Andry Rajoelina, 38 taona. Ity tovolahy ity no nitsangana ka nahatonga izao fahafahana izao. Moa ve afaka niteny toa amin’izao vaninandro izao teo amban’ny fanjakana Psd, Arema sy Tim ? Dia mbola misy sahy hilaza fa nalalaka ny fahafahana tamin’ireo fitondrana ireo. Tssss…
Misy fiteny frantsay manao hoe : « Lorsque l’on veut tuer son chier, on l’accuse de la rage ». Tsy sanatria akory amboa ny ray sy reny niteraka an’i Andry Rajoelina fa dia raha mamaky sy mihaino ireto Malagasy sasany milaza fa avara-pianarana (avara-pi) sy be diplaoma, dia vaka ny sain’ireo (izaho anisan’izany) niaina teo alohan’ny 1972 sy tao anatin’ny revolisiona sosialista niteraka ireo 4’mis mpatory an-dàlana, ary koa tao anatin’ny fanjakan’ny vola azo amin’ny tsy rariny teo amban’ny fanjakana Tim-Tiko. Dia manginy fotsiny moa ny sivana tena sivana. Tsy nisy sahy nihetsika na iray aza fa dia niaina tao anatin’ny fanagejana tanteraka.
Amin’izao vaninandro izao dia malalaka, diso malalaka loatra aza, ny fahafahana : fahafahana miteny, fahafahana maneho hevitra. Saingy toa lasa voron’azon’adala tokoa ireo fahafahana ireo ka dia nanjary fahafaha manompa ny sasany, fahafahana mamafy lainga tsy hitondra tombontsoa ho an’ny taranaka malagasy izay handimby antsika raiamandreny izay efa manisa andro iainana eto amin’ity tany fandalovana ity. Dia ireo ry zalahy very tadidy ka dia mitaky izay rehetra tsy sahy notakiana nandritra ny am-polo taona. Fanararaotana tsy misy toa izany ! Dia atao sorona ireo kilonga, ampianarina azy ireo ny tsy fitiavana tanindrazana. No ny inona anefa ? Anao mpamaky no mamaly izany.
Ny tena mampahonena dia ilay olona nahatonga izany fanovana goavana izany no voatoto ho devoly latsaka an-tany. Tsy iza moa izany fa dia i Andry Rajoelina, Filohan’ny Tetezamita amin’izao fotoana izao. Dia afatratra any aminy daholo ny tsy fahombiazana rehetra maneran-tany. Mora tokoa anie ny manimba sy mitsikera e ! Tsy handaniana vola izany ary tsy misy arakaraka, indrindra moa rehefa miafina ao ambadiky ny anaranam-bosotra. Asa izany ny fombva notezaina ireo olona ireo. Tsy mba ny lafi-tsaran’ny teknolojia vaovao no banjinina fa dia miazakazaka daholo rehefa hitsikera nefa tsy mba mandroso soso-kevitra. Fahakanosana daholo izany tompoko, ary tsy maintsy hifototra amin’ireo manao azy. Aodina daholo ny zava-misy marina (mamorona aza atao); ampiasaina daholo izao voambolana vazaha rehetra tsy voafehy akory; ambanina fotsiny izao ny maha-Malagasy; aratsiana ny Tanindrazana, sns.
Ho aiza eo anefa ? Mitsiky vendrana satria “nahavoa”. Nahavoa inona sy iza anefa ? Ireny olona ireny dia loza ho an’ny tenany ihany. Ka samia mizaka ny adalany any aoriana any. Satria ny fiainana mbola hitohy ary mbola ho velona foana isika mandrapahafaty, tompoko ô ! Ka mahazotoa mampiasa io fahafahana sadasada io. Fa rehefa ratsy fiafarana (tsy maintsy ho izay), dia aza ny afa no mbola homen-tsiny. Eo amin’io lafin’ny fanompana io indrindra moa dia mbola tsy nahita olona matin’ny ompa izany aloha aho, raha tsy hoe olo-olom-poana tokoa, tsy misy fanahy fa dia andairan’izany resaka alika izany.
Fa amin’ireny lainga afafy ireny dia misy ny tsy maintsy hahitsy satria ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ka ity manaraka ity ny mikasika ny ekipa mpanao baolina kitra “Etoile Filante”. Ka dia am-bava omana am-po mieritreritra (raha mbola misy izany eritreritra izany ny sasany, izay olona tsy misy fotony tokoa).
Jeannot Ramambazafy – 13 Jona 2012