]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Frera Raphaël Louis Rafiringa ho Olontsambatra

Frera Raphaël Louis Rafiringa ho Olontsambatra

Tontosa tamin’ny alalan’ny fanaovana Sorona Masina lehibe niarahana tamin’ny Diosezin’Antananarivo, notarihin’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Marie Odon Arsène Razanakolona, ny Eveka mpanampyMgr Jean de Dieu Raoelison, ny Nonce Apostolique Mgr Eugène Martin Nogent, ary ireo pretra maro tao Soavimbahoaka ny 19 mey 2011 lasa teo ny famindrana ny taolambalon’ny Frera Raphaël Louis Rafiringa Olontsambatra ho ao amin’ny Trano fivavahana.

Notokanana tamin’io koa ity Toeram- pivavahana ity, izay azon’ny rehetra tsidihina sy ivavahana isanandro. Ny andron’ny alakamisy 19 mey, izay nahafatesany tamin’ny taona 1919, tany Fianarantsoa no napetraky ny Eglizy ho andro sy Fetin’ny Olontsambatra Fr Raphaël Louis Rafiringa.

Nisongadina tamin’ireo lahateny sy ny toriteny ny maha fitaratra sy filamatra ny Olontsambatra Fr Raphaël Louis Rafiringa. Anisan’izany ny nilazan’ny Akademia Malagasy fa « Zokibe mpialoha lalana mitsinjo lavitra ny Olontsambatra Raphaël Louis Rafiringa ».


Ny zoma 20 mey 2011 kosa no nanaovana Sorona Masina ho fisaorana an’Andriamanitra noho io tsingerin-taona faharoa io, niarahana tamin’ny Fianakaviambe lasalianina, tao Soavimbahoaka, narahana sahoby.

Ampahany amin’ny tahirin-tsoratry ny Olontsambatra Frera Raphaël Louis Rafiringa no natao sokitra eo ambonin’ny vata nametrahana azy, araka ny fanazavan’ny Frera Vice-Postulateur, Hilare Raharilalao, izay mivaky toy izao : « … Mba hahafahako miasa ho famonjena fanahy, eny na dia ao aorian’ny fahafatesako aza… ».

Marihina fa tsy niova, toy ny tamin’ny fotoana namindrana taolambalony taty Antananarivo (1933) ny razana tamin’ny namindrana azy niala tao amin’ny fasana eny Soavimbahoaka, ny alarobia 18 mey 2011.

Nofaranana tamin’ny alalan’ny fanomezana mariboninahi-panjakana teny amin’ny Cemes Soanierana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Maintimolaly lasalianina (AAEL) ny famaranana ny taom-panandratana ho Olontsambatra ny Frera Raphaël Louis Rafiringa ny asabotsy 21 mey 2011 ka 46 no nahazo izany : Grand croix de 2è classe de l’Ordre national iray (1), Grand Officier de l’Ordre national iray (1), Commandeur de l’Ordre national dimy (5), Officier de l’Ordre national enina (6), Chevalier de l’Ordre national iraika amby roapolo (21), Chevalier de l’Ordre de Mérite dimy (5), ary médaille de travail ny ambiny. Tsiahivina fa andiany faharoa ity fanomezana mariboninahi-panjakana ity. Notontosaina tao amin’ny Intsititution Sainte Famille tamin’ny 12 desambra 2009 ny andiany voalohany.

Dingana manaraka ny hanandratana ity Frera lasalianina malagasy ity ho Olomasina.

Jeannot Ramambazafy - www.madagate.com

Mis à jour ( Lundi, 23 Mai 2011 09:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA