]
Les quotidiens du 28 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar : Foisonnement de produits au Vendredi de Madame Martine

Madagascar : Foisonnement de produits au Vendredi de Madame Martine

Quel est donc ce drôle de titre ? Sachez que le village dénommé Anjoma Ramartine signifie littéralement au Vendredi de Madame Martine. Par ailleurs, Zoma (Vendredi), dans bien de localités malgaches, est synonyme de jour de marché ou marché tout court.

Les pancartes ci-dessous vous expliquent le pourquoi du déplacement d’une forte délégation de ministres du gouvernement de la HAT. Tout y est dit.

Oui, il s’agissait de la pose de la première pierre d’un Centre de développement-Fararano Lacafampivoarana-Foisonnement de produits), à Anjoma Ramartine. Bon, puisque c’est une histoire de développement malgacho-malgache, rédigeons en malgache.

Ny ministra Ramanantsoa, Juscelyno, Ramaroson ary Razafimanazato

Ao anatin’ny fivondronampokontan’ny Mandoto no misy ny kaominina Anjoma Ramartine. Ity toerana ity no nanatanterahina ny fametrahana ny vato fehizoro ny fananganana ny trano famoriambokatra sady fivarotana izany. Tonga tany an-toerana   nisolontena ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny  minisitry ny  Fanabeazam-pirenena Atoa Julien Razafimanazato, notronin’ny minisitra ny Mponina, Rtoa Nadine Ramaroson ary  nahitana ihany koa ny minisitra ny Angovo, Atoa Jean Rodolphe Ramanantsoa ary ny minisitra ny Fambolena, Atoa Jaonina Mamitiana Juscelyno.

Andriamatoa Ben'ny TanĂ nan'Anjoma Ramartine

Navoitry ny Ben’ny tanàna  ny hetahetan’ny mponina amin’ny tokony hisian’ny televiziona ao antoerana. Nasondainy ihany koa ny fahavononan’ny mponina eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ary nangatahin’ny Ben’ny tanànan'Anjoma Ramartine ihany koa ny hanarenana ny tranon-tsekoly izay simban’ny rivo-doza.

Ny Ministry ny Mponina, Ramatoa Nadine Ramaroson

Raha nandray fitenenana ny minisitra   ny Mponina dia nitatitra hatrany ny fahavononan’ny  Fitondrana tetezamita tarihin’ny filoha Andry  Nirina Rajoelina, amin’ny fitsinjovana manokana ny vahoaka, indrindra ny fikarakarana azy ireny eo amin’ny lafin’ny sosialy : « Tsy mora, hoy Rtoa Nadine Ramaroson, ny manarina  izay sehatra ny sosialy izay satria hita fa nia-nahantra tanteraka ny vahoaka nandritra izay 50 taona izay. Na izany aza dia manao izay  ho afany ny mpitondra  sy ireo mpikambana ao amin’ ny Gouvernemanta. Manankarena i Madagasikara saingy noho ny fitantanana gaboraraka nataon’ny mpitondra teo aloha, dia  lasa olom-bitsy no nahazo tombontsoa  fa ny vahoaka kosa dia nia-nahantra hatrany ary mbola vokatr’izany izao zakain’ny vahoaka ankehitriny izao ».


Ny Ministry ny Fanabeazampirenena, Andriamatoa Julien Razafimanazato

Ny Minisitra ny Fanabeazanampirenena indray, izay nisolontena ny Filohan’ny HAT, dia nilaza  fa  hoezahina atao izay fanamboarana tanteraka ny tranon-tsekoly. Eo koa ny  fanolorana ny  ambioka ho an’ny mponina : «Tanjona ny fampandrosoana ny ambanivohitra ary fiaraha-miasa amin’ny  olo-tsotra sy ny  fiangonana ity trano fanangonam-bokatra ity. Ny politikan’ny fitondrana ankehitriny dia miezaka manatona ny vahoaka. Midika izany fa porofo iray ho fitohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjaka sy ny sehatra tsy miankina ary ny fiangonana izao  fanorenana ny  ivotoerana fanangonam-bokatra sy  famatsiana izao ».


Monsenera FĂ©lix Ramananarivo

Tao anatin’iny lanonana iny, natao ny asabotsy faha-10 aprily 2010, dia nisy ihany koa  ny fanolorana ny omby telo avy amin’ny Filoha hy tetezamita. Tsiahivina etoana fa ny foibe fanangonambokatra sy famatsiana  ity moa dia hetsika niala avy tamin’ny Monsenera Félix Ramananarivo, Evêque Emérite de l’Eglise catholique d’Antsirabe. Ny “GROUPE  Liaison Office Consulting” no hanatanteraka ny  fananganana ity foibe fanangonambokatra sy famatsiana  ity. Haharitra  12 volana ny asa ary mitentina 1.000  tapitrisa irambilanja  ny fanamboarana.

Jeannot RAMAMBAZAFY - Andry RAKOTONIRAINY

Mis Ă  jour ( Lundi, 12 Avril 2010 21:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...