]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile Madagasikara SeFaFi. Fitondrana matavy resaka fa manify fiasa

Madagasikara SeFaFi. Fitondrana matavy resaka fa manify fiasa

Karatra mena tokoa ho an'ilay filoha voafidim-bahoaka


SeFaFi – Fanambarana an-gazety

NY NANTENAIN-KO AZO VOTSOTRA TAMIN’NY REPOBLIKA FAHA-IV

Nangina efa ho enim-bolana ny SeFaFi rehefa avy niarahaba ny filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV 1. Nandritra izay fotoana izay dia nisy olona roa tao aminy voaantso hisahana andraikitra politika izay tsy afa-miaraka amin’ny maha mpikambana azy ato amin’ny SeFaFi, dia: Rakotoarisoa Jean Eric lasa mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, sy Horace Gatien lasa minisitry ny Asa, ny Fampianarana Tekinika ary ny Fiofanana araka Asa.

Rehefa nisaraka tamin’izy ireo ny SeFaFi dia nitsodrano azy mirahalahy hahomby tanteraka amin’ny fanatontosana ny andraikiny avy. Izany akory tsy manakana ny SeFaFi tsy hanana ny fahafahana rehetra ilainy hoenti-manatanteraka ilay andraikitra maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena azy, satria izy tsy mila ranondranony amin’ny fitondrana ary tsy mila tambiny amin’ny mpanohitra. Miorim-paka any amin’ny fiarahamonim-pirenena ny SeFaFi ka ny hany fikasany dia ny handray ny andraikitra takian’ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena : miampanga ny tsy mety sy ny fanararaotana, mampibaribary ny banga sy ny mifanipaka, manolotra vahaolana hisafidianana. Io fitsikerana io dia tsy telin’ny mpanararaotra sy ny be tetika, nefa io dia tena fototry ny demokrasia, tahaka ny fahafahan’ny fanaovan-gazety.

Rehefa nanao ny fianianany ny filoha Rajaonarimampianina ny 25 janoary 2014 dia velom-panantenana indray ny vahoaka efa tsindrian-daona hahita ny mpanao politika hiditra amin’ny fanao madio kokoa. «Fanantenana mahatalanjona no nentin’ny vahoaka malagasy namarana ny taona 2013 : fifidianana demokratika notohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no namaranana ny krizy nifandimby. Io firaisana tamin’ny somambisambin’ny taona 2014 io dia fambara tsara ho an’ny firenentsika. Ho taonan’ny fihavaozan’ny daholobe ity taona ity, eo ambany fanevan’ny Hery vaovao tonga mitsoka eto Madagasikara», tenin’ny Filohan’ny Repoblika izany tamin’ny kabariny fony izy napetraka tamin’ny toerany. Malina dia malina ny SeFaFi ka nampitandrina ny mba tsy hiverenana intsony amin’ny fanao taloha ka nampahatsiahy ny olona nilatsaka hofidiana solombavambahoaka ny fepetra hampisy ny tena fihavaozana marina: «Mba hamerenana ny fitokisana ary hanehoana fa tena misy tokoa ny fiovana, dia tokony hanefa ny adidiny an-tsakany sy an-davany ny solombavambahoakavaovao» 2.

1 « Aorian’ny fifidianana, fananganana ny rafi-pitondrana sy fampihavanana », 11 fevrie 2014.

2 Idem.

Enim-bolana aty aoriana, sadaikatra dia sadaikatra ny olona satria efa fahoviana izay mbola tsy hita soritra ihany ilay fiovana nampanantenaina. Amidy ny rariny, manjaka ny kolikoly, tsy miafina izany ; miharihary ny tsy fifanarahana sy ny fisamatsamahana, hitam-poko hitam-pirenena ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy sy ny tsy firaharahany ny tombontsoa iombonana.

Miverina lasa takalonainan’ny raharaha maizimaizina ataon’ny mpanao politika indray ny vahoaka. Ary na mbola resahina aza izany hoe fampihavanana izany dia zary lasa fanentanana poaka aty tsy misy fampiharana azo tsapaintanana.

