]
Les quotidiens du 25 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Korea atsimo sy Afrika. Efa tamin’ny taona 1950 no nifandray sy nifanampy

Korea atsimo sy Afrika. Efa tamin’ny taona 1950 no nifandray sy nifanampy

Ny fiandohan'ny fifandraisana teo amin'i Korea atsimo sy Afrika dia nanomboka tamin'ny vanim-potoanan'ny Ady Koreana nandritra ny taona 1950. Rehefa nandalo fotoan-tsarotra noho ny ady i Korea atsimo, dia nanome tànana nanampy azy ireo firenena Afrikana: Nandefa mpiambina azy ny mpanjakan’i Etiopia, nandefa Ekipa ana tafika an'habakabaka i Afrika Atsimo, Liberia sy Ejypta dia nanolotra fanohanana ara-pitaovana, ary nisy miaramila Maraokana niady tao anatina vondrona frantsay. Ireo fifamatorana sarobidy ireo, taty aoriana, dia nitarika ny fananganana fifandraisana ara-diplaomatika teo amin'i Korea atsimo sy firenena Afrikana enina, dia : Côte d'Ivoire, Niger, Bénin, Tchad, Cameroun ary ny Repoblikan'i Congo. Izany dia tamin'ny taona 1960, teo amin’ny fotoan'ny niverenan’ny fahaleovantenan'ireo firenena Afrikana ireo.


Tamin'ny taona 1980, nisongadina indray ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'i Korea atsimo sy Afrika, izay novelomina tamin'ny fampiantranoana ny lalao olympika tao Seoul, tamin'ny taona 1988. Izany lalao olympika izany dia nampiroborobo ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-politika izay nihamafy teo amin'i Afrika sy Korea atsimo, ary nitarika ho amin'ny fanitarana tsikelikely ny fifandraisana amin'ireo firenena Afrikana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta eo amin'ny ambaratonga ambony manerana ny kaontinanta afrikana.


Tamin'ny fiafaran'ny Ady Mangatsiaka (« Guerre froide ») tamin'ny taona 1990, dia nitarin’ny Korea atsimo ny fisiany ara-diplaomatika aty Afrika. Marihina fa ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny fananganany ny « Korea International Cooperation Agency » (KOICA) ny taona 1991, dia nanamarika dingana lehibe amin'ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika an'i Korea sy ny kaontinanta afrikana iray manontolo.


Ny fiandohan'ny taona 2000 dia nanamarika ny firoboroboan'ny firaisankina sy ny fifamanatorana manerana ny kaontinanta afrikanina, ary niafara tamin'ny fanaganana ny Vondrona Afrikana (UA) tamin'ny taona 2002. Nomena sata mpanara-maso avy amin'ny UA i Korea atsimo tamin'ny taona 2005. Izany dia nanokatra làlana ho amina fiaraha-miasa mivelatra kokoa miaraka amin’ny UA.


Ny taona 2006, tamin'ny alalan'ny « Korea Initiative for African Development », dia nanambara ny fanoloran-tenany hizara ny traikefany amin'ny fampandrosoana an’i Afrika i Korea atsimo.

Ankoatr'izay, tamin'io taona io ihany, dia natomboka tamin'ny volana Aprily sy Novambra ny fihaonambe fiaraha-miasan’ny Minisitry ny Ekonomia avy ao Korea atsimo sy Africa (KOAFEC) sy ny « Korea-Africa Forum » (KOAF), izay natao ho sehatra fototra eo amin'ny fiaraha-miasan’ny Korea atsimo sy ny kontinanta Afrikana.


Ao amin'ny sehatra nasionaly, ny forum « New Era of Africa » nokarakarain’ny Antenimieram-pirenena Koreana atsimo, tamin'ny 2013, dia nametraka ny fototry ny diplaomasia parlemantera, raha tamin'ny 2016 kosa ny « Africa Comprehensive Cooperation Initiative » izay nipoiran’ny fepetra mifanaraka amin'ny fananganana fiaraha-miasa mahasoa eo amin'i Afrika sy ny Korea atsimo.


Ankoatra ireo dia nisy ny fananganana ny « Korea-Africa Foundation » ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Koreana atsimo, ny taona 2018, izay nampiroborobo ny fifanakalozana eo amin'ny sehatra tsy miankina. Tamin'ny alalan'ireo ezaka ireo, ny Korea atsimo sy Afrika dia nanitatra ny fiaraha-miasa pragmatika amin'ny sehatra isan-karazany toy ny varotra, fampiasam-bola, fotodrafitrasa, harena an-kibon'ny tany sy angovo, fiarovana, e-governemanta, ary koa ny teknolojian’ny fampahalam-baovo sy ny teknolojia nomerika.

FANTARO NY KOREA ATSIMO

Rafim-pitondrana : Repoblika ary Demokrasia parlemantera


Filoham-pirenena : Yoon Suk-yeol, nanomboka ny 10 May 2022.

Fetim-pirenena : 03 Oktobra (Nanorenana ny « Empire Choson », 2333 talohan’ny Jesosy Kristy)

Renivohitra : Séoul (서울) Tanàna faha-efatra be mponina indrindra maneran-tany aorian’i Tokyo, Mexico sy New-York.

Tanan-dehibe aorian’i Séoul : Busan (부산), Incheon (인천), Daegu (대구)

Velaran-tany : 99 618 km² (ivelan’ny faritra tsy misy miaramila)

Isan'ny mponina any Korea atsimo : 52.355.186 (2024) ka 11.8% dia mihoatry ny 65 taona

Teny ofisialy : Fiteny koreana miala amin’ny fomba fanoratana Hangeul (한글)

Finoana


Vola : Won (KRW). Mai 2024 : 1 KRW = 0,00073 USD ary 10.000 wons = 7,29 USD.

Ora : Raha amin’ny 12 ora eto Madagasikara dia amin’ny 18 ora ny any Korea atsimo.

Hiram-pirenena : « Aegukga » (애국가) midika hoe : Hiran’ny Fitiavan-tanindrazana


Sainam-pirenena koreana atsimo : « Taegeukgi » (태극기) : mampiseho ny Yin (manga) sy ny Yang (mena) izay miaraka maneho ny fifandanjana sy ny firindrana mampiavaka ny tontolon'ny tsy manam-petra. Fa misy koa ny atao hoe « trigrammes » eo amin’ny zoro efatry ny saina. Izy ireo dia sarisarin’ny Lanitra (Geon), ny Tany (Gon) ny Rano (Gam) sy Afo (Ri). Ny 25 Janoary 1950 io saina io no lasa sainan’ny Repoblikan’ny Korea atsimo ara-pomba ofisialy.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mercredi, 05 Juin 2024 11:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024