Dia tena mafy mihitsy ve izany te-hanan-karena izany ka na ny fotodrafitrâasanâny Filoha (« projets prĂ©sidentiels ») avy no ahitanâny sasany tetika tsy takatry ny saina azoana ny tsena (« marché ») dia avy eo hamadiana ny tena nanao ny asa. Araho ny tantara fa raha ny fehiny aloha dia ny Filoha Andry Rajoelina hatrany no lasa fitaovana hampanan-karena ny sasany amina fomba efa taminâny andronâny Jodasy ao anaty BaibolyâŠ
Maro dia maro ireo fotodrafitrâasanâny Filoha manerana anâity Madagasikara ity. Nahazo ny anjarany koa ny tanananâi Vatomandry ary « LycĂ©e agricole » ny azy. Isika miteny izao dia vita ary mitsangana soa aman-tsara io foto-drafitr âasa io ka ny voalohanâny volana desambra 2020 no vita ny nandraisana azy (« rĂ©ception »). Manomboka eo izany dia tsy misy nidiranâny fanjakana intsony fa ny anâny DGPP (« Direction gĂ©nĂ©rale des projets prĂ©sidentiels ») dia vita ny asa ary voaloha ny vola. Teo kosa anefa no nanomboka ny fahorianâny orinasa tena nanamboatra azy. Fa inona ity tantara ity ?
Taorianâny antso asam-panjakana (« Appel dâoffres public ») dia ny Entreprise Etanco no nahazo ny tsena na « marché ». Asa orinasa inona loatra ity farany fa dia naka orinasa hafa izy hanatanteraka ny fanamboarana ilay « LycĂ©e agricole ». Entreprise Miary indray io resahana io. Ilay antsoinâny mahalala hoe « sous-traitant » no nifanarahana. Misy izany aloha ny fifampinamanana sy fifampitokisana matoa raikitra ilay izy. Inona moa izany fifanarahana raikitra izany ? Nilaza ny Entreprise Etanco fa hoe tsy manam-bola (?) ka ny Entreprise Miary no hanaganana ilay « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry. Ka rehefa azo ny vola dia haveriny ny lany ary ny tombony kosa dia hifampisasahana.
Araka ny voalaza etsy ambony dia ny alakamisy 3 desambra 2020 no natao ny fandraisana ara-pomba ofisialinâny asa vita (« rĂ©ception officielle des travaux »). Fa talohanâizay dia nisy tranga iray noheverina fa « nety » kanefa fototry ny tohinâny tantara. Vao ny tafo fotsiny no tafapetraka (mazava fa vita ny fototra sy ny rindrina) dia nilaza taminâny Entreprise Miary ny Entreprise Etanco fa efa azo ny vola ( ?). Ary dia naveriny tokoa ny vola rehetra nampiasana taminâny fanangana saingy tsy tadifitra tao ny tombony (« bĂ©nĂ©fices ») hatraminâizao hanoratana izao. Inona moa no niafarany fa dia nifampitory ireo hoe « mpinamana mifampahatoky » ?
Ka na dia tsy misy hidiranâny DGPP intsony ilay resaka dia mba manaitra ny tomponâandraikitra ao ihany aminâizao zavatra manaraka izao : orinasa milaza fa tsy manam-bola ve dia aminâny fomba ahoana no nahazoany ny tsena ? Ny asa mbola tsy vita akory dia aminâny fomba ahoana koa no nafahanâny banky (satria any no maka vola fa tsy ao aminâny Prezidansy) namoaka vola be ho anâny Entreprise Etanco ?
Noho ireo tranga roa tsy mazava ireo (orinasa tsy manam-bola nahazo tsena sy banky namoaka vola nefa tsy vita akory ny asa) dia mitodika ho azy any aminâAndriamatoa Laza Andrianirina, Tale jeneralinâny Bianco, izay avy nanatrika vaotsy ela atrikâasa mikasika ny ady aminâny kolikoly tao aminâny Firenena Mikambana ao New York : fotodrafitrâasanâny Filoham-pirenena no voaresaka eto. Na tiana na tsy tiana mamofom-pofona kolikoly io nanamboarana ny « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry io. Ary mino izahay fa tsy io ihany fa tena atao fitaovana hampanan-karena tmpoka mihitsy ny Filoha Rajoelina, araka ny lohateninay.
Aza miandry tranga hafa tsy voafehy intsony ka hanomezana tsiny ny hafa lava izao fa jereo akaiky io resaka « LycĂ©e agricole » ao Vatomandry io ary indrindra indrindra, araho akaiky dia akaiky ny resaka tsenam-panjakana (« marchĂ©s publics ») eto Madagasikara. Raha tsy mahavita izany ianao, manana fahendrena mametraka fialana fa tsy ho fahanana fialana bala toanâny Dg sasany tsy mampamiratra ny tokan-tranonâny Malagasy amanâarivony eto Iarivo fotsiny. Izao mantsy no voalazanâAndriamatoa ampahibemaso tao aminâny Firenena Mikambana. Tsy misy mampiasa teny malagasy ny aho ka ity ny teny frantsay nampiasainy : « Mon Gouvernement met en place des procĂ©dures innovantes pour dĂ©raciner ce flĂ©au, en tenant compte des trois piliers que sont lâĂ©ducation, la prĂ©vention et la lutte ». Ampiaro aminâizay ary, Tompoko, tsy ho « thĂ©orie » fotsiny ihany. Sa tsy izany leiretsy ?
Jeannot Ramambazafy