]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara: Vary mora fitsinjovana ny maro an’isa fa tsy hanaova afera

Madagasikara: Vary mora fitsinjovana ny maro an’isa fa tsy hanaova afera

Taorian’ny filazan’ny Filohan’ny Tetezamita fa hanafatra vary amidy amin’ny vidiny mora ny fitondrana, dia anisan’ny voadona mafy tany amin’ny aferony tany ny mpandraharaha sasany izay mpanao ity asa fanafarana vary ity. Nisy mihitsy aza no nilaza fa: “ tsy tokony atao izao“.

Mazava loatra fa dia ireo izay hita fa tsy manao ny aran-dalàna amin’ity asa ity no tena velon’ahiahy mafy. Ny afa kosa, rehefa nifampiresaka tamin’ny Filoha ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, dia nanaiky ny fiara-miasa, satria tokoa vahoaka no tsinjovina. Amin’izao fotoana izao ary dia voatazona ny teny nomena momba ity vary mora ity, satria tonga tokoa  ny nandrasana dia ny hanaovana ny vidim-bary ho 1.000 ariary ny kilao.

Mbola ambanin’io vidiny novinavinaina aza satria dia amidy 900 ariary, amin’izao fotoana aza, ny kilaon’io vary,  araka ny  voalazan’ny Filohan’ny Tetezamita tany Toamasina.

Tsy mora ny manao zavatra fa dia tsy maintsy mandeha mian-dàlana satria tsy vahoaka folo na arivo rahateo no tantanina fa dia an-tapitrisany, ka dia hiezahana ny manome izay mety. Ny Asabotsy 26 Febroary teo ary no tonga teto Antananarivo nentin’ny “wagons”’ny Madarail  ny vary milanja 240 taonina, izay hotsinjaraina amin’ireo fokontany 192. Tonga teny an-toerana  nijery akaiky ny  fahatongavan’ity vary ity sy ny faondranana izany anaty fiarabe mpitatitra entana ny Minisitra telo tonta  dia ny Minisitra ny  Mponina sy ny Raharaha sosialy, Ramatoa Nadine Ramaroson, ny Minisitra ny varotra Andriamatoa Mahazoasy Freddie, ary ny Minisitra  ny Vola sy ny Teti-bola Andriamatoa  Hery Rajaonarimampianina.

Hery Rajaonarimampianina

Ity farany moa dia nilaza fa vola madiodio an’ny Fanjaka no nanafarana  ireto vary ireto izay mitentina  9 tapitrisa dolara, ary  misy soratra manokana mihitsy ny gony misy azy dia ny “Sunshine” ka amidy  900 Ariary ny kilao. His io vazry io ihany koa eny amin’ny mpivarotra sy ny any amin’ny faritra, Izany hoe : mandalo amin’ny  mpamongady  vao mankeny amin’ny mpivarotra. Ny andraisan’ny mpamongady azy  indray dia 860 ariary, mpamongady izay miisa 4.300 hiara-hiasa amin’ny  famarotana ity vary ity.

Nadine Ramaroson

Ho an’ny Minisitra ny Mponina indray dia  nilaza izy fa hara-maso  hatrany  fiaingan’ity vary ity mandram-pahatongany eny amin’ny fokontany, ary atao amin’ny mangaraharaha ny fizarana izany : mahazo  5 kilao isan’’olona. Ny Asabotsy teo moa dia  nanatitra ireo vary isakin’ny fokontany ny Minisitra ny Mponina no sady  niresaka fohy tamin’ireo vahoaka. Raha ny fanirian’izy ireo dia mba tsy ho tapaka ny famatsiam-bary. Nazavaina anefa Ramatoa Nadine Ramaroson fa  rehefa miakatra ny voka-bary sy miverina amin’ny laoniny ny vidiny dia mijanona hatreo  ny fanamparihahana ny vary mora ataon’ny Fanjakana.

Mahazoasy Freddie

Arak’izany dia  mbola misy vary efa nafarana izay efa an-dàlana  milanja  32.500 taonina, hoy ny Minisitra ny Varotra, Andriamatoa Mahazoasy Freddie.

Fehiny : tsy natao hamono ny mpandraharaha velively ny vary mora fa fanampiana natao  mandra-piakatrin’ny voka-bary eto amintsika. Ary tsy natao hanaovana afera ihany koa, ka mba aoka izay ny fitiavan-kely sy ny fitiavan-tena.

Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mardi, 01 Mars 2011 20:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...