]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara: eisy e ry mpanao polifika gasy e !

Madagasikara: eisy e ry mpanao polifika gasy e !

Andohan'Analakely, ny 22 Jolay 2013

Nindramiko ity lahatsoratr’i Lalou ity satria tena mitaratra ny tena zava-misy sy fomba fanaon’ireo milaza fa mpanao polifika avo lenta eto amin’ny tanàna. Oviana moa no nisy famoriam-bahoaka farany raha tsy omaly 22 Jolay 2013 ary iza no niseho nitarika? Ka asa, mandaitra angamba any ivelany amin’ny alàlan’ny Internet. Fa ny zava-misy eto an-toerana aloha dia tsy rototra intsony ny tena vahoaka mitady vola isan’andro elingelenina amin’ny tsy antony mazava. Izao ilay hoe: manaraoraotra ny fahantran’ny sasany. Fa ny tena mahantra dia ireo mpanao politika miseho be vola kanefa tsy manefa ny “trosany”. Fahantrana eo amin’ny lafin’ny toe-tsaina izany. Iza no tena ho voa mafy? Ny Firenena hatrany.

Jeannot Ramambazafy

*********************

Inty sy nday: Mamita-tena !


Andriamatoa Laza Razafiarison Kandida Filoham-pirenena,
ny 22 Jolay 2013 tao Andohan'Analakely

Nahatsikaiky, ary nampihomehy mihitsy aza, ny nahita, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray, omaly, ny olona nitaraina fa nofitahin'ny mpanao pĂŽlitika, satria mbola tsy nahazo ny vola nampanantenaina azy. Nantsoina ho "nanafana" ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanao pĂŽlitika hono izy ireo ary dia natao mpitehaka sy mpihoby ary mpitsinjaka teo anoloan'ny mpaka sary kanefa dia niala maina fa tsy azo ny "karama" nolazaina fa tokony ho nomena azy ireo.

Mampihomehy ny raharaha, satria tsy sahy niseho tava ireto mpitaraina no sady tsy nanonona ny anaran'ilay namitaka azy ireo. Mampihomehy, satria efa mba betsaka ihany izay fampielezan-kevitra nisy izay, ary inoana fa raha ny fahitana an'ilay niresaka dia efa mba niaina ny maromaro tamin'izy ireny ihany izy io, ka,efa dia mbola "voa" ihany
 aty amin'ny taona arivo fahatelo efa niainana taona 13 aty.

Tsy sanatria akory ho fandatsana fa efa mba imbetsaka ihany no niresahana ny toetran'ny mpanao pĂŽlitika Malagasy izay koa tokony mba ho tonga saina amin'izay ny isanisany amin'ny fahaizan-dry zareo ireo mamita-bahoaka. Tsy tokony mba ho ny vola ve aloha no noraisina vao nanao ny "asa" ĂȘ?... Tsy azo itokisana ireo pĂŽlitisianina gasy ireo!

Tsy azo itokisana ny mpanao pĂŽlitika Malagasy, satria, raha ny tena marina aza dia ny tenan'izy ireo ihany no fitahiny. Mihevitra ny hitondra firenena ve dia hividy vahoaka ĂȘ? Tsy ao an-tsain'izy ireo ve ny ho rahampitsony raha sendra ka hahazo ny toerana ry zareo ĂȘ? Hamoaka vola mandrakizay hanambantambazana ny olona tantaniny? Izany ve no itaizana ny olom-pirenena?... Dia ahoana rehefa tsy hahatolotra intsony?...

Mamitaka ny tenany ny mpanao pĂŽlitika toa izany, satria dia mazava izao fa tsy hifidy azy mihitsy ireo tsy nandray ny "valin-kasasarany" ireo. Tsy vitan'ny hoe ireo voafitaka ihany fa tsy maintsy hiparitaka ny feo, ary dia ho lany fananana fotsiny ireto mpampanantena volana fa sady tsy hahazo olona intsony amin'ny famoriana manaraka no, indrindra, tsy hahazo vato koa any amin'ny fifidianana.

Toa izany ny fanaovana pĂŽlitika eto amintsika. Na ny tenany aza fitahiny, koa hahagaga ve raha voaongana hatrany izany miakatra eo amin'ny toerana ĂȘ?...
Tsy vitan'ny mamita-bahoaka fa mbola mamita-tena ihany koa. Fohy fisainana sa tena kely loha?...


Lalou – La Gazette de la Grande üle, 23.07.2013

Mis Ă  jour ( Mardi, 23 Juillet 2013 10:22 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...