]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Iray volan’ny ankizy, Jona 2011: “ Miara-mientana isika, hiaro ny ankizy amin’ny herisetra”

Iray volan’ny ankizy, Jona 2011: “ Miara-mientana isika, hiaro ny ankizy amin’ny herisetra”

Nadine Ramaroson, le rayon de soleil de toute une population, de tous âges et de toutes les conditions sociales à Madagascar

Ry Raiamandreny hajaina

Rankizy malala manerana ny Nosy,

Vao omaly no omaly isika no nankalaza tamin’ny fo feno fitiavana ny Fetin’ny Reny, ka na vady na zanaka dia samy nanome lanja an’izany Fetin’ny Reny izany daholo, satria « hafa ihany i Mama » hoy ny tononkiran’ny mpanakanto.

Isan-taona koa isika dia mankalazana ny Iray volan’ny Ankizy. Raha kitapo nifonosana sy andry niankinana ny Reny, dia kiady sy rehareha ny zanaka. Mamy ny zanaka, menaky ny aina, sombin’ny aina hoy isika Malagasy, sady fitohizan’ny taranaka faramandimby.

Homentsika lanjany manokana izany Iray volan’ny ankizy izany. Maro ireo hetsika hanamarihantsika an’izany.

Amin’ity andro voalohany ity aloha dia hisy fitsinjovana manokana ireo ankizy tena marefo ara-pivelomana, fizarana vary feno otrik’aina ary kilalao,

Ny 10 Jona dia hanangana komity foibe ho an’ny fiarovana ny ankizy isika,

Amin’ny 17 Jona dia hanamarika ny andro iraisam-pirenena natokana ho amin’ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy amin’ny fitadiavam-bola any Antsiranana isika.

Hisy atrik’asa, hetsika eo amin’ny faritra, ny 55 distrika ary 450 kaominina izay efa misy ny tambazotra fiarovana ny ankizy.

Atrik’asa sy fifampidinihina mba hahatomombana ny hetsika sy ny fandrindrana ny fiaraha-mientana ho an’ny fiarovana ny ankizy. Ny lohateny nosafidiana rahateo dia ny hoe:

“ Miara-mientana isika, hiaro ny ankizy amin’ny herisetra” na “Agir ensemble pour protéger les enfants contre la violence”.

Be loatra ary tafahoatra tanteraka ny herisetra nianjady tamin’ny ankizy ary raha tamin’ny taona 2010 dia toa izao ny kely vita aloha:

-          Nosy Be: 76 – 71 Ankizy vavy

-          Antsirabe: 261 – 212 Ankizy vavy

-          Toamasina I: 107 Ankizy vavy

-          Antananarivo: 342  Ankizy vavy

Ireo no ankizy voarain’ny tambazotra miaro ny ankizy an-tanana ary voalamina.

ALBUM PHOTOS EXCEPTIONNEL ICI

Ny tena tsapa aloha ary ny olana goavana dia ny tsy fahatokisana ary fatahorana an’ireo sampandraharam-panjakana tokony ary azo hatonina rehefa misy ankizy hiaran’ny herisetra.

Ny tanjona ANKAPOBENY dia ny fandrisiana sy fanentanana ho amin’ny fiarovana ny ankizy izay handraisan’ny rehetra anjara, ray aman-dreny, ny ray aman-dreny ara-drazana, ny tompon’andraikim-panjakana rehetra mba hanamafy ny fifanomezan-tanana ary indrindra ny hetsika.

Ny tanjona tiliana dia ny fandraisan’ireo rehetra ireo andraikitra miaraka ka ho fahazarana sy fandraisana an-tanana avy hatrany ny ankizy sendra iharan’ny herisetra.

Fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo tambazotra miaro ny ankizy amin’ny herisetra.

Ho sokafana ara-pomba ofisialy ny fifaninanana ho an’ny kaominina mendrika indrindra amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra.

Eo amin’ny 450,000 eo ho eo ny olona ho voakasikin’ny fanentanana izay ho atao ao anatin’iray volana. Ankizy 9000 isa no homena vary feno otrik’aina, (“riz vitaminé”), fitaovam-pianarana kely sy kilalao.

Farany, amin’ny maha-Malagasy antsika dia tena tsy azo ekena ary tena mandika tanteraka ny fomban-drazantsika sady mifanohitra amin’ny kolontsaintsika ny fampijaliana zanaka na tsy fidiny aza izany!

-  Lalàna mifehy ny zon’ny ankizy nahazo fankatoavana No.90-029 tamin’ny 19/12/1990

-  Fifanekena tamin’ny 22/09/2004 momba ny fiarovana ny ankizy amin’ny ady amin’ny fivarotan-jaza, amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, amin’ny fivarotan-tena ary ny endrika mamoafady rehetra.

Nadine RAMAROSON

Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy

Antananarivo, 1 Jona 2011

Mis à jour ( Mercredi, 01 Juin 2011 18:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...