Ny marina, marina ihany ary marina foana. Sady iray ihany. Vao nanome alĂ lana ny Filohan'ny Tetezamita fa mahazo mody i Lalao Ravalomanana HITSIDIKA ny reniny tsy salama, dia nahodikodin'ireto mpanao politika manompo an'i Ravalomanana ny resaka.
Dia ireny hita amin'ireo «gazety» Midi Madagasikara, Ma-Laza, Gazetiko, Tia Tanindrazana ny lainga be. Omena tsiny ve ireto mpanoratra sy ny tompon-gazety? Mila lafo ny gazety satria «sarotra ny fiainana». Sady saovaly tapa-kofehy daholo rehefa tsy nahazo niteny sy nanoratra nandritra ny am-polo taona dia manararaotra toa banga satria «liberté d'expression» sy «liberté de presse». Ahahaha! Dia maha sahy mitanisa izao karazana zo rehetra izao kanefa modia tsy fantatra ny adidy tsy misaraka amin'izany zo izany. Ohatra ilay artikla faha-20 ao amin'ny Tondro zotra. Dia adino ilay «note explicative». Ny tohin'ireo tantara vala-maty afafy etsy sy eroa? Mbola hifototra aminareo ireo io fombanareo mamita-bahoaka io. Ary tsy ho tantinareo tokoa izany hoe atezeram-bahoaka izany. Efa voasoaratra ao anaty Baiboly io toe-javatra io fa tsy izaho no mamorona.
Ramatoa ity koa va manao kinanga ny fahasalaman'ny reniny ? Raha izaho no teo amin'ny toerany, na nandehanako lakana aza dia nandeha niampita ny Canal du Mozambique aho satria hoe « efa ambivitra ny ain'ny reniko »
Ka nipoitra tokoa ary ny marina, dia ireo etsy ambany ireo ny porofo. Ireo olona trano-dainga ireo anefa, tsy afaka miaiky ny fahadisoany intsony satria fantany tsara ny hanjo azy avy any amin'ny zanak'i Dada. Ka dia hitohy ihany ny lainga rahampitso. Hatraiza anefa no fetran'ireo lainga ireo? Dia i Bebe Razay, 80 taona mihoatra no atao sorona. Tsy hadikako teny frantsay (efa misy koa ny tena marina) ireo manaraka ireo fa ny rehetra dia miandry ny tohin'ny lainga afa lasa tandra vadi-koditra. Fa rehefa hilamina ny tany sy ny fanjakana -ary tsy maintsy hilamina io- dia iza intsony no hatoky anareo? Tsy manadino akory ny vahoaka sanatria. Dia samia hahay mijinja izay nafafiny. Tsy ozona io fa tafiditra ao anatin'ny Tantaran'ny zanak'olombelona: ny ratsy saina sy maty eritreritra dia ratsy fiafarana foana. Ka dia araraoty, araraoty tsara aloha satria ny trano-kenatra nosoloina tranon-dainga. Ary araka ny filazan'i Me Hanitra Razafimanantsoa Rakotomavo (izy daholo izany anarana izany): "Avelao hitan'ny havany eo !".
Io ambany aloha ny voasoratra ao amin'ny gazety Midi Madagsikara, ny 2 Marsa 2013 ary nosoniavin'ilay mpanao gazety mahafatra-po Rajoafera Eugène :
Fa ity manaraka kosa no tena fanaovan-gazety "matihanina" tokoa. Na dia hoe "teny noraisina" aza dia mbola Rajaofera Eugène ihany no nampiely azy, ary mendrika mahazo ny "Prix Pulitzer de la désinformation à outrance" :
Ity manaraka ity amin'izay ary ny taratasin'ny Filohan'ny Tanzania sady Filohan'ny TroĂŻka SADC, Jakaya Kikwete, ho an'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana :
Ary ny dikany amin'ny teny frantsay madio, ka vakio tsara, tsakoy ela ary mieritrereta daholo amin'izay :
Jeannot Ramambazafy - 8 mars 2013