]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ravalomanana R.-Lylison-Ramaroson A. : toko telon’ny fandriampahalemana - Monja Roindefo nampangain'ny teniny

Ravalomanana R.-Lylison-Ramaroson A. : toko telon’ny fandriampahalemana - Monja Roindefo nampangain'ny teniny

Nandritra ireo 20 volana lasa ireo dia nanao izay afany tokoa Ingahy Ravalomanana namatsy vola ireo karazana « actions » hanonganana ity fitondranana tetezamita ity.

TSINDRIO IO SARY EO AMBONY IO ARY HENOY TSARA NY FANAMBARAN'i MONJA ROINDEFO, NY ASABOTSY 13 NOVAMBRA 2010

Ny any ampita moa dia amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola ireo tambazotra Internet izay tsy manao afa-tsy mamafy lainga sy manamboamboatra sary. Tsy nahomby, tsy mahomby ary tsy hahomby mihitsy satria tsy amina miliara akory no hiadivana amin’ny marina izay tokana ihany ary mivoaka eny foana ka amarinan’ny tena zava-isy sy misy. Raha eto Antananarivo manokana (satria any ivelan’ny renivohitry Madagasikara dia milamina eo amin’ny lafin’ny hoe “krizy politika”, dia nahery vaika ny « actions » tsy mananjary manimba ny tanora voarebirebin’ny vola mora azo. Ity ary misy lahatsoratra mamntina ny zava-nitranga sy ny niafarany hatrany : tsy nisy nahomby na iray aza.

Kanefa ry mpanome vola isany dia mitsotsotra any mitady asan-devoly afa isan’andro vaky izao. Tsotra: rehefa miditra makarakara dia tsy maintsy mivoaka amin’ny kilaodaoka. Mbola tsy diso io fitenenana io hatramin’izao.

Jeannot Ramambazafy

Ny Kolonely Richard Ravalomanana dia miezaka foana mandresy lahatra sy mifanerasera aman'olona fa tsy mpanao amboletra mihitsy

Fanonganam-panjakana sy asa fampihorohoroana maro ankoatra ny asan-jiolahy goavana no rava teto an-drenivohitra nandritra ny heritaona sy tapany izao. Tsy nahomby avokoa izany rehetra izany noho ny fisian’ireto manamboninahitra roalahy avy amin’ny zandarimaria, dia ny kolonely Ravalomanana Richard, CIRGN Antananarivo sy ny lietna kolonely Lylison Urbain de René, lehiben’ny FIS ary ny filohan’ny komity misahana ny fiarovana teo anivon’ny HAT, Alain Ramaroson.

Ny Lietna-Kolonely Lylison de René kosa dia manaja ny sata mifehy ny zandary. Tsy milisy izany izy fa zandary ary entitra tokoa izy miaro ny firenena na dia ao anaty tetezamita aza, dia misy ny mpitondra eto Madagasikara

Ny « opération Taliban » no voalohany indrindra tamin’izany. Hetsika nikasàna hamonoana ireo tomponandraikitra ambony teo amin’ny tafika sy ny zandarimaria, fandravàna ny VIVA ary fanapoahana toby miaramila sy ny « commissariat central » an’ny pôlisy, ankoatra ireo orinasa goavana toa ny Madauto, sns. Fantatra taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny atidohan’ izany, dia ny kolonely Andriamihaotra, Djadifara ary ny komandà Ratsiorimanana. Ny kolonely Ravalomanana Richard, ny lietna kolonely Lylison ary ny filohan’ny komity misahana ny fiarovana teo anivon’ny HAT Alain Ramaroson no niara-nisalahy nandrava izany.


Izao ny fomba nisamborana an'i Manandafy. Komandà i Charles tamin'izany. Nefa dia niray tsikombakomba tamin'ny Jeneraly Raoelina izay nitifitra tao Ambohitsorohitra ne 7 febroary 2009. Mahery ny herin'ny vola e !

Niditra an-tsehatra indray koa ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina ny faha-14 aprily 2010. Nikasa haka ny lapan’Ambohitsorohitra ny tenany tamin’izany fotoana. Ireo miaramilan’ny FIS ihany no saika hampiasainy hanatanteraka izany. Nandray fanapahan-kevitra ireto farany ka nampandre ny lietna kolonely Lylison. Rava teo iny fikasana faharoa iny.

Nandimby izany fanonganam-panjakana izany indray avy eo ry kolonely Andrianjafy Raymond sy ny tariny ny faha-20 may 2010. Mbola ny kolonely Ravalomanana Richard sy ny lietna kolonely Lylison no niditra an-tsehatra ka dia rava teo izany. Lavo noho ny tifitra nataon’ireo mpikomy tamin’izany moa i « Vazaha », tanana an-kavanan’ity lehiben’ny FIS ity.

Ireo voasambotra saika hanafika ny Lapan'ny Praiministra ao Mahazoarivo

Niseho indray koa avy teo ny fikotrehina hakàna ny lapan’i Mahazoarivo, nahatratrarana ireo mpanongam-panjakana teny Ambohijanaka. Nahitàna ny fandraisana anjaran’ny filohan’ny komity misahana ny fiarovana teo anivon’ny HAT, Alain Ramaroson, ankoatra ny nahitàny ireo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny Mikoja Nanisana, sns. Iny efa niaraha-nahita iny moa ny zava-niseho teny amin’ny BANI Ivato.

Ankoatra izany rehetra izany ny ady tamin’ny asan-jiolahy goavana, nahatratrarana an’i Solovelo Régis, Bréchard, Njaka Commando ary ireo mpaka an-keriny. Jiolahy nokarohina nandritra ny fitondrana nifandimby avokoa izy rehetra ireo saingy voatery niandry ny fisian’ny FIS sy nitantanan’ny kolonely Ravalomanana Richard izany vao nahitam-bokany.

Alain Ramaroson. Sivily fa miandraikitra ny filaminana eo anivon'ny Tetezamita. Im-betsaka izy no voatafika tao an-tranony fa mijoro foana ny lehilahy na dia be tokoa ny tsao mandeha momba azy

Izy telo miarahalahy ireto no andrin’ny fitondrana tetezamita manoloana ny fikasàn-dratsin’ireo andian’olona tsy mankasitraka ny fanovàna kasaina hajoro eto amin’ny firenena. Karazana fitaovam-piadiana maro no tafaverina nandritra ny hetsika nataon’izy ireo raha tsy hiresaka afa-tsy ireo kalachnikov, grenady, poleta am-polony maro fotsiny ihany. Sahala amin’ny ahoana tokoa ny toe-draharaha teto amin’ny firenena rahatoa ka tsy nisy azy ireto teo anivon’ny mpitandro filaminana ? Maro dia maro anefa ny fanakiviana sy ny sakan-tsakana isan-karazany na avy aty ivelany izany, eny tao anatin’ny fitondrana mihitsy aza.

Nivoaka tao amin’ny La Gazette de la Grande île (Talata 23 Novambra 2010

Mis à jour ( Mardi, 23 Novembre 2010 18:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...