Mpianatra miisa 250 no nivoaka taminâny fomba ofisialy ny Asabotsy faha-7 mey lasa teo. Teny aminâny Kianja mitafo Ankorondrano no nanatanterahina ny famoahana ireto mpianatra ireto. Mpianatra izay nofanina manokana momba ny teny Anglisy, nandritra ny efa-bolana ary afaka mandray asa avy hatrany.
Nahavariana sy nahatalanjona ny fahaizanâireto mpianatra ny teny Anglisy, izay nanaovanâizy ireo fampiharana rahateo nandritra ny lanonana famoahana azy ireo. Hita taminâizany fa dia mahafehy tsara izay teny vahiny izay ireto ankizy ireto. Ity teny ity rahateo no nifandimbiasana tao anatinâny kabarinâny tsirairay.
Raha mitodika aminâny tantara momba ireto ankizy ireto dia izao : ankizy avy aminâireo TanĂ na ambany (âbas quartiersâ) izy ireo. Izany hoe zanaky ny fianakaviana sahirana avokoa ireto vao nivoaka ireto. Ny tena tombonâity nahazoana izy ireo mari-paizana dia ny fahafahany miasa avy hatrany. Ohatra : â guides touristiqueâ, hotely, sehatrinâny Fizahatany, sns. Satria dia tena mahafehy tantareraka ny teny Anglisy izy rehetra ireo.  Ny FMS na Fikambanana Miahy ny Sahirana izay mikarakara ny ankizy sahirana no niara-niasa taminâny minisiteranâny Mponina, nahafahana nanatontosa izao fampianarana ireto ankizy izao.
Tsy mahagaga raha tonga nanatrika teny Ankorondrano Andriamatoa Ravelosaona Bernard, Talenâny DRSP (âDirection de lâInsertion sociale et professionnelleâ), sampana iray eo anivonâny Minisiteranâny Mponina sy ny Raharahara sosialy. Tsy adino koa Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, izay nanolotra ny  mari-pahaizana ho anâireto ankizy ireto.
Ankoatra ireo nahazo ny mari-pahaizana aminâny fifehezana ny teny anglisy, nisy 40 hafa nahazo ny mari-pahaizana afaka mampianatra teny anglisy.
Tsy vitanâizany fa misy ankizy roa no handeha hiasa amina orisana mpanao fromazy any Amerika (U.S.A). Porofo mitoaka aminâny tenda, araka izany, fa azo atao tsara ny mampiakatra avo ny fahaizanâireo ankizy sahirana eny ambany TanĂ na ambany.
Jeannot Ramambazafy
Sary : Andry Rakotonirainy