]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile Madagascar. SeFaFi: Ny fifidianana filohan’ny repoblika, fitsapana ny fahamatorana demokratika

Madagascar. SeFaFi: Ny fifidianana filohan’ny repoblika, fitsapana ny fahamatorana demokratika

SeFaFi

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

Observatoire de la Vie Publique

Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101

Tél. 032 59 761 62 Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

 

 

Ny fifidianana filohan’ny repoblika,

fitsapana ny fahamatorana demokratika


Ny 7 novambra sy ny 19 desambra ho avy izao dia voaantso hifidy ny filohan’ny Repoblikany ny olom-pirenena. Tamin’ireo fifidianana filohan’ny repoblika rehetra, natao nandritra ny 58 taona nampahaleo tena antsika, dia roa monja no tsy niteraka fandavana tanteraka sy hetsika mahery vaika taorian’ny fahavitany : dia ireo fifidinanana roa nampifanandrina an’i Didier Ratsiraka sy Albert Zafy tamin’ny 1993 sy tamin’ny 1996. Noho izany dia tena manana ny lanjany manokana mihitsy ity fidianana manaraka ity. Izy no hitsaràn’ny olom-pirenena sy ny antoko politika ary ny fianakaviana iraisam-pirenena ny firosoan’i Madagasikara dia ho anisan’ny firenena demokratika mahatony ny fihetsiny ary manao ho vaindohan-draharaha ny fananganana Fanjakana tan-dalàna.


Ny fandehan-javatra ankehitriny : fametraham-pialĂ na, fisoloan-toerana ary raharaha andavanandro.


Roso ity ny antsika ka tsy afaka hipody intsony rehefa navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lisitry ny kandidà ka nametra-pialàna ny filohan’ny Repoblika ary nandray ny asany amin’ny maha mpisolo toerana azy i Rivo Rakotovao. Ny fifidianana anefa tsy tokony hanembantsembana ny fanefàna ny raharaha andavanandro, anisan’izany ny fandinihana sy ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana ho fanajana ny tetiandro momba izany voalazan’ny Lalàmpanorenana. Ny asany amin’ny maha-mpanao lalàna azy no tsy maintsy hataon’ny solombavambahoaka lohalaharana, na dia amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra aza, -anisan’izany ny Filohan’ny Antenimieram-Pirenena. Satria na dia izy irery aza no hany olom-panjakana ambony tsy teren’ny lalàna hametra-pialàna[1], dia tokony hametra-pialàna ihany izy na izany aza amin’ny anaran’ny etíka sy ny fampifandrindràna ny toe-draharaha. Fa na ahoana na ahoana aloha dia tsy mahazo mampiasa ny fitaovana sy ny fahefana eo am-pelatànany izy amin’ny maha-filohan’ny Antenimiera azy rehefa hanao fampielezan-kevitra[2]. Mino koa isika fa olon-kendry i Rivo Rakotovao ka hahafehy tena tsy hanao fampielezan-kevitra araka ny andraràn’ny lalàna azy ao amin’ny andininy faha-8 amin’ny didim-panjakana 2018-640 : « Ny olom-panjakana ambony voatendry hisahana andraikitra tokony ho notazomin’olom-boafidy dia tsy mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny anaran’ny kandidà iray, na lisitry ny kandidà, na antoko na vondron’antoko politika na firehan-kevitra iray ».


LalĂ mpanorenana sy fanorenana ifotony


Araka ny voalazan’ny andininy faha 46-n’ny Lalàmpanorenana, dia niteraka toe-javatra mbola tsy fahita hatramin’izay ilay filoha amperin’asa mametra-pialàna satria nilatsaka hofidiana handimby toerana ny tenany. Na dia tsara aza ny eritreritra, tsy azo lavina fa tena mifanipaka sy mikaviavia ilay rijan-teny; ohatra fotsiny ilay hoe ny filohan’ny repoblika nametra-pialana dia tsy mahazo manao fampielezan-kevitra ao anatin’ny iray volana manaraka ny nametrahany fialana, izany hoe hatramin’ny 8 oktobra 2018. Mila fandinihana sy fahaiza-manao lalina ny fanitsiana na ny fanamboarana ny Lalàmpanorenana : telo taona maninjitra i Afrika Atsimo vao nahatsangana sy nahafidy ny Lalàmpanorenana nandimby ny fanavakavaham-bolon-koditra. Fotoana indrindra izao ho an’ny kandidà ho filoha hanazavany amin’ny mpifidy ny fanovàna tiany hoentina ao amin’ny Lalàmpanorenana ankehitriny sy ny antony anolorany an’ireny fanovàna ireny. Dia hatolotra ny Antenimiera izy ireny,ary hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka araka ny fepetran’ny Lalàmpanorenana ankehitriny.


KandidĂ , fandaharana asa ary fanabeazana ny mpifidy


Kandidà 36 no tafakatra eo an-kianja ka ahiana ny hisian’ny fihoaram-pefy raha tsy tsara fehy ny fifidianana. Tokony samy ho afaka hahalala ny fandaharana asan’ny kandidà tsirairay avy ny mpifidy rehetra aty amin’ny fiandohan’ny fampielezan-kevitra, amin’izay izy dia ho afaka handrafitra ny heviny ka hanorina ny safidiny amin’ny fandinihana sy ny fisainana fa avy amin’ny kabary tsara lahatra na ny fampisehoana isan-karazany. Ankoatra izany, tokony haseho ho fanta-bahoaka haingana dia haingana ilay biletà tokana ahitàna ny sarin’izy 36 mianadahy ary hazavaina tsara aminy ny fampiasàna azy mba hialàna amin’ny hadisoana rehefa hikirakira azy, io mantsy dia varavarana midànadàna ho an’ny fangalaram-bato isan-karazany. Momba izany indrindra dia tena dingana tsy maintsy ho lalovana ny fanabeazana ny mpifidy, nefa atao an-tsirambina io eto amintsika. Arahabain’ny SeFaFi etoana ny ezaka ataon’ny fampitam-baovao mankamamy ny fahasamihafana toa an’i Midi Madagasikara na ny KoloTV izay mampahafantatra ny kandidà samihafa, ary ampirisihina ny fampitam-baovao hafa hanao toy izany koa ho fanajàna ny fepetran’ny rariny sy ny fitoviana voalazan’ny lalàm-pifidianana.


Fizotran’ny fifidianana ary lalàm-pitondran-tena mandritra ny fampielezan-kevitra

Herinandro enina sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, ny mpifidy anefa dia mbola miandry foana ny hamoahan’ny CENI ny toromarika ilaina mikasika ny fizotran’ny fifidianana. Misy zavatra mampisalasala sasany tokony harenina haingana : ny isa sy ny toeran’ny birao fandatsaham-bato, ny fizaràna sy ny fampiasàna ny karatry ny mpifidy, fanapariahana araka izay tratra ny santionany amin’ilay biletà, ny fomba fanaraha-maso ny fifidianana, ary ny fampahafantarana ny mpanara-maso sy ny fitsinjaràna azy any amin’ny birao fandatsaham-bato rehetra any, ny fahazoana ny vokatra any amin’ny tambajotram-pifandraisana... Ilaozan’ny an’ny kandidà lavitra be na amin’ny lanjany na amin’ny fahazavany ny fampitam-baovaon’ny CENI, nefa aza ny kandidà vao eo am-panombohana fotsiny. Mampanahy io tsy fifandanjàna io raha sendra misy fifanolanana eo amin’ny vokatra. Momba ny fihetsiky ny kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra, toa maromaro amin’izy ireo no tsy vonona hanao sonia an’ilay fifanekena natolotry ny CRN (Komitin’ny Fampihavanam-Pirenena). Marina aloha fa tsy terena izy ireo hanao izany, nefa kosa mba manantena ny vahoaka fa hahafehy tena izy ireo ka hanameloka izay mety ho herisetra rehetra. Toy ny maro hafa, ny SeFaFi dia miantso ny fahamatoran’ny kandidà mba hanaovany adihevitra tena demokratika mifandraika amin’ny haavon’ny fanamby : ny vinam-piarahamonina tiany hotanterahina, ny fiarovana ny fandaharana asa natolony, ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana, ny tetika hampandrosoana ny toekarena, sns.

Manafintohina ny fanafenana ny famatsiam-bolan’ny fifidianana

Aty amin’ilay firenena fahefatra amin’ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Hery Rajaonarimampianina sy ny mpanohana azy no nandany 43 tapitrisa dolara hanaovana fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoha tamin’ny 2013[3]. Izany hoe 21,50 dolara ho an’ny vato tsirairay tamin’ny vato 2 tapitrisa azony, mihoatra ny an’i Donald Trump (12,61$) sy ny an’i François Hollande (1,4$). Azo antoka fa nisy koa kandidà hafa nandany vola mitovitovy amin’izany. Dia gaga ianao : avy aiza ireny vola ireny, ary ahoana ny fomba nanonerana azy ? Mbola tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa iaraha-mahita sahady ny fitaovana arantirantin’ny kandidà sasany. Hanahoana izany mandritra ny tena fampielezan-kevitra ? Fantatry ny vahoaka tsara ny fihoaram-pefy fahita : fizaràna isan-karazany - anisan’izany ny lelavola -, rindran-kira, hatramin’ny tombolà koa aza !, fividianana sy fanofàna fiara tsy mataho-dalana na helikoptera… Ny mpitondra antsika manana izany rehetra izany nefa tsy menatra akory mangataka famatsiam-bola hanaovana fifidianana any amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, ity farany ity kosa dia mody fanina ka tsy mahita io zava-misy diso fantatry ny rehetra io. Na dia efa iaraha-mahita aza fa malailay fonosana ny antoko politika sy ny mpanao politika zatra ny fomba ratsiny dia tsy maintsy tohizina hatrany ny ezaka hampihatra fepetra henjana kokoa, feno kokoa ary mangarahara kokoa momba ny famatsiana ara-bola ny antoko politika sy ny fampielezan-kevitra.

Fifidianana ny mpanao lalàna sy ny ben’ny tanàna

Tsy azo hadinoina koa na izany aza ny fifidianana manaraka : ny ho mpanao lalàna amin’ny aprily 2019 ary ny ho ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina amin’ny tnàna amin’ny aogositra 2019. Tsy maha-antoka samirery ny fandehan’ny raharaham-pirenena mantsy raha ny fifidianana filohan’ny Repoblika fotsiny. Ny fifidianana ny mpanao lalàna sy ny mpiandraikitra ny tanàna aza no tena mavesa-danja indrindra ho an’ny vahoaka : amin’izay mantsy no hahafahana hifidy ny solontenan’ny mponina hiandraikitra ny famoronana sy ny fifidianana ny lalànan’ny Repoblika, sy ny olona hiandraikitra ny fanatontosàna ny raharaha ara-panjakana akaiky ny vahoaka izay mila izany. Tokony hanaraka avy hatrany koa ny fifidianana ny hiandraikitra ny faritra sy ny faritany. Tena zava-dehibe izany ny fieritreretana dieny izao ny fomba hanatontosàna ireo fifidianana ireo satria efa antomotra dia antomotra ny daty hanaovana azy.

Fanaingàna handray anjara sy fanambin’ny fifidianana

Ao amin’ny fanambarany tamin’ny 1° aprily 2017 ny SeFaFi dia naneho ny ahiahiny raha nahita fa tsy nitsaha-nitombo isa ny olona tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana maro nifandimby. Tsy haka afa-tsy ny isa tamin’ny fifidianana filoha tamin’ny 1993 sy 2013 isika :


Taona

Mpifidy voasoratra

Vato manan-kery

mponina

% mponina voasoratra

% mponina nifidy

% mpifidy voasoratra

1993

6,130,016

4,532,035

12,081,083

50,74%

37,7%

73,93%

2013

7,969,119

3,851,460*

22,609,139

35,24%

17,03%

48,32%

*Fihodinana faharoa

Hita amin’izany fa latsaky ny 1 amin’ny mpifidy 2 no tonga nandatsa-bato tamin’ny 2013, ary tsy nisolo tena afa-tsy ny 17 %-n’ny olona tokony hifidy. Aiza moa no tsy hampisalasala raha tena mahasolo tena sy mitombina tokoa izay olona voafidy tamin’izany. Io tsy fahatongavana mifidy io dia vokatry ny hakiviana sy ny hatezeran’ny vahoaka mahita ny ataon’ny mpanao politika. Ny olom-pirenena irery ihany tsinona no afaka mifampitàna amin’ny mpanao politika matimatim-pahefàna sady tsy mba mieritrerira velively izany hoe tombontsoa iombonana izany. Aoka àry isika tsy ho sodokan’ny kifetifety hialoha io fifidianana ho avy io. Toy izay fampisehoana, aleo adihevitra sy fanomezan-toky azo tsapain-tanana no takiana. Aoka isika tsy hatahotra hanasazy amin’ny alalan’ny fifidianana. Sakano ny sasany tsy hameno ny vata ka hifidy eo amin’ny toerantsika... Aoka isika ho mailo, ary indrindra aoka isika ho tena olom-pirenena, andao handray anjara.


Zava-dehibe loatra ny fanambin’ny fifidianana ho avy izao satria miantoka ny lalan-kizorana sy ny hoavin’ny firenena. Mihoatra lavitra ny 5 taona faharetan’ny fitondràn’ny filoha ny vokatry ny fanapahan-kevitry ny Prezidà sy ny lalana hitondrany ny firenena. Vokatra izay hiantraika amin’ny toe-piainantsika, ny toekarenantsika, ny toebolantsika, ary ny toetran’ny fiarahamonintsika. Ny fifidianana no fotoana iray ahafahan’ny olom-pirenena manambara ny fahasahiranany ka ifidianany izay fandaharana asa politika mifanentana indrindra amin’ny faniriany sy ny hetahetany. Eo koa no ahafahana manasazy ny tompon’andraikitra tsy nahatàna ny teniny, na nampiseho ny tsy fahavitàny manaja ny lalànan’ny Repoblika, na niavaka tamin’ny tsy fahaizany nitantana, ny fanaovana kiantranoantrano sy kolikoly. Eo am-pelatànan’ny mpifidy ny hoavin’ny firenena, tsy maintsy fantany mazava tsara fa andraikitra tsy maintsy ho tontosainy ao anatin’ny fahafantarana ny lafin-javatra rehetra izany. Zava-dehibe ny fandraisany anjara mba hampisongadina izay mendrika indrindra amin’ireo kandidà 36 eo an-kianja.

Antananarivo, 27 septembra 2018


[1]. Ny mambran’ny governemanta sy ny olona mitana andraikitra ambony ao amin’ny Fanjakana dia tsy maintsy mametra-pialàna araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, and. 64, ary ny lalàna 2018-008, and. 6.

[2]. LalĂ mpanorenana, andininy 46, andalany farany.

[3]. Loharano : M. Wally, RĂ©glementation du financement des partis politiques et des campagnes Ă©lectorales, Ă©tude comparative des pratiques en espace francophone, desambra 2016.

Mis Ă  jour ( Vendredi, 28 Septembre 2018 18:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024