Ahoana Ă ry no nahatonga izany ?

Antenimirem-pirenena tsy mahavita azy ary matim-bola

Toa mba nazava ihany ny raharaha taorian’ny fifidianana filohan’ny repoblika sy solombavambahoaka. Nisy ny maro an’isa tao amin’ny Antenimiera, nahatratra vato 76 izy ireo ka ny solombavambahoaka 49 avy ao amin’ny sokajy MAPAR (mpomba an-dRajoelina) ary ny 27 avy ao amin’ny Sokajina Parlemantera Manokana, solombavambahoaka mahaleo tena (notanana ho tsiambaratelo ny anarany). Tsy henatra tsy tahotra fa avy hatrany dia nobodoin’io maro an’isa io daholo ny toerana rehetra, nanomboka tany amin’ny an’ny filohan’ny Antenimiera ka hatrany amin’ny an’ny vaomiera parlemantera rehetra. Ny nanolotra ny kandidany ho Praiminisitra any amin’ny Filohan’ny Repoblika sisa no nandrasany, araka ny andininy 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Dia nipoitra teo izany hoe PMP (Plate-forme pour la Majorité Présidentielle), sokajy bemiray nahitana solombavambahoaka 95 avy amina antoko nifidy na tsy nifidy ny Filoha voafidy, nisy koa ny mahaleo tena (tsy nisy nambara ny anarany na iray aza).

Rehefa natambatra ireo maro an’isa roa momba ny filoha ireo, dia noheverina fa mahatratra 171 ny isan’ny solombavambahoaka, nefa ny olona tsy nifidy afa-tsy 147 - nisy fifidianana 4 tsy maintsy naverina mantsy ! Mazava loatra, naongan’ny PMP avy hatrany ramatoa filoha, ary raha vao tafapetraka ny birao dia olona vaovao miandany aminy tanteraka daholo no nofidiany. Izany hoe, nolaviny ilay maro an’isa voafidy (MAPAR), nataony izay hamoronana maro an’isa vaovao (PMP), nataony koa izay hananganana vondrona parlemantera HVM misy mpikambana 30 na dia tsy nisy afa-tsy tokana aza ny solombavambahoaka HVM lany, vokatr’izany ankehitriny ny fitondrana dia eo ambany vahohon’ny vondrona solombavambahoaka afaka manao ny danin’ny kibony ka ny tombontsoany sisa no mibaiko azy. Efa nisy fitsipaham-pitokisana roa narangaranga mba voasakana ihany, nisy fitakiana tombontsoa mihoa-pampana, misy solombavambahoaka mivarotra ny safidiny amin’izay mahatolotra (vola) be indrindra, izany no zavabita nandritra ny fivoriana voalohany nataon’ny Antenimieram-pirenena.

Ny solombavambahoaka mantsy tsy natao hisahana asa sosialy any amin’ny faripiadidiany (nefa dia izany no lazainy ho antony angatahany fanondrotan-karama) fa izy dia natao hifidy ny lalànan’ny Repoblika ary hanara-maso ny fanjakana mpanatanteraka.

Sahirana mafy ny Antenimera tamin’ny fivoriany voalohany vao afaka nankatoa volavolan-dalàna valo, saingy nisy raharaha lehibe sy maika hadinony : ny lalàna manitsy ny toe-bola sy ny fepetra hifehy ny fifidianana ben’ny tanàna tokony hatao amin’ity taona ity. Ny fanemorana izany fifidianana izany ho amin’ny taona hoavy dia tena fanitsakitsahana ny lalàna, satria efa roa taona izao no tapitra ny fe-potoana niasan’ny mpitondra ny tanàna voafidim-bahoaka, ary mampiseho koa fiahiahiana ny olom-pirenena. Etsy an-daniny anefa dia fotoana lava dia lava no lany namariparitana indray ny tombontsoan’ny solombavambahoaka : karama, tambin-karama samihafa, taratasin-dasantsy, fahana ho an’ny telefona, fiara tsy mataho-dalana, pasipaoro diplomatika, sns. Noho ireny dongidongy ireny dia voatery hanao fivoriana tsy ara-potoana izay tena mandany volam-panjakana tsy hita noanoa saingy fidiram-bola mitondra tombony be ho an’ny solombavambahoaka. Miharihary fa tsy mihevitra afa-tsy ny tombony ho an’ny tenany manokana ry zareo ireto, tsy misy fantany ny mikasika ny andraikiny amin’ny maha mpanao lalàna azy ho an’ny tombontsoa iombonan’ny firenena.

Inona no mety ho hita amin’izao savorovoro maizimaizina izao ? Iza ny solombavambahoaka sahy hampahalala ny olona nifidy azy ny safidy nataony tamin’ny anarany ? Iza ny tompon’andraikitra politika sahy hanery ny vondrona voatondro hamoaka ny lisitry ny mpikambana ao amin’ilay lazaina fa vondrona maro an’isa ? Nefa dia izany no tamberin’andraikitra faran’izay tsotra indrindra tsy maintsy ataon’ny olom-boafidy amin’ny olona nifidy azy. Mbola loza lavitra noho izany, ireny fihetsika ireny dia mampiharihary ny ny tsy fahalalana ilay singa iray tena fototry ny demokrasia : ny fitohizan’ny Fanjakana izay mitaky ny hiantsoroan’ny fahefana ny asa natomboky ny teo alohany. Avy aiza àry io haromotana hitsipaka izay rehetra vita teo aloha io ka hamerina ny zavadrehetra hatramin’ny fotony indray ? Efa nanana fitsipika nifehy azy ny Antenimieram- pirenena : nahoana ilay izy no ovaina indray ? Efa nitombina tsara ny isan’ny vaomiera parlemantera : nahoana no nampitomboina ka natao avo roa heny amin’ny isan’ny ministera ? Ireny kilalaon-jaza ireny dia mampiharihary ny tsy fahamatorana politikan’ireto ambara ho solontenantsika vahoaka ireto. Indrisy anefa fa dia hita any amin’ny sehatry ny fiainam-panjakana rehetra izany, na ny momba ny fitsinjarana ny ministera izany na ny fanoloana ny teknisiana ao amin’ny fitondram-panjakana.

Fitondrana matavy resaka fa manify fiasa

Ny mampiavaka ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny fisantarany ny asany dia ny fitavozavozany rehefa manapaka hevitra. Tsy nofaritan’ny Lalàmpanorenana ny fe-potoana hanendrena ny Praiministra, dia tsy notanterahina izany raha tsy roa volana taorian’ny nametrahana ny filohan’ny Repoblika teo amin’ny toerany. Toy izany koa, nihoatra ny roa volana ny ministra vao nahatsangana ny ekipa miara-miasa aminy. Nefa dia toa afa-po amin’izany ny fitondrana, sanatria ohatra ny tsy miraharaha ny andavanandron’ny mponina sy ny tena olana mianjady amin’ny firenena. Mandrak’androany, ireo fivorian’ny minisitra intsivy (18 avrily, 2 mey, 9 mey, 14 mey, 21 mey, 28 mey, 4 jiona, 19 jiona, 24 jiona) natao taorian’ny nananganana ny governemanta Kolo Roger, dia natokana tamin’ny ankapobeny ho an’ny fanendrena ny Mpiasam-panjakana Ambony.

Ankoatra ny fanokanana vola ho an’ny toeram-piasana 10.000 ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ho an’ny taona 2014 dia tsy nisy fiantraikany mivantana teo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa izay fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany na dia iray monja aza, io anefa no tena vaindohan-draharahany. Tsy misy na inona na inona natao mba hiteraka fitokisana, tsy misy na inona na inona natao mba hamelomana ny fanantenana fihavaozana marina fa dia vitan’ny fampanantenana lava fotsiny. Sesimototra ny fanambarana sy ny kabary miendrika fampielezan-kevitra, izao anefa efa tsy fotoanan’ny fitaomana mpifidy intsony, saingy ezahina ny mba hiheveran’ny

Malagasy fa tena miasa ny governemanta. Ndao anie hisintona ohatra vitsivitsy misongadina.

Ny raharahan’ny andramena

Raha nandray ny fahefana ny filohan’ny Repoblika dia nanambara fa handray an-tanana manokana ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena. Nohizingizininy fa tsy handefitra intsony amin’ny gaboraraka izy ary tsy hihambahamba hanafay. Tamin’ny 3 jiona teo, tamin’ny fanombohana ny fifanakalozan-kevi-pirenena momba ny Fitomboana maitso dia niteny mafy sy mazava izy hoe : « Hataontsika haza lambo ireny mpanondrana antsokosoko ireny, na aiza na aiza misy azy ». Nandritra izay enim-bolana farany izay anefa, vao mainka koa nitombo ny fanondranana io hazo sarobidy io. Nanomboka ny mey ka hatramin’ny jiona, nahatratra 34 ny kaontenera nitondrana andramena 640 taonina tratra tany amin’ny seranan’i Mombassa, Kenya, 28 ny kaontenera nitondrana andramena 420 taonina tany Colombo, Sri Lanka, ary 3 000 taonina tany Singapour. Raha ny hita aloha dia toa tsy misy rototra hamongotra io zava-doza io, tsy misy mihitsy mantsy safidy politika tsikaritra mankamin’izany, fa ny tsapa dia toa miahotrahotra hampihatra ny fepetra tokony horaisina ny fitondrana - toy ny fisamborana ny mpanondrana an-tsokosoko izay mbola manohy manapaka sy manondrana andramena tsy amin’ahiahy ihany. Misy tombontsoa manokana voatohintohina ve ka mampihambahamba ny fitondrana, araka ny siosion-dresaka mandeha etsy sy eroa ?

Ny didy navoaka manangana Komity iraisan’ny ministera miandraikitra ny fanadiovana ny sampana andramena sy ny hazomainty dia tsy lany raha tsy tamin’ny fivorian’ny ministra ny 24 jiona farany teo, ary asa na fifandrifianjavatra na ahoana, fa izany dia indray andro mialoha ny fivoriana faha-65 nataon’ny komity maharitry ny CITES, tany Genève, tamin’io ny governemanta malagasy no nanolotra ny paik’adiny - izay tsy nahazo fankatoavana. Ilay paik’ady notapahina dia ohatra ny natao vonjy tavan’andro fotsiny satria tsy nilaza afa-tsy ny fanapahan-kevitra mahonena handorana ny bolabola efa « lo » sy nangonina any amin’ny faritra tsy misy lalana. Nefa dia ampy dia ampy ny seho marim-pototra ahafahana manokatra fanadihadiana sy mampiditra fitarainana hanenjehana ny tena « rangory fototry ny afo » 3.

Fahalalahan’ny fanehoan-kevitra

Ny zava-misy rehetra dia manamarina fa sahirana ny fitondrana hiala amin’ny fanao mahazatra ny politika nandritra izay am-polo taonany maro farany izay, na dia efa nampanantena rivo-baovao aza izy amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Tsy tantiny mihitsy ny tsikera fa heveriny hatrany ho fanohintohinana. Ny vaovao an-tsary avoakan’ny televizionam-pirenena, matetika, dia fitaterana fotsiny ny fandaharam-potoana sy ny dian’ny mpitondra na eto an-toerana na any ivelany, na ny seminera sy ny dinik’asa mandrakariva mampatory andraisan’ny filoha sy ny mpikambana amin’ny andrim-panjakana anjara. Manamafy io firehana io ny nanafoanana ny feon-gazety ao amin’ny TVM.

Ny asan-jiolahy

Iray amin’ny vaindohan-draharahan’ny fitondrana ny ady amin’ny asan-jiolahy. Nisy ezaka natao raha tsy hilaza afa-tsy ny tetik’ady « coup d’arrêt » tany atsimon’ny Nosy. Fa na dia nitarina nankany amin’ny faritra hafa aza io tetik’ady io dia tena mbola tsy voafehy mihitsy ny toe-draharaha, indrindra moa fa voalaza ho famonoana olona tsotra izao izany fahafatesana dahalo 89 izany fa tsy dia famerenana ny filaminana loatra. Any amin’ny faritr’i Melaky dia mandry tsy lavo loha andro aman’alina ny mponina fa ampihorohoroan’ny andian-jiolahy izay tsy mihambahamba intsony mamono ny saofera mba hanendahana ny mpandeha taksiborosy. Any amin’ny tanàn-dehibe, ny takila voalohan’ny gazety mpiseho isan’andro fotsiny dia efa ampy hahalalana ny fihanaky ny asan-jiolahy.

3 Tatitry ny fanadihadiana momba ny fivarotana eran-tany ny hazo sarobidy malagasy : andramena, hazomainty, voamboana, Global Witness et Environmental Investigation Agency, Inc. (États-Unis), oktobra 2010.

Ny delestazy

Nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary taorian’ny nisalorany ny andraikitra, ny filoham-pirenena dia nampanantena fa hanafoana ny delestazy ao anatin’ny telo volana raha ela indrindra. Efa enim-bolana izay no lasa, nefa mbola mitombo hatrany ny fahatapahan-jiro, na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny tanàna lehibe any amin’ny faritra.

Ny fiompiana an-drano

Ny sampana fiompiana makamba izay mpampidibola vahiny voalohany ho an’ny firenena hatry ny ela be dia traboina tanteraka noho ilay aretina antsoina hoe white spot. Ilay ministra tompon’andraikitra ny amin’izany anefa mbola tsy niresaka na oviana na oviana an’io olana io.

Ny mpanohitra

Mbola andrasana foana ny famoahana ny didy fampiharana ny lalàna mikasika ny satan’ny mpanohitra izay tsy isalasalana ny maha maika azy.

Main’ny afo natsangany ny Filoha

Noho izy nampitambatra tao amin’ny governemanta ireo nanohana azy sy ireo nifanandrina taminy nandritra ny fifidianana filoha farany teo, noho izy nisafidy ny hanome toerana ny rehetra tahaka ireny hoe tsy hisy fiantraikany ara-politika ireny ny fifidianana solombavambahoaka, dia ny fitondrana ihany no nisantatra ny tetika nitondra ny tsimok’aretina hamono azy. Nety kokoa ho an’ny mpifanandrina ara-politika omaly ny nirotsaka ho mpanohitra manorina, satria tandindomin-doza ny demokrasia tokam-pirehana raha tsy misy fanoherana tsara rafitra. Ny vokany dia ho voadidina mpanasohaso ny filoha. Ireo mpanararaotra mahazatra izay niseho lany tamin’ny fitondrana nifandimby dia tsy mitsahatra mitady voninahitra sy tombontsoa. Ireo mpitady toerana izay, arakaraka ny fandehan-draharaha, tonga teny amin’ny manodidina azy akaiky, dia migoka ny tsiron’ny fahefana ankehitriny fa nahazo toerana misahana andraikitra ambony.

Noho izy miankina amin’ny namana sy ny karilahy sy karivavy dia voafatotra tongotra aman-tanana ny Repoblika. Dia io fa tena fiverimberenana tsy misy farany tokoa ny Tantara.

Nataon’ny Filoha ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly. Fa ny BIANCO ve (Birao Mahaleo tena Miady amin’ny Kolikoly), izay ny filohan’ny Repoblika no manendry ny Tale Jeneraliny, mba ho afaka hanao fanadihadiana hatrany amin’ny fitondrana fara tampony ? Any amin’ny sehatra hafa, dia noresahina, tato ho ato, ny fanambarana ara-potoana ny harena maintimolaly, izay takiana amin’ny « sokajin’olo-manan-kaja ambony sy ny mpiasam-panjakana ambony sasany » (lalàna 2004-030) ary, araka ny andininy 41 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiministra sy ny Ministra, ny solombavambahoaka sy ny loholona, ary ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Fa hatao inona moa io tabataba eny amin’ny haino aman-jery io, nefa voarara ny famoahana izany fanambarana izany? Ny dikan’izany dia ambara amin’ny olom-pirenena fa tsy tokony hahalala ny momba ny harenan’ny mpitondra azy izy, na dia hita izao aza fa tsy asa mendrika sy mifanaraka amin’izay takian’ny lalàna mihitsy akory no nahazoan’ny sasany harembe miavosa tao anatin’ny fotoana fohy.

