]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Norbert L. Ratsirahonana : manazava tsara be ny mpahay lalàna

Norbert L. Ratsirahonana : manazava tsara be ny mpahay lalàna

Norbert Lala Ratsirahonana

ETO NY ANARAN'IREO KANDIDA HO PRAIMINISTRY NY TETEZAMITA IARAHA-MITANTANA

Iza moa no tena mila fanazavana, mikasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ? Ny olom-pirenena malagasy fa tsy ny vazaha akory. Vazaha izay mahay tsara ny fandehany fa miandry ny fotoana fotsiny haniliana tanteraka an’Ingahy Ravalomanana. Izany no atao hoe politika avo lentan’ny tany tandrefana.

Ny alahady 13 martsa 2011 alina teo ary dia niaka-tsehatra tao aminy Televiziona Malagasy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana,, mpahay lalàna, mpikambana tao amin’ny HCC, efa sady Filoham-pirenena no Lehiben’ny Governementa tamin’ny tetezamita 1996. Ankehitriny izy mpanolotsainan'ny Filohan'ny Tetezamita Andry Rajoelina sady mpikambana ao amin'ny CST (Conseil Supérieur de la Transition). Koa iza no hahalala lalàna noho ny mpahay lalàna ? Mazava tsara be ny fanazavany. Ka io amina video io izany fanazavana izany. Niniako tsy nadika teny afa satria, ny Malagasy no hifidy fa tsy ny vazaha akory.  Ary raharaha “malgache-malgache” ihany koa no miandry ny tetezamita hiaraha-mitantana, fa mpanelanelana ihany fotsiny ireo vahiny.

Koa miainoa tsara fa tsy misy ompa ao na koa fitsikerana olona fa resak’olon-dehibe sy matotra fa tsy resaka forum’ny kanosa tsy mahalala na koa tsy te-hahalala ny zava-misy sy ny fiovana marina eto Madagasikara. Ny tsy aninona tsy aninona ihany no manam-potoana anao fitsikerana tsy mankaiza fa be karajy sy kajy toan’ny manao ariary zato eo am-pandriana fotsiny ihany.Farany : ho an'ireo Malagasy tsy mahay teny gasy (afa tsy teny ratsy) dia mba adikao satria tafiditra ao amin'ny Tantaran'i Madagasikara io horonampeo io.

TSINDRIO ETO NA EO AMIN'IO SARIN'ATOA RATSIRAHONANA AMBONY IO

Jeannot Ramambazafy – 14 martsa 2011

Mis à jour ( Mardi, 15 Mars 2011 06:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA