]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Ambalavao RN7: Reboisement ludique pour les scouts «Mpanazava» de Madagascar

Ambalavao RN7: Reboisement ludique pour les scouts «Mpanazava» de Madagascar

« Voronkely »

FAMPITAM-BAOVAO

« Sakaizan’ny biby sy ny zavamaniry ny mpanazava »


Izany làlan’ny mpanazava izany indray no niainan’ireo ankizivavy kely, zatovovavy, vehivavy, niisa teo amin’ny arivo mahery teo, tany Ambalavao, Faritra Analamanga, ny 08 febroary 2014, nandritry ny fambolen-kazo izay nokarakarain’ny fikambanana Mpanazava Eto Madagasikara, skoto protestanta. Tafiditra ihany koa amin’ny fankalazanany faha-50 taona niorenan’ny « Voronkely », izany hoe, ireo ankizivavy 6 ka hatramin’ny 11 taona.

Tamin’ny 9 ora no nanomboka ny lanom-panokafana, tamin’ny fanokafana amin’ny fomba skoto sy ny fotoam-pivavahana ary ny lahateny samihafa nataon’ny Filoha mpanampin’ny Mpanazava, ny filohan’ny jobilin’ny voronkely ary ny Ben’ny tanànan’Ambalavao, vao niroso tamin’ny fambolen-kazo ny rehetra.

Natao ihany koa ny fikolokoloana sy fikarakarana ireo zana-kazo efa nambolena tamin’ny taona-dasa.

Tany natolotry ny kaomina ho an’ny fikambanana ary efa fanaovana fambolen-kazo isan-taona ity eto Ambalavao ity. Tany « hilasian’ireo voronkely rahatrizay », hoy ny filohan’ny Nasionalin’ny Mpanazava eto Madagasikara, Zoe Rasoaniaina na Harahara Mihangy. Ny mpikambana tsirairay kosa no nivatsy ny zana-kazo hovolena.

Rehefa vita ny fambolen-kazo dia nizarazara isan-tsampana ireo mpanazava marobe, ka ny kely indrindra, (ireo sampana mavo na « Voronkely »), dia nianatra sarim-borona tamin’ny gazety.


Ny sampana maitso (12 ka hatramin’ny 15 taona) kosa dia namadika tavoahangy plastika ho haingontrano, ny sampana mena na ireo mpanazava zokiny (16 taona no miakatra dia nanao fanentanana momba ny tontolo ianana (tantara kely, plaidoyer, sketch), ireo Mpanazava tranainy sy ny foibe kosa dia namadika lamba efa niasa ho haingo. Ankoatran’izay dia afaka nitsidika ny tetikasa « Photovoice » ireo nanotrona : tetikasa fitondrana feo, amin’nyalalan’nysary.

Taorian’ny sakafo atoandro dia nisy ny seho isaky ny faritany nataon’ireo voronkely, mba hanamarihana ny jobily faha-50 taona niorenany. Nisyihany koa ny seho nitondran’ireo filoha isam-paritany ireo mpanotrona, indrindra ireo voronkely, tanyamin’ny tanin’ny sary miaina, izay nahitana an-dry « Obélix sy Astérix », ry « Stroumph », « Pocahontas », « Fée Clochette » ary ny fianakavian’i « Pingu ».

Mbola hitohy ity taom-pankalazana ity, ka ny akaiky indrindra dia ny amboaran-tononkalo « izany ka vehivavy », hantsaina an-tsehatra eny amin’ny Espace Dera, ny faha-08 Martsa, anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

*************************************************

MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA (MEM)

COMMUNIQUE


La branche jaune, petites ailes (« Voronkely ») de Mpanazava eto Madagasikara célèbre ses 50 ans d’existence.

Cette année, les activités des Mpanazava vont se focaliser sur cette célébration et pour commencer, le traditionnel reboisement à Ambalavao (RN7), le samedi 08 février 2014.

Thème : MEM et protection de l’environnement

Lieu : AMBALAVAO RN7 (lieu de reboisement MEM offert par la commune Ambalavao)

Activités de la journée:

- reboisement (pour le millier de MEM, ami(e)s et membres du comité de jubilé du cinquantième anniversaire des « Voronkely » présents),

- travaux manuels (confection des objets de décoration avec des vieux journaux et des bouteilles plastiques dans le but de la protection de l’environnement à travers le recyclage des objets usés) pour les membres MEM (branche jaune et verte).

- Plaidoyer et sketch en faveur de la protection de l’environnement pour les aînées.

- Défilé avec des personnages des dessins animés, qui a ravi les plus petites.


La célébration s’étend tout au long de cette année, et le prochain rendez-vous sera un montage poétique à l’Espace Dera, le 08 mars prochain avec le thème « Izany ka vehivavy ».

Arosy Mivoy – Photos fournies pour www.madagate.com

Mis à jour ( Lundi, 10 Février 2014 07:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...