Toraka izany koa, misy ny fironana hizara ny tombontsoa avy amin’ny fananana fahefana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany, izany dia manohitra izay kabary tsara lahatra indrindra momba ny mangarahara. Na ny fanendrena havana hisahana andraikitra izay tsy sahaza velively ny fahaizany, na ny fanararaotana hanome ho an’ ny olona ao amin’ny fianakaviany ny tombontsoa sasany, toy ny fivoahana any ivelany, izany rehetra izany dia asa tokony hohelohina atao hoe nepotisma. Ny tompon’andraiki-panjakana izay mihevitra ny tombontsoan’ny fianakaviany na ny fokony alohan’ny ny an’ny firenena dia mampiseho fa tsy mahalala izany tombontsoa iombonan’ny besinimaro izany mihitsy izy na dia kely aza. Ekena aloha fa tena lalim-paka ao amin’ny fomba amam-panaontsika mihitsy io zava-doza io, na any amin’ny sehatry ny fanjakana na any amin’ny tsy miankina ary manenika ny ambaratongam-pahefana rehetra. Tsy antony tokony hahatonga ny mpitondra antsika ho tsy azo kianina momba io toe-javatra io ve izany, ka izy mihitsy no hanome ny ohatra tsara ?

Ary farany, ny ankamaroan’ny fahefana dia mivangongo any an-tanan’ny olona akaiky ny Filoha izay vovonana iadian’ny lohany ao amin’ny antokony dia ny HVM. Ny Minisi-Panjakana misahana ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana ary ny Fanazariana ny Tany, ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Prezidansa no mitantana ny antoko, ity voalohany no Prezidà nasionaly ary ity faharoa Sekretera Jeneraly. Ny mahazo toerana ao amin’ny birao nasionaly dia ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ary ny ankamaroan’ny mpanolotsaina ny Filohan’ny Repoblika. Misy manampahefana ambony manodidina akaiky ny Filoha sy ny HVM notendrena vao haingana ho mpikambana ao amin’ny Filankevipitantanana ny Kompaniam-pirenena Air Madagascar. Hita amin’izany fa ny firafitry ny fitondrana dia namboarina hifanaraka amin’ny teti-pifidianan’ny HVM.

Lasan’io antoko io ny departemanta goavan’ny ministera izay nahatonga ny ministera sasany ho anarany fotsiny toy ny lovian-tsahona sisa, toy izany koa ny ministera izay efa fantsakana politika ho an’ny fitondrana rehetra nifandimby.

Raha tsorina dia miala an’Ankatso dia Ambohidempona, averina indray ny hadalan’ny teo aloha.

Tapi-dalan-kaleha indray mandeha indray i Madagasikara, ny anton’izany indrindra indrindra dia ny tetika fa tsy dia ny politika fotsiny. Tena hadisoana ny mbola hanondro indray ho hany anton’io fikatsoana io ny fifandrafesan’olon-droa fotsiny na ny hambon’ny sasantsasany - na dia marina aza fa izany no anisan’ny antony lehibe nahatonga ny fitondrana ho tsy nahomby ka zary tsy nitokisana.

Mbola miverina miroborobo indray ny fanao ratsy efa nanakianana ny fitondrana teo aloha, porofo izany fa tena lalim-paka ilay aretina ary ny fisainana mihitsy ny voa. Tsy ampy ny manolo ny tompon’andraikitra, ny vaha olana tena izy dia any amin’ny sehatry ny fahatsiarovan-tena ho olom-pirenena vanona sy ny fiheverana ny Firenena.

Antananarivo, 18 jolay 2014

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

SeFaFi

Observatoire de la Vie Publique

Lot III R 45 ter Tsarafaritra, Tsimbazaza, Antananarivo 101

Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. Site Web : www.sefafi.mg

Mis Ă  jour ( Mardi, 05 AoĂ»t 2014 07:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024