]
Les quotidiens du 28 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO II

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO II

Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY ity.


Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ny Antsantononkalo tamin’ity volana ity. Nakarina an-tsehatra sy nantsain’ireo mpiray faribolana ny ampahany tamin’ireo tsangan’asan’I Zo-Maminirina sy i Tolotra Arinandriana, navondrona tao anatin’ny amