eo anelanelan’ny Morondava sy Belo sur Tsiribihina ary eo anelanelan’ny Belo sy Bekopaka, ny ao Miandrivazo, Ambalamanakana ary Ranomafana-Atsinana ihany koa.

- Hotohizana ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Soanerana Ivongo.

- Hamboarina ny toeram-piantsonan’ny fiara mpitatitra telo amby ny folo dia ny ao Fianarantsoa, Manakara, Ambondromamy, Maintirano, Taolagnaro, Toliara, Toamasina, Vangaindrano, Sambava, Ambanja, Morondava, Antsirabe ary Ambositra.

- Hiompana bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ny paik’ady apetraka.

- Eo amin’ny lafin’ny fizahantany manokana, ampiana ny mpisehatra mba hanamora ny asa fampahafantarana indray ny vokatra Malagasy any ivelany ka hiverenan’ireo mpizahantany aty amintsika rehefa vory ny fepetra rehetra ny amin’izany.

Eo amin’ny fampivelarana ny sehatry ny indostria sy ny varotra, natao ny ezaka mba ho fiarovana ny Mpanjifa indrindra nohon’ny fisian’ny valanaretina dia natao tsy miato ny fanaraha-maso akaiky ataon’ireo tompon’andraikitra ao amin'ny Minisitera miadidy ny varotra mareran’ny Nosy amin’ireo vidin’ny entana eny an-tsena sy ny fisian'ny vary eny amin'ny mpamongady. Nandraisana fepetra hentitra ireo toerana misy vidim-bary niakatra tsy ara-dalana.

Natomboka ny taona 2019 ny fanisana ny mpanao asa-tanana mba hampidirana azy ireo eo amin' ny sehatry ny toekarena manara-drafitra. Karatra nomerika dimy alina sy iray hetsy (150 000 cartes) no tanjona isan-taona.

Efa miroso ny fananganana ireo Zone d’Emergence Industrielle na ZEI any Moramanga sy ny Zone d’Investissement Industiel na ZII any Itasy.

Ny fitondram-panjakana dia mikajy hatrany ny hahatsara ny kalitaon’ny lavanila izay hita fa tsy mitsahatra mitombo ny hatsarany satria raha 0,7 teo aloha dia 1,8 ny tahan’ny vanilline amin’izao. Hatomboka amin’ity taona 2020 ity ny fananganana ny ivo-toerana lehibe any Antalaha “World of vanilla” hihaonan’ireo mpandraharaha sy hampivoarana ny fandraharahana amin’ny sehatry ny lavanila.

Hatomboka ihany koa ny fananganana ny Village artisanal lehibe eny Ivato amin’ny velaran-tany mirefy roa faingo dimy hekitara.

Hatomboka amin’ity taona 2020 ity koa ny fanatanterahana ny tetik’asa “One District, One Factory”. Izany hoe hatsangana eny anivon’ny distrika tsirairay ny orin’asa mpanodina vokatra mifanaraka amin’ny vokatra eny an-toerana.

Mahakasika ny sehatrin’ny tontolo Ambanivohitra, ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono dia betsaka ny ezaka natao nanditry ny taona 2019 ka toy izao ny santionan’ny asa vita :

- Raha ny fambolena manokana dia velaran-tany voatondraka 36.507 ha no narenina ary niampy velaran-tany 10.480 ha vaovao izany iny taona 2019 iny. Ireto avy ny distrika nanaovana izany isam-paritra : Alaotra Mangoro dia Ambatondrazaka - PC15, Amparafaravola - Sahamaloto sy PC23, Moramanga - Ampasimpotsy sy Mandialaza. Amoron’i Mania dia Ambatofinandrahana Amborompotsy ao Saharovola, Lambamena, Ankosy sy Ambalamontana ary ao Manandriana Ambovombe Centre Lemak’i Agnara. Analamanga dia Andramasina Tankafatra. Analanjirofo dia Fenoarivo Atsinanana, Manakambahiny Ambodimanga II sy Maroaomby Vohilengo. Androy dia ao Bekily Beraketa toho-drano faha-2 ao Menakompy sy ao Ambovombe Imanombo Finday. Anosy dia Amboasary Atsimo Tsivory Tsimanangy sy Maniry, Betroka Ianambinda Sakoa ary ao Amboasary. Atsimo Andrefana dia Morombe mitohy ny asa fikarakarana ny fotodrafitr’asa ao Tanandava Station sy Ankatsakantsa Sud. Atsinanana dia Toamasina II Antetezambaro Antohidrano. Boeny dia Fanarenana ny tunnel fampitana ao Antanananivony Marovoay sy ny Toha-drano ao Bealoy Belobaka Mahajanga II. Bongolava dia Faritra fambolena ao Bezahatra sy Andoharano ao Fenoarivo Be. Diana dia asa maika ao amin’ny lemak’I Mahavavy Ambilobe. Ihorombe dia natomboka ny asa ao Iakora eo amin’ny Faritra Anarabe sy Begogo. Mahatsiatra Ambony dia Ikalamavony - Faritry Ikelimasiaka sy Maintinandrina ao Mangidy. Menabe dia efa natomboka ary mitohy ny asa ao Dabara.

- Lakan-drano fanondrahana mirefy 1.014 km tamin’ny 1031 km nokasaina no vita ny fanarenana azy na ny fanamboarana ary ny fikojakojana tao amin’ny Faritra Itasy, Bongolava, Anosy, Melaky, Sofia, Boeny, Androy, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analamanga, Haute Matsiatra, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany.

- Raha ny fiompiana indray dia samy nanaovana ezaka ny fiompiana Omby, Akoho, Kisoa, Ondry, Osy, Tantely amin’ny distrika maro manerana ny Nosy.

- Toerana famonoana omby telo no naorina tao Toamasina, Vangaindrano ary Taolagnaro.

- Abattoir Manara-penitra iray tao Bongolava Tsiroanomandidy koa no nantsangana.

- Fiompiana Omby fakana hena fitaratra telo no naorina tao Toamasina, Tsiroanomandidy sy Taolagnaro.

- Omby mihoatra ny efajato sy roa arivo no nametrahana Marika Voaaradia (puces géolocalisables) mba hiarovana andian’omby eo amin’ny dimy alina sy roa hetsy ao Bongolava sy Menabe.

- Nametrahana Fanotrehana Akoho mandeha amin’ny herin’aratra ary mahazaka atody valopolo sy efajato avy ireto distrika ireto : Ambohidratrimo, Antsiranana, Tsiroanomandidy, Mahajanga, Toamasina I sy Toamasina II.

- Zana kisoa faka taranaka mihoatra roa arivo no nomanina ary ireto distrika ireto no nisitraka izany : Andramasina, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Ankazobe, Anjozorobe, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Faratsiho, Morondava, Miarinarivo, Tsiroanomandidy. Noharenina koa ny foibe fanotrehana atody ao Ivato Ambohidratrimo.

- Ondry aman’Osy mihoatra ny fito arivo no nozaraina.

- Teo amin’ny Jono dia amboarina ankehitriny ny sambo Telonify sy Antsantsa izay an’ny Foibe fanarahamaso ny jono.

- Foibe fikarakarana ny vokatra avy anaty rano miisa sivy no naorina ka roa tao Antsiranana II (Ankoranga sy Ambavarano), iray tao Morondava Bemanonga, iray tao Vohémar Ampisikinana ary dimy tao Ambovombe, Beloha, Tsihombe, Tranovaho ary Marolinta.

- Vondrona Fototra Mpitarika ny famokarana algues marines valo no nampiana tosika ara-bola tao Sainte Marie.

- Zana-trondro iray tapitrisa sy dimy hetsy amby no notsinjaraina tamin’ny mpiompy.

Ireto kosa ny asa atomboka sy mitohy amin’ity taona 2020 ity : Amoron’i Mania : Fanarenana ny faritry Anampina Ambatofinandrahana, Antsontsa Soavina Ambatofinandrahana ary Analalehibe Ilaka Centre Ambositra. Analamanga : Fanarenana faritra voatondraka ao Antsiho Andramasina, Antatamokely Mangamila Anjozorobe, Antsorindrano sy Ampilanonana Anjozorobe. Atsimo Atsinanana : Fanarenana faritra voatondraka ao Faritry Manambidala Vondrozo, Vohipaho Vangaindrano. Betsiboka ; Fanarenana ny fitarihan-drano ao Mahatsinjo Maevatanana. Bongolava : Fanamboarana ny faritra tondrahana ao Andohafarihy Miandrarivo sy Idin-Drano ao Ambalanirana Tsiroanomandidy. Diana : Fampidiran-drano ny faritry Anketrakabe sy Anivorano Avaratra samy ao Antsiranana II. Itasy : Fanarenana ny faritra voatondraka ao Avarabary Imerintsiatosika Arivonimamo. Matsiatra Ambony : Fanajariana ny faritra ho tondrahana vaovao ao Andreana Ankitsika sy Anasana ao Fianarantsoa, ary fanajariana ny ao Ampandriandranolava Vohitrafeno Vohibato. Melaky : Fanatsarana ny lemak’i Beboka, Bejangoa sy Soatana Trangahy, Ankazomena Bekopaka distrika Antsahalova, Fanatsarana ny lemak’i Marofilaly Marohazo, fanarenana ny Demoka Betanatana, Veromanga samy distrika Maintirano. Menabe : Fanamafisana ny tetezana ao Antsoha, fanamboarana ny lemak’i Tsaraotana samy ao Belo sur Tsiribihina, fanarenana ny lemak’i Vondrove Beharona sy ny an’Ambararata Manja. Sofia : Fanarenana ny faritry Angoaka Ambatofalio Analalava, fanarenana ny fanondrahan-drano ao Antanimbaribe Tsiningia Port Berge, fanajariana tany ao Tsimalao sy Morafeno ao Befandriana Avaratra, fanajariana tany ao Kalandy Mandritsara. Vakinankaratra : Fanarenana ny lemak’i Andriampatsy Alakamisy Antsirabe II, fanarenana ny faritry Ambodiriana Soavina Betafo. Vatovavy Fitovinany : Fanarenana ny lemak’i Nofia Bekatra Manakara sy fanajariana ny lemak’i Marofototra Andranomavo Mananjary.

Eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, natao laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana ary ireo harena voajanahary toy ny biby sy zava-maniry miavaka izay tsy misy afa tsy eto amintsika.

Nanomboka tamin’iny taona 2019 iny ny fametrahana ny foto-drafitrasa maitso ka ny tanjona dia ny fambolen-kazo ho an’ny velaran-tany efatra alina hekitara isan-taona eran’i Madagasikara.

Velaran-tany 41.065 Ha no voavoly ny taona 2019 ka 38.609 Ha no ala tsotra ary 2.457 Ha ny ala honko (mangroves).

Ho fiarovana ny ala dia natao laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny toekarena maitso (économie verte) sy ny toekarena mifampitsinjo (économie circulaire). Noho izany, natomboka tamin’iny taona 2019 iny ny tetikasa miisa telo fanodinana ny fako hasolo arina ao Toamasina, Antsiranana ary Antananarivo Avaradrano. Mbola mitohy amin’ity taona 2020 ity ny famitana ireo fanorenana ireo sy ny fampitaovana azy ireo.

Mametraka tanjona ny hanomana zanakazo enim-polo tapitrisa isan-taona mba ahafahana manatratra ny tanjona fandrakafona ala efatr’alina hektara isan-taona an’i Madagasikara.

Amin’ity taona 2020 ity koa no hividianana ireo drônes folo ampiasana hamafazana ireo voa hanatrarana ireo toerana saro-dalana.

Handrakotra ala roapolo hektara amin’ny paulownia, acacia, sy ny hazo mitombo malaky ny Ministera misahana ny Tontolo iainana amin’ity mba hatao fitaratra (vitrine), noho ireo hazo ireo mandray anjara amin’ny fanadiovana haingana ny rivotra.

Eo amin’ny sehatry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny kajy mirindra dia betsaka ny ezaka efa vita toy ny :

- Ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaham-panjakana, orinasa ary tranom-barotra lehibe maro eto amintsika amin’ny alalan’ny “e-Paiement”. Efa natomboka izany tamin’ny taona 2019 ka roa arivo sy iray hetsy ny mpanjifa ny Paositra Money amin’izao fotoana izao. Ny tanjona dia ny hahatratrarana mpanjifa miisa telohetsy amin’ny taona ho avy.

- Ny fanatsarana ny fotodrafitr’asa ka iarahantsika mahita ny fanavaozana ny Foiben’ny Paositra Malagasy eo Antaninarenina izay efa eo an-dàlam-pahavitana.

Amin’ity taona 2020 ity dia maro ireo asa hotanterahina, ka ao anatin’izany :

- Ny asa fanavaozana ny biraon'ny paositra maro eto amintsika toy ny any Mananjary, Ambohimandroso, Sambava, Morondava, Maintirano, Ampefy, Ihosy, Nosy Be, Andranofasika, Ambato-Boeny, Mahatsinjo, Maevatanana, Anivorano Atsinana, Manakara, Sakaraha, Taolagnaro, Ambovombe, Fenerivo-Atsinanana, Ambatofinandrahana, Ambositra, Moramanga, Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Tsaralalana, Talatamaty, Antaninarenina, Antanimena, Andravoahangy, Ambohimanarina ary Ambanidia.

- Ny fananganana Smart Villages dimampolo amin’ny faritra roa amby roapolo manerana ny Nosy.

- Fanokafana Hotspots tsy andoavam-bola na Wifi gratuit amin’ireto tanàna ireto : Ambohidratrimo, Ambohijanaka, Ambohimanga Rova, Sabotsy Namehana, Tsiroanomandidy, Arivonimamo, Miarinarivo, Ampefy, Antsirabe, Ambanja, Ambilobe, Antsiranana, Sambava, Ambalavao, Fianarantsoa, Ambositra, Ihosy, Farafangana, Vangaindrano, Manakara, Mananjary, Ambondromamy, Mahajanga, Maevatanana, Maintirano, Antsohihy, Port-Bergé, Mahanoro, Toamasina, Foulpointe, Fenerivo-Atsinanana, Sainte-Marie, Ambatondrazaka, Moramanga, Ampanihy, Sakaraha, Toliara, Taolagnaro, Ambovombe, Belo sur Tsiribihina, Morondava, Antananarivo I, Antananarivo II, Antananarivo IV, Antananarivo V. Fanombohana ihany ny amin’ity taona ity amin’ireo distrika dimy amby efapolo ireo fa hahenika ny distrika rehetra maneran’ny Nosy ny ezaka ataontsika.

Eo amin’ny lafin’ny Asa vaventy sy ny Fanajariana ny tany dia maro ny ezaka natao ka nahitana vokany toy izao ;

- Lalana manodidina ny valon-jato kilometatra no narenina mba ho azo ampiasana tany amin’ny Distrikan’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Toamasina II, Fenerive Atsinanana, Soanierana Ivongo, Ambilobe, Ambatomampy, Antsirabe I, Antsirabe II, Ambositra, Ambohimahasoa Fianarantsoa I, Fianarantsoa II, Ambalavao, Ihosy, Sakaraha, Toliara I, Toliara II, Manjakandriana, Moramanga, Brickaville, Taolagnaro, Amboasary, Ambovombe, Farafangana, Vangaindrano, Manakara, Ambatondrazaka, Amparafaravola.

- Natomboka ny fanamboarana ny RN44 mampitohy an’i Marovoay sy Vohidiala.

- Natomboka ihany koa ny fanamboarana ny RN5A mampitohy an’i Ambilobe sy Vohémar.

- Miroso ihany koa ny fanamboarana ny RN9 mampitohy an’Analamisampy sy Manja ao amin’ny Distrikan’i Morombe sy Manja, ary ny fanorenana ny tetezan’i Bevoay amin’ny reniranon’i Mangoky.

- Efa miroso ihany koa ny fanomanana sy fandinihina ny fanarenana ny RN12A sy ny fanorenana ireo tetezana valo mampitohy an’iny lalana iny izay mahasehika distrika telo dia Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro.

- Nanomboka ny fanamboran-dàlana ao antampon-tànan’ny Sambava fantatra amin’ny hoe Maman’i Dolores.

- Vita tanteraka ny tetezana ao Andranonakova, Manandriana.

- Natsaraina ny lalana tao amin'ny Distrika Avaradrano manodidina an’Ankadinandriana, Ambatomilona ary Ambohijato.

- Mahakasika ny RN7 manokana dia efa misy ny vita ao amin'ny tanan'Antsirabe I ary ny tetezan’i Vohiposa dia an-dalam-pahavitana amin'ity 2020 ity.

- Ny famerenana amin’ny laoniny ny làlana RN5 Toamasina-Fenerive-Est dia eo amperin’asa tanteraka ary vinavinaina ho vita tsy ho ela intsony.

- Ny Kaominina ambanivohitra Mananasy sy Mahavelona ao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana dia efa misitraka koa ny fanatsarana ny làlana.

- Namboarina tanteraka ny tetezana eo Mananjemba RN6.

- Vita ny bac tao Brickaville rehefa simba nandritra ny fotoana maro.

- Vita ihany koa ny fanarenana ny seranam-piaramanidin’Ambatondrazaka. Toy izany koa ny ao Antsohihy.

Amin’ity taona 2020 ity dia toy izao ny laharampahamehana napetraka :

§ Ho fanatsarana ny endriky ny Renivohitr’i Madagasikara sy hampihenana ny fitohanana lavareny dia atomboka ilay tetik’asa fananganana fly-over eo Anosizato sy eo Andohatapenaka.

§ Ho vitaina ihany koa ireto lalam-pirenena ireto : RN14 Ifanadiana – Ikongo - Vohipeno, ampahan’ny RN12 miditra ny tananan’i Farafangana, RN11 Mahanoro-Marolambo.

§ Ny RN23A Anosibe An’Ala dia ezahintsika ny hanatsara azy mba ho azo aleha tsara. Toy izany koa ny RNT15 Ankazoabo – Sakaraha - Beroroha, RNT18 Ihosy – Ivohibe – Vondrozo – Midongy – Befotaka ary RNT19 Katsepy - Mitsinjo – Soalala - Besalampy.

§ Atomboka tsy ho ela intsony ny fanamboarana ny làlana RN6 Ambanja – Antsiranana;

§ Atomboka ihany koa ny fanamboarana ny làlana RN1 Bis Maintirano – Tsiroanomandidy.

§ Amboarina ny làlana ao antampon-tànanan’i Soalala sy ny rindrim-bato miaro ny tànana.

§ Harenina ny làlana RN6 Ambondromamy – Ambanja, RN34 Miandrivazo – Antsirabe, RN35 Malamibandy – Morondava, RN12, RN7, Làlana maro amin’ny renivohitry ny Faritany, Làlana ao antampon-tànan’i Antsirabe, RN43 Analavory – Sambaina, RN5 Fenerivo Atsinana – Soanerana Ivongo.

§ Amboarina ny tetezana Antanamarina RNT19, ny tetezana Antaralava RNT15.

Eo amin’ny sehatry ny Angovo, ity farany ity dia anisan’ny sehatra iray fanoitra hanarenana ny toe-karena ary ahafahana indrindra koa mitondra fampandrosoana amin’ny firenena. Anisan’ny lalan-kevitra noraisin’izao governemanta izao dia ny fidirana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ka ialana tsikelikely amin’ny fampiasana angovo mampiasa solika.

Foibe mamokatra herinaratra mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro tao amin’ny Distrika Ihosy sy Antsirabe no naorina ny taona 2019.

Nisy koa ireo Foibe mamokatra angovo azo avy amin’ny rano (centrale hydroélectrique) no natsangana tao Sarobaratra (Miarinarivo), Ambatomanoina (Anjozorobe) ary ny tao Androka (Ambatondrazaka).

Tontosa ihany koa ny fanamboarana ireo tambazotra herinaratra avy amin’ny masoandro (Mini-Grid solaire) ao amin’ny tanana folo dia ny ao Manombo sy Antanimieva (Toliara II sy Morombe), Ampasina Maningory sy Ampasibe Manantsatrana ary Vohilengo (Fenoarivo Atsinanana), Anjahambe (Vavatenina), Marovato Ouest (Andapa), Bemanevika (Sambava), Ambatonikolahy (Betafo) ary tao Antsampandrano (Ambatolampy).

Distrika enina no voakasika ny fanarenana ny tambazotra fitsinjarana angovo azo avy amin’ny rano dia ao Ambohidratrimo, Amparafaravola, Behenjy, Bealanana, Ambohimahasoa, Brickaville.

Eo amperin’asa koa ny tompon’andraikitra ny fananganana ireo foibe mamokatra angovo avy amin’ny masoandro an’i Mangily sy Anakao (Toliara II) ary ny ao Antsirabe.

Efa miroso amin’ny fampidirana amin’ny tambazotra fanaparihana angovo ny fampiasana angovo fanampiny avy amin’ny masoandro isika amin’ny Distrika Antsohihy, Toamasina, Toliara, Morondava, Sambava, Nosy Be, Andapa, Antalaha, Vohemar sy ao Port-Bergé.

Efa tànana maromaro koa hitantsika fa nanatanterahana na eo andalam-panatanterahana ny fametahana ireo andrin-jiro manazava ny làlana toy ny ao Ambatofinandrahana, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ihosy, Ambalavao, Mananjary, Manakara, Nosy Varika, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano, Mahajanga.

Raha ny asa ho tanterahana amin’ny sehatry ny angovo kosa amin’ity taona 2020 ity dia anisan’ny fanohizana ny fametahana andrin-jiro mba hanazava ny làlana an’ny amin’ny distrika maro.

Ho vatsiana « générateurs hybrides » ny hopitaly sivy amby folo ka ny renivohitrin’ny faritany (Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara ary Antsiranana) no apetraka ho laharampahamehana.

Hatomboka amin’ity taona ity koa ny fampiasana ireo « bornes de paiement » amin’ny fandoavana ny faktioran’ny Jirama. Ireo Distrika lehibe sady renivohitry ny faritany no hanombohana izany.

4. Ny lafiny Sosialy

Eo amin’ny sehatry ny Fanabeazana sy fiofanana ho an’ny rehetra dia miova tanteraka ny fijerin’ny governemanta raha ny fampianarana no jerena noho izy mametraka lalantsaina miainga amin’ny fanorenana sekoly fa tsy lakilasy fotsiny. Ezahina ny hahatonga ny zaza malagasy farany izay betsaka hiditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fampihenana ny elanelan’ny toeram-pianarana sy ny toeram-ponenana.

Ho an'ny taona 2019, nikasa ny hanangana sekoly  manara-penitra isika. EPP miisa telopolo, CEG valo ary Lycée miisa enina. Misy ireo efa vita tanteraka toy ny EPP ao Ambatondrazaka, EPP ao Ifanadiana ary EPP ao Ambositra, ka afaka handraisana mpianatra amin’ny taom-pianarana ho avy. Ny ambiny kosa dia eo andalam-pamitana.

Ny tanjona ho amin’ny taona 2020 dia :

- EPP manarapenitra 30 no hatsangana ao Nosy Be, Ambanja, Antalaha, Andapa, Marovoay, Maroantsetra, Soanerana Ivongo, Sainte-Marie, Maevatanana, Ambohidratrimo, Anjozorobe, Ankazobe, Manjakandriana, Soavinandriana, Ankadinondry Sakay, Foulpointe, Mahanoro, Antanifotsy, Ambatolampy, Faratsiho, Fandriana, Nosy varika, Ihosy, Ampanihy, Morombe, Vangaindrano, Betroka, Amboasary Atsimo, Beloha, Bekily.

- Ny Distrika 119 manerana ny nosy koa dia hananganana efitrano fianarana (salles de classe) efatra avy. Izany hoe 476 efitrano fianarana no hatsangana ihany koa amin’ity taona ity.

- CEG valo vaovao ihany koa no hatsangana amin’ity taona ity ao Sambava, Port-Bergé, Ambatondrazaka, Moramanga, Arivonimamo, Antsirabe I, Antananarivo Atsimondrano, Taolagnaro.

- Lycée enina ao Antsohihy, Mahajanga, Toamasina I, Mananjary, Fianarantsoa ary Ambovombe ihany koa no hatsangana.

- Hotohizana ny fandraisana ho mpampianatra raikitra ireo mpampianatra FRAM.

Ho fanohizana ny fenitry ny fanabeazana ho an’ny rehetra dia ezahina ny fanitarana ny fampianarana ambaratonga ambony mba hanantona hatrany ny vahoaka eny ifotony.

Arak'izany dia naorina nanomboka ny taona 2019 ny Oniversite tamin'ny Faritra maromaro toa an'i Soavinandriana, Morondava, Fenoarivo-Atsinanana, ary Antsirabe.

Amin’ity taona 2020 ity dia hotohizana ny asa fanapariahana ny fianarana ambaratonga ambony ka ny tanjona apetraka dia :

- Ny fananganana Oniversite efatra vaovao any Taolagnaro, Antsohihy, Sambava ary Maintirano.

- Ny fananganana ny trano fonenana sivy vaovao ho an’ny mpianatra izay haorina eto Antananarivo, any Toliara, Antsiranana, Mahajanga, Morondava, Soavinandriana, Fenoarivo Atsinanana, Antsirabe.

- Ny fanarenana ny Campus eny Vontovorona.

- Ny fampitaovana ireo fanorenana rehetra ireo sy ny sampandraharaha tena mila izany ihany koa.

Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay zo fototra ho an’ny olombelona, natao vaindohan-draharaha hatrany ny fahasalamam-bahoaka.

Hopitaly manarapenitra CHRD miisa telo amby ny folo no natomboka tamin’ny taona 2019 any Ambohimahasoa, Analalava, Antsalova, Beloha, Iakora, Ivohibe, Mahabo, Mampikony, Manandriana, Mandritsara, Tanambao Manampotsy, Vohibato ary Vondrozo.

Ny CHRR Maintirano dia marihina fa anisan’ny hopitaly lehibe izay natomboka tamin’ny taon-dasa ihany koa.

Ny fanombohan’ny asa fananganana Unité de transplantation rénale eny amin’ny CHU Andohatapenaka dia natao tamin’ny taona 2019.

Ankoatra ny Hopitaly Manarapenitra dia nanangana CSB II telo amby ny folo ihany koa isika ny taona 2019. Folo ny CSB vita tamin’ny taona 2019 dia ny tao Ambatomitsangana (Soavinandriana), Sendrisoa (Ambalavao), Ranohira (Ihosy), Mahatsara (Ambatondrazaka), Ambonivohitra (Ambatondrazaka), Talatanangavo (Ankazobe), Manjarivo (Manakara), Motombositra (Beloha), Antetezamintsina (Andapa), Ankaratra (Ambilobe). Ny mbola tsy vita dia ny any Ambodirano (Vondrozo), Bekodoka (Besalampy) ary Manja.

Amin’ity taona 2020 ity dia ezaka maro no hatao dia :

- Ny fametrahana ny mpiasa sy ny fitaovana amin’ireo fotodrafitrasa vaovao.

- Ny fanorenana CSB ao anatin’ny Distrika dimy indray dia ny ao Sampoina (Ambovombe), Antselibe (Beloha), Marovato (Tsihombe), Beahitsy (Ampanihy) ary Maroalipoty (Ambovombe).

- Ny fananganana toeram-ponenana manarapenitra ho an’ireo mpitsabo sy tompon’andraikitra any amin’ireo toerana lavitra mba hamporisihina azy ireo amin’ny asany. Noho izany dia trano fonenana any amin’ireo Distrika miisa sivy amby telopolo ireo no hatsangana ao Maintirano, Ambatomitsangana (Soavinandriana), Sendrisoa (Ambalavao), Ranohira (Ihosy), Mahatsara (Ambatondrazaka) Ambonivohitra (Ambatondrazaka), Talatanangavo (Ankazobe), Manjarivo (Manakara), Motombositra (Beloha), Antetezamintsina (Andapa), Ankaratra (Ambilobe), Ambodirano (Vondrozo), Bekodoka (Besalampy) Manja (Manja), Sampoina (Ambovombe), Maroalipoty (Ambovombe), Antselibe (Beloha), Marovato (Tsihombe) ary ny ao Beahitsy (Ampanihy).

- Ny fanamboarana logements administratifs ho an’ireo mpitsabo sy tompon’andraikitra amin’ireo hopitaly manarapenitra vao hajoro izay miisa telo ambin’ny folo ka hisitraka an’izany ireto distrika ireto : Antsalova, Beloha, Mampikony, Manandriana, Iakora, Alakamisy Itenina, Vondrozo, Ambohimahasoa, Analalava, Mandritsara, Ankilizato, Ivohibe, Antanambao Manampotsy.

- Ny fampitaovana ny bloc opératoire ao Mahavoky Atsimo, Mahajanga.

- Ny asa fanarenana ny ao amin’ny Centre de rééducation motrice ao Antsirabe, ny Service Pédiatrie ao amin’ny CHU Place Kabaro Antsiranana, ny Salle de rééduction CHUAM.

- Ny fandraisan’ny fanjakana an-tànana manontolo ireo soins d’urgence an’ireo marary tonga tampoka eny amin’ny service d’urgence amin’ireo hopitaly CHU amin’ny renivohim-paritany enina eto amintsika.

- Ny fampitaovana maro ho an’ny CHU vitsivitsy dia ny ao Ambohimiandra (Antananarivo), Fenoarivo (Antananarivo) ary ny bloc maternité ao Tambohobe (Fianarantsoa).

- Ny asa fanarenana ny hopitaly manarampenitra miisa enina izay efa ampiasaintsika ankehitriny.

Ao anatin’izao fotoam-pahamehana ara-pahasalamana izao dia betsaka ny ezaka sy fepetra noraisina mba hiadiana amin’ity COVID19 ity. Ambava ady tamin’izany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny. Ny fanafody CVO fanefitra sy entina mitsabo ny COVID19 dia tombondahiny lehibe ho antsika Malagasy. Paikady efa mari-pototra eto amin’ny firenentsika ny fampiasana ireo antsoina hoe raokandro nohatsaraina (remèdes traditionnels améliorés na RTA) ka nahafahana avy hatrany namokatra fanefitra niainga avy amin’ny artémesia.

Eo amin’ny sehatry ny rano fisotro madio dia distrika maro manerana ny nosy no nijaly rano nandritry ny fotoana maharitra satria tsy ampy ny fampitaovana maharitra ho amin’izany kanefa ny isan’ny mponina sy ny tanan-dehibe dia nitombo hatrany.

Amin’ity taona 2020 ity dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hanao fampitaovana amin’ny distrika mihoatra ny telopolo amin’ny àlalan’ny asa fanorenana na fanitarana foto-drafitr’asa na fampitaovana ireo forages efa vita na fanatsarana ny fitsinjarana ny rano fisotro madio any amin’ny mponina any ka voakasika amin’izany ireto distrika ireto : Soalala, Kandreho, Ampanihy, Manja, Fenoarivo Atsinanana, Taolagnaro, Manakara, Betroka, Betioky, Soavinandriana, Mahajanga I, Mahabo, Nosy Be, Belo sur Tsiribihina, Bekily, Ambovombe, Beloha, Ankazoabo, Antanifotsy, Farafangana, Tsihombe, Antsalova, Ambalavao, Mandritsara, Fenoarivobe, Miandrivazo, Mananara Avaratra, Mampikony, Sakaraha, Besalampy, Ivohibe, Ifanadiana, Morafenobe, Vatomandry ary Miarinarivo.

Ny eo amin’ny trano fonenana sy ny famoronana tànana vaovao dia hatomboka amin’ity taona ity ireo fanorenana trano fonenana ho an’ny daholobe (logements sociaux) ka toeram-panorenana folo no hisitraka izany ao anatin’ireto distrika ireto : Toliara I, Fianarantsoa I, Antananarivo, Toamasina I, Antsiranana I, Mahajanga I ary Antsirabe I.

Efa miatomboka sy mitohy amin’ity taona ity ihany koa ny fanadihadiana amin’ireo toerana hananganana tanàna vaovao ankoatra ny Antananarivo.

Eo amin’ny lafin’ny fiahina ny mponina, ny fiahina ara-tsosialy ay ny fampivoarana ny vehivavy dia toy izao ny ezaka efa natao tamin’ny taona 2019 :

- Fananganana trano 74 ho an'ny fametrahana vondrom-piarahamonina ho an’ny fianakaviana marefo any Antsapanimahazo, Antsirabe II

- Fananganana trano ho an’ny olona sahirana any Ambohijafy, Toamasina I.

- Fananganana ivontoerana fikarakarana an'ireo niharan'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy (GBV) eto Antananarivo II.

- Fanatsarana birao-mpanjakana hanatsarana ny asa ny Minisitera misahana ny Mponina any Antsiranana I, Antsohihy, Vangaindrano, Vatomandry

- Fananganana birao-mpanjakana hanatsarana ny asa ny minisitera ny mponina any Mahanoro, Sonierana Ivongo, Sainte-Marie, Fenerivo Atsinanana.

Amin’ity taona 2020 ity dia ezaka maro no hotontosaina toy ny :

- Fanokafana ny Toeram-pisakafoanana “kaly Tsinjo” ho an’ny marefo ara-pivelomana amin’ireto distrika ireto : Antananarivo Renivohitra, Ambovombe Androy, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary, Betroka, Ampanihy, Toliara, Toamasina, Fianarantsoa.

- Fananganana birao-mpanjakana hanatsarana ny asa ny Minisitera ny Mponina miisa valo amby roapolo any Antanambao Manampotsy, Andilamena, Vohibato, Isandra, Nosy Varika, Ikongo, Bealalana, Mampikony, Ihosy, Antsiranana II, Mananara Nord, Mahajanga II, Soalala, Maevatanana, Besalampy, Morombe, Benenitra, Ankazoabo, Manandriana, Miandrivazo, Morondava, Fenoarivobe, Mandoto, Andapa, Soavinandriana, Midongy Atsimo, Befotaka Sud, Vondrozo.

- Fananganana ivo-toerana fandraisana an-tànana sy fanofanana ireo olona manana fahasembanana miisa efatra any Toamasina, Manakara, Morondava, Moramanga.

- Fananganana ivo-toerana fikarakarana ireo zokiolona miisa enina any Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara.

- Fananganana ivontoeran fandraisana vonjimaika ny ankizy tsy misy mpiahy any Nosy Be, Antalaha.

- Fananganana ivontoerana fikarakarana an'ireo niharan'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy (GBV) miisa dimy any Ambovombe, Ihosy, Farafangana, Mahajanga II, Antananarivo.

- Fananganana ivontoerana fihainona sy fanoloran-kevitra araka ny lalàna miisa telo any Beloha, Amboasary Sud, Miarinarivo.

Eo amin’ny fampivoarana ny Tanora dia efa natao ho fenitra ny fametrahana ny tanora Malagasy amin’ny toerana mendrika. Ny fanatanjahantena dia fitaovana iray lehibe entina mampiseho ny firaisam-pirenena sy ny hambompom-pirenena Malagasy.

Distrika telo no nisitraka ny fanorenana kianja manarapenitra lehibe afaka mandray mpijery dimy arivo sy iray alina tamin’ny taona 2019 dia ny tao Toamasina, Antsiranana sy Morondava. Eo andalam-pahavitana izy ireo ankehitriny.

Ny gymnase ao Antsirabe dia eo andalam-pahavitana ihany koa. Toeram-pilalaovana tsipy kanetibe roa no naorina tao Toamasina sy Mahajanga tamin’ny taona 2019.

Narenina ihany koa ny tao amin’ny ANS Ampefiloha. Nisitraka birao vaovao koa ny DRJS Morondava. Ary nitarina ny efitrano malalaky ny Tranobe ny tanora (Maison des jeunes) ao Morondava ihany.

Eo am-panamboarana ny kianjabe Barea etsy Mahamasina isika.

Hatomboka tsy ho ela ny fanorenana gymnases telo afaka mandray mpijery efatra arivo ao Mahajanga, Toliara ary Toamasina ary gymnases dimy amby ny folo afaka mandray mpijery arivo amin’ny distrika samihafa dia ny any Mahanoro, Ampanihy, Vohémar, Ikongo, Maintirano, Betafo, Antsohihy, Ihosy, Manakara, Farafangana, Taolagnaro, Ambovombe, Fenerive-Atsinana, Mandritsara ary ao Sambava.

Ankoatra ireo gymnases dia hisy koa ny fanorenana dobo filomanosana olimpika (piscines olympiques) roa any Mahajanga sy Toliara.

Eo amin’ny lafin’ny Serasera sy Kolontsaina dia efa maro ireo asa fanatsarana ireo sehatra ireo ka ao anatin’izany ny fanomboan’ny fanamboarana fotodrafitr’asa sy ireo fampitaovana isan-tsokajiny. Ezahina ny hitohizan’ireo asa ireo amin’ity taona 2020 ity.

Natao ezaka manokana ny fanatsarana ny fandraisan’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy ny haino amanjerim-bahoaka.

