]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile Madagascar. De quelle laïcité parle-t-on, s'interroge le SeFaFi?

Madagascar. De quelle laïcité parle-t-on, s'interroge le SeFaFi?

Mais où va donc fait le Premier ministre, Olivier Mahafaly, de confession adventiste? Si la Première dame, Voahangy, a reçu l'eucharistie, car catholique, le Président Hery Rajaonarimampianina, de confession protestante réformée, lui, est resté à sa place

SeFaFi

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

Observatoire de la Vie Publique

Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101

Tél. 032 59 761 62 Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Quelle laïcité, à Madagascar ?

Dimanche 29 janvier, dans le stade de Mahamasina-Antananarivo, était célébrée une grand-messe présidée par le Cardinal Pietro Parolin, secrétaire d’État du Saint-Siège. Ce dernier était venu à l’occasion du 50ème anniversaire des relations diplomatiques entre Madagascar et le Saint-Siège, et pour signifier aux fidèles de l’Église catholique toute l’attention que leur porte le pape François.

Mais la portée spirituelle de l’évènement a été occultée par deux faits divers qui donnent à réfléchir. Le premier est lié à la présence de politiciens dont l’affiliation et le comportement ne sont guère catholiques, à commencer par les chefs d’État anciens et actuel. La messe est la célébration liturgique des baptisés. Pendant les premiers siècles de l’Église, les non baptisés étaient renvoyés après la liturgie de la Parole, la liturgie du sacrement étant réservée aux seuls baptisés. Autres temps, autres mœurs. Pour autant, une eucharistie peut-elle être prétexte à manifestation politique ? Tous les politiciens qui ont ruiné le pays depuis l’indépendance étaient là, sans distinction d’appartenance confessionnelle, chacun cherchant à se faire remarquer : diffuser sa photo prise dans un tel cadre est un argument sans prix pour les prochaines élections. Autant dire que les motivations des uns et des autres n’étaient guère religieuses. À quoi bon une messe, dans ces conditions ? Et qu’en pensent les nombreux fidèles venus prier de bonne foi ?

Le deuxième fait divers, si l’on peut dire, a scandalisé croyants et non-croyants : « les fidèles catholiques étaient choqués du comportement du Premier Ministre Mahafaly Olivier Rasolonandrasana. Effectivement la messe s’est déroulée en toute quiétude, mais un geste a capturé l’attention des invités et téléspectateurs car pendant la communion, l’homme d’Etat a pris l’eucharistie, a fait quelques pas et il l’a mise dans sa poche. L’eucharistie qui est sainte aux yeux des catholiques, ce geste est vu comme une insulte. Lui qui est adventiste pourrait ne pas participer à cette rituelle [sic] et faire comme les autres »[1].

La question qui se pose alors est bien celle de la laïcité de l’État. Que signifie une messe, célébration spécifiquement catholique (chez les protestants, on parle de « culte »), organisée à l’intention de tous les citoyens, à laquelle est conviée toute la classe politique – que ses membres soient chrétiens, musulmans, athées, voleurs ou violeurs, condamnés amnistiés ou pas ? Dans ces conditions, ne serait-il pas préférable d’organiser un culte œcuménique à base de textes bibliques qui recueilleraient l’adhésion de la majorité et n’engagerait pas les comportements personnels des uns et des autres ? Une réflexion de Benoît XVI pourrait aider à clarifier la question et à sortir de l’hypocrisie collective qui prévaut en ce domaine :

« La saine laïcité (…) signifie libérer la croyance du poids de la politique et enrichir la politique par les apports de la croyance, en maintenant la nécessaire distance, la claire distinction et l’indispensable collaboration entre les deux. Aucune société ne peut se développer sainement sans affirmer le respect réciproque entre politique et religion en évitant la tentation constante du mélange ou de l’opposition. (…) Une telle laïcité saine garantit à la politique d’opérer sans instrumentaliser la religion, et à la religion de vivre librement sans s’alourdir du politique dicté par l’intérêt, et quelquefois peu conforme, voire même contraire, à la croyance »[2].

Antananarivo, 4 février 2017


[1]. « Insulte à la religion catholique », La Gazette de la Grande Île, 1er février 2017.

[2]. Benoît XVI, Ecclesia in Medio Oriente, 14 septembre 2012.

****************************************************************

F'inona ity nataon'ny Praiminisitra, Olivier Mahafaly, izay manaraka ny finoana adventista?

SeFaFi

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

Observatoire de la Vie Publique

Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101

Tél. 032 59 761 62 Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Lahisitè inona ny eto Madagasikara ?

Ny alahady 29 janoary, teo amin’ny kianjan’i Mahamasina-Antananarivo, dia nisy lamesa lehibe notarihin’ny Kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-Panjakan’ny Fiketrahana Masina. Tonga teto izy noho ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny Fiketrahana Masina, ary koa mba hampahafantatra amin’ny mpino ao amin’ny Fiangonana katolika fa miahy azy ireo tanteraka ny ray masina Fransoa.

Saingy nisy trangan-javatra anankiroa mampieritreritra tonga nanamaloka ny ilay fotoana tokony hiantefa any amin’ny atifanahy. Ny voalohany dia ny fahatongavan’ny mpanao politika izay samy tsy katolika velively na ny finoany na ny fihetsiny, voalohany indrindra amin’izany ireo Filoham-panjakana taloha sy ankehitriny. Ny lamesa dia fankalazana litorjika ataon’ny olona vita batemy. Tany amin’ny taonjato voalohany niorenany dia nasain’ny Fiangonana nody izay tsy vita batemy taorian’ny litorjian’ny Teny, ny litorjian’ny sakramenta dia natokana ho an’izay vita batemy ihany. Rehefa miova moa ny fotoana dia miova koa ny fomba. Na izany aza ve dia ho azo araraotina hanaovana hetsika politika ny Eokaristia ? Teo daholo ireo mpanao politika nampahantra fadiranovana ny firenena hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, na inona na inona finoana arahiny, samy nanao izay hahitana azy tsara daholo : fandresen-dahatra tsy taka-bola ny sarin’ny tena nalaina teny an-toerana, rehefa haparitaka, amin’ny fampielezan-kevitra ho avy. Aoka hotsorina fa tsy finoana velively no nanainga azy ireny hankeny. Hatao inona àry lamesa raha izany ? Ary mba ahoana ny eritreritr’ireo mpino maro be izay tena hivavaka marina no nahatongavany teny ?

Ny trangan-javatra faharoa, raha izany no ilazana azy, dia nanafintohina ny mpino sy ny tsy mpino : « tafintohina ny mpino katolika noho ny fihetsiky ny Praiministra Mahafaly Olivier Rasolonandrasana. Nizotra am-pilaminana tokoa mantsy ny lamesa, saingy nisy hetsika nanintona ny sain’ny olona nasaina sy ny mpijery fahitalavitra nandritra ny fandraisana komonio : nandray ny eokaristia ity olom-panjakana ity, dia namindra vitsivitsy ary nataony am-paosy ilay eokaristia. Masina ny eokaristia ho an’ny katolika, ary io fihetsika io dia heverina ho fanimbazimbana. Izy dia advantista ary tsy tokony ho nandray anjara tamin’io fomba io toy ny nataon’ny hafa »[1].

Ny olana mipetraka noho izany dia ny momba ny lahisitèn’ny Fanjakana. Midika inona moa ny lamesa, fankalazana an’ny katolika manokana (any amin’ny protestà dia « fanompoam-pivavahana » no tenenina), karakaraina ho an’ny olom-pirenena rehetra ary anasana ny mpanao politika tsy an-kanavaka – na kristiana ny mpikambana ao aminy, na silamo, na tsy mpino, na mpangalatra, na mpanolana, voaheloka na nahazo famotsoran-keloka na tsia ? Manoloana izany, tsy tsaratsara kokoa ve ny mikarakara fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana mifototra amin’ny tenin’ny Baiboly izay hankatoavin’ny maro an’isa ary tsy manery na iza na iza hanao fihetsika manokana ? Misy tenin’i Benoît XVI mety hanampy amin’ny fanazavana ny resaka mba hialana amin’ny fihatsarambelatsihy iombonam-be mahazo laka ao amin’io sehatra io :

« Ny lahisitè madio (...) dia midika ho fanafahana ny finoana amin’ny vesatry ny politika ary fampitomboana hasina ny politika amin’ny alalan’ny zavatra entin’ny finoana, ilaina ny mikolo ny elanelana, atao mazava tsara ny maha samy hafa azy ireo sy ny fiarahamiasa tsy maintsy misy eo aminy. Tsy misy fiarahamonina afaka mandroso marina raha tsy mampanjaka ny fifanajan’ny politika sy ny fivavahana ka miala amin’ilay fakampanahy tsy mitsahatra ny mitady hampifangaro na hampifandrafy ny politika sy ny fivavahana. (...) Ny lahisitè madio toy izany dia miantoka ny tsy hampiasan’ny politika ho fitaovana ny fivavahana, ary miantoka ny hiainan’ny fivavahana am-pahalalahana ka tsy hivesatra politika baikoin’ny tombontsoa, ary indraindray tsy mifanaraka loatra amin’ny finoana, na tena mifanohitra aminy mihitsy aza »[2].

Antananarivo, 4 febroary 2017


[1]. « Fanimbazimbana ny fivavahana katolika », La Gazette de la Grande Île, 1 febroary 2017.

[2]. Benoît XVI, Ecclesia in Medio Oriente, 14 septambra 2012.

 

Mis à jour ( Lundi, 06 Février 2017 14:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024