]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Chef Baloo no Filoha iombonana vaovaon’ny Kiadin’i Madagasikara

Chef Baloo no Filoha iombonana vaovaon’ny Kiadin’i Madagasikara

Nandray ny asany ireo mpiandraikitra foibe vaovao

Nosantarina tamin’ny alalan’ny fivoahana an-tsaha ny asabotsy 4 jona teo, teny amin’ny Espace Tsararivotra, Vontovorona, ny fandraisan’ireo mpikambana vaovao hitantana ny Foiben’ny Kiadin’i Madagasikara (Kim), tarihin’ny Filoha iombonana vaovao, Raharison Lala (Chef Baloo) sy ireo Filoha mpanampy Tantely sy Lapata, izay vao notendren’ny Komity Lehibe (KL).


« Naman’ny Rehetra ary Rahalahin’ny Kiady Rehetra », lalàna fahefatra ao amin’ny fototra ijoroan’ny skotisma no filamatra sy teny baiko noraisin’izy ireo hitondrana ny andraikiny. Fiofanana, Fifaninanana Teknika, Lasy ary ny andraikitra lehibe iantsorohan’izy ireo ny fanomanana ny Fivoriam-be ho an’ny Fikambanana amin’ny Taona ho avy.


Fanomanana ny fivoriamben’ny Faritany Antananarivo kosa ny amin’ity taona ity. Nanotrona ny fotoana ireo sampana rehetra (Sampana Mavo, Sampana Maitso, Sampana Mena) sy ireo mpiandraikitra avy amin’ireo Fivondronana misy eto Antananarivo, ao amin’ny Kim eto amin’ny Faritra Analamanga, Faritanin’Antananarivo, niaraka tamin’ireo solontenan’ny Komity Lehibe, Chef Rikki sy Chef Dragon. Nilaza rahateo ireo Komity Lehibe fa tena zava-dehibe ny fihaonana toy izao ary nahafaly azy ireo ny Lohahevitra noraisina tamin’ity fotoana ity izay voalaza etsy aloha.


Tamin’izany no nampandraisany anjara ireo ankizy hanazava ny fahazoana io lohahevitra io sy ny fampiharana azy. Noraisina ho teny baiko sy filamatra amin’ny fanohizana ny andraikitra mihitsy ity Lalàna fahefatra ao amin’ny fototra ijoroan’ny Skotisma ity.

Nampita ny vaovao ho any madagate.com : Zoelson Randrianindrina

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA