]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara: Vehivavy Malagasy miady amin’ny jadona sy ny tsy rariny

Madagasikara: Vehivavy Malagasy miady amin’ny jadona sy ny tsy rariny

Niniako tsy nadika teny frantsay ireto fanambaran-dRamatoa Lalatiana Ravolomanana manaraka ireto, satria raharaha samy Malagasy izy ity, ary mandady ny trambo. Ka raha mba tena tia tokoa antsika Malagasy ireo vahiny dia mànana mpandika teny izy ireo ary dia isaorana mialoha, n’inona n’inona ny hataony ho an’ny vahoaka Malagasy tsy mandady harona.

Jeannot Ramambazafy

Tranompokololona Analakely, Antananarivo, 22 May 2014




Tonga ny rahavavy namana, tonga ny namana rehetra samy Malagasy, manotrona, mandray anjara amin’izany adihevitra izany. Inona ny natao tato? Ny natao tato dia nozarainay taminy ny hevitray milaza fa tsy ekenay izao jadona miseho eto amin’ny Firenena izao ary lavinay ihany koa ny tsy rariny. Ka noho izany, rehefa nifampizarainay izany nandritra ny adin’ny roa, androany tolakandro, dia mitovy ny hevitra : miara-miaiky ny rehetra fa ratsy tantàna ny Firenena ankehitriny; miara-miaiky fa ratsy dia ratsy ny fidiran-tsika sy ny fanomboan-tsika ity repoblika faha-efatra ity satria maro ireo endriky ny tsy rariny miseho any anatin’ny fiaraha-monina any. Nisy solontenan’ny olona rava trano eny Ankadimbahoaka teo; nisy solontenan’ny rahavavinay avy any Atsimo teo, nitaraina amin’ny zavatra mitranga any Atsimo.


Rehefa nijery izany ka naravina dia nanapa-kevitra izahay fa manomboka eto dia hanambatra hery ny vehivavy Malagasy, hiray hina, handray andraikitra, hanandratra avo ny Firenena, satria ny Firenena dia izahay reny no foto-tena ao anatin’izany ka tsy avelanay ho amin’izao endriny izao, anjakan’ny jadona izao sy ny fandikan-dalàna tafahoatra ity Madagasikara ity. Fa ny lalàna natao ho an’ny rehetra, hoy ny filoham-pirenena. Dia atodiko aminy manokana, eto am-pahamaranana ny hoe : ATOMBOHY AMINAO, ANDRIAMATOA FILOHA, NY FAMPIARANA NY LALANA. Fa ny nahalany anao ho filoham-pirenena dia NAMPINDRAMINAY VAHOAKA MALAGASY NY FAHEFANAY IANAO. Ka raha miteny fampihavanam-pirenena isika, hasehoy izany fampihavanam-pirenena izany. Hampiarina izany, aleho hisy ny fampitsimbinana ny samy Malagasy, indrindra ireo Malagasy tsy mandady harona. Fa ny fampiàrana ny lalàna mbontolo, mampiseho erisetra ary miandany dia tsy mety.

Tsy maintsy lanjalanjaina ny rariny amin’ny fitantànana ny Firenena.


Ny androany moa izany, dia fanta-tsika tsara fa amin’ny alahady ho avy izao dia hankalaza ny Fetin’ny Reny isika. Zavatra misy eto amin’ny tanindrazan-tsika, eto amin’ny firenena, dia mahalasa saina, mahavalalalanina ary mampihoro-koditra aza, raha tsy hiteny fotsiny aho ny zavatra mitranga any Atsimo, izay fanta-tsika tsara fa mifamono ny samy Malagasy. Fa tsy any Atsimo ihany fa any amin’ny faritra rehetra eto amin’ity tanindrazan-tsika ity dia manjaka izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana, andrenesana sy hahitana foana mpiray tanindrazana mamoy ny ainy. Raha izay fotsiny no resahina dia hoe: tsy milamina, tsy mbola tratra izany fitoniana izany, izany filaminana izany, izany fandriampahalemana izany eto amin’ny firenena izany ankehitriny.


Ankohatra izay nefa, izany firenena izany dia ny reny no foto-teny ao anatiny. Amin’ny maha renim-pianakaviana, amin’ny maha reny dia mahatsapa fa marary ilay firenena ankehitriny, marary ny Malagasy. Akaiky antsika, eto amin’ny Renivohitr’ity firenen-tsika ity, ny zavatra mitranga eny Ankadimbahoaka eny, fa ny fandravana tamina fomba misy erisetra ny tranona mpiray tanindrazana. Ny dikany izany, amin’ny maha reny aho, aminy maha reny anay, aminy maha vehivavy anay dia mahita fa misy renim-pianakaviana tsy manan-kialofana izao. Nefa isika hankalaza izany fetin’ny Reny izany amin’ny Alahady. Manindrona ny fo izany ary mampalahelo, kanefa tsy vitan’ny alahelo ny famahana ny olàna.


Ka izay no nahatonga anay, androany, nanomana ity valan-dresaka arahina adihevitra ity, manodidina ny lohahevitra hoe: Vehivavy miray hina, mandray andraikitra, hanandratra avo ny Tanindrazana ary ao anatin’izay fanandratana ny Tanindrazana izay, dia tsy maintsy lavinay, laviko ary toherinay, toherin-tsika ny tsy rariny. Tsy rariny ny fandravàna trano na inona na inona tenenin’ny mpitandro filaminana izay mendrika ho herim-pamoretana ankehitriny. Tsy rariny satria nahoana? Ny tsy manan-kialofana sy tsy manana trano honenena izany efa manahirana. Ankehitriny, efa nanana ny naoriny nandritra ny taona maro, dia noravana. Mety izay ve ilay hoe fampiharana ny lalàna, tany tan-dalàna?


Izahay milaza hoe: mendrika jadona sy tsy rariny izany. Ka izay fomba fijerinay izay no njzarainay amin’ny rahavavy namanay, tompon’andraikitra eto amin’ny Firenena, olom-boafidin-tsika, olo-tsotra sy ireo anadahy sy ireo ray aman-dreny rehetra; hifampizarana izay ary heverinay fa aorian’izay dia hisy songadina ny famondronana ny hery mba ho fanoitra hiatrehana sy handavana izany tsy rariny izany. Misy hetsika be dia be hifanomezan-tanàna voik’Havana mahatratra ataon’ny rehetra, manoloana ny tsy rariny izay mianjady amin’ny mpiray Tanindrazana izao. Izahay anefa mahita fa vonjy tavan’andro ihany izany fa tsy mahavaha olàna. Fa ny tena kendrena dia ny mba hitondrana vahaolàna maharitra satria izay anie no nandrandrainan-tsika e, nanaovan-tsika fifidianana hametrahan-tsika repoblika maha izy azy, Firenena tsara tantàna.


Kanefa ankehitriny dia mahatsapa tanteraka fa miaina ao anaty tebiteby, horohoro sy fahadisoam-panantenana ny mpiray Tanindrazana. Izay no mahatonga anay reny, vehivavy, nanasa am-panajàna, am-pitiavana ny vehivavy toa anay. Tomponandraikitra eo amin’ny fitantanàna ity Firenena ity, dia nantsoina tamin’ny haino aman-jery satria manana minisitry ny Mponina isika: ahoana ireo mponina tsy manan-kialofana ireo? Satria manana solombavam-bahoaka isika : inona ny tokony hataon-tsika manoloana izany mba hitondra-tsika vahaolàna maharitra? Satria isika anie, raha tany tan-dalàna izany dia tokony hajain-tsika voalohany ny zon’olombelona, ny zo fototra. Anisan’ny ao anatin’ny zo fototra ny zo hanàna trano honenena araka ny tokony ho izy.


Izany ny fanamby, izany noheverinay fa mitondra mankany amin’ny tena fanovàna, kanefa indrisy: ny zavatra misy ankehitriny dia mampalahelo anay, ary izahay tsy miondrika amin’ny alahelo fa mitsanga, mitraka, ary manentàna ny rahavavy namàna hiarà-hisalahy, hiray hina fa tsy azon-tsika ekena, toherin-tsika, lavin-tsika izao tsy rariny mianjady amin’ny mpiray Tanindrazana amin-tsika izao.

Sary: Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Mardi, 27 Mai 2014 08:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024