Fanorenana Blocs techniques tany amin’ny distrika miisa fito no tontosa tamin’ny taona 2019 dia ny tao Brickaville, Ambovombe, Ihosy, Ambositra, Manakara, Amparafaravola ary ny tao Malaimbady.

Narenina ihany koa ny birao sy ny toerana fampielezana sary sy feo an’ireo sampandraharahan’ny TVM/RNM any amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ambatolampy, Mandoto, Toamasina, Vatomandry, Ambatondrazaka, Manandriana, Antsiranana I, Morondava ary ny tao Belo sur Tsiribihina. Efa vita tanteraka izany ankehitriny ary efa misitraka azy ny any amin’ireo toerana ireo.

Natomboka ny asa fanarenana sy fanatsarana toerana manan-tantara ao amin’ny Distrika enina ka misy ny amin’izireo efa notontosaina tamin’ny taona 2019. Ny Rovan’Antongona, ny Rovan’Ambositra ary ny Vohitr’Ambohimanga, ny Maison Nathan ao Toamasina I, ny Manda ao Mahavelona, ny Trano nonenan’i Praiministra Rainilaiarivony ao Amboditsiry, ny Rovan’Ilafy, ny toeram-pitsarana eo Ambatondrafandrana Andohalo, ny Fasan-dRainiharo eo Isoraka ary ny Musée ao Moramanga no voakasika amin’ireo asa fanarenana ireo.

Efa mandeha ihany koa ny fanavaozana ireo vakoka ara-kolontsaina sy ara-tantara maro misy eran’i Madagasikara. Vakoka miisa iraika amby ny folo amin’ny distrika samihafa no hotanterahana amin’ity 2020 ity. Ny didim-panjakana laharana 2020-350 tamin’ny 16 Marsa 2020 no mametraka ireo mpikambana ao amin’ny Komity Siantifika izay miara-miasa amin’ny Ministera misahana ny Kolotsaina amin’ny fanantaterahana ireo asa rehetra ireo. Tsongaina manokana amin’izany ny asa fanarenana ny Rovan'i Antananarivo.

Efa tontosa koa ny fanorenana ireo Maisons de la Culture et de la Communication izay natomboka tamin’ny taona 2019 tao amin’i Distrikan’i Antsiranana I, Mahajanga I, Toamasina I, Fianarantsoa I ary Toliara I.

Distrika maro no hisitraka ho an’ity taona 2020 ity ny fanavaozana sy ny famatsiana fitaovana eo amin’ny sehatry ny serasera ka roa amby ny folo sahady no hananganana stations audio-visuelles dia ny any Anosibe An’Ala, Ambatondrazaka, Mahabo, Antsirabe I, Brickaville, Taolagnaro, Ambovombe, Ihosy, Faratsiho, Ifanadiana, Miandrivazo ary Mahabo ary Distrika folo hananganana Pylônes ahafahana miroso amin’ilay diffusion numérique dia ny ao Antanifotsy, Fianarantsoa, Ambositra, Mananjary, Toamasina, Ambatofindrahana, Manakara, Ifanadiana, Toamasina I, Morondava.

Tiako ny manentana ny mpiray tanindrazana ny amin’ny tokony hamehezanan-tena eo amin’ny tsiraray mba tsy ho fitaovana fanelezana vaovao tsy marina, fanakorontana ny saim-bahoaka amin’ny alalan’ireo tranga tsy voamarina eny amin’ireny tambazotra ireny. Mankasitraka hatrany ny tenako amin’ny fahatongan-tsaina izay efa hita taratra eny amin’ireny tambazotra sosialy ireny ka betsaka no miezaka manitsy ny diso sy ny tsy mari-pototra.

Ramatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ialana tsiny raha somary lavalava ihany ny tatitra natao satria isika teto anivon’ny Antenimieram-pirenena no anisany nitaky izany nohon’ny anjara andraikitra sahaninareo eo amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanantanteraka.

Misaotra anareo tokoa izahay fa ireo asa maro ireo no natomboka na efa vita sahady dia teo dia teo ny fiarahamiasa napetratsika mba hampahomby ny fanarenana ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara mamintsika.

Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika omaly dia hisitraka fotodrafitrasa fampandrosoana avokoa ny Distrika tsirairay eto Madagasikara manomboka izao. Ary hataon’ny governemanta fanamby ny fanantanterahana izany.

Ilaina ihany koa ny fahaizana mandrindra ny fientanana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ireo. Izany zotram-pampandrosoana lalaintsika izany dia mametraka antsika eo amin’ny toerana izay tokony hanandratantsika hatrany ny maha-izy antsika Malagasy sy maha-izy an’i Madagasikara. Ny diplomasia Malagasy dia hanampy betsaka ny amin’izany ka izay no hanaovantsika ezaka manokana mba hanatsarana ny endriky ny masoivohontsika any ivelany manomboka amin’ity taona ity.

Eto am-pamaranana dia manantitra ny tenako ny fahavononan’ny governemanta amin’ny fanohizana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Na dia eo aza ny fahasahiranana fanampiny entin’ilay valan’aretina COVID-19 dia mampanantena ny Governemanta manontolo fa hanao ny ainy tsy ho zavatra hanatanterahana ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika.

Misaotra indrindra anareo rehetra ny tenako nampiantrano sy nandray izao famelabelarana izao.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Mis à jour ( Mardi, 16 Juin 2020 07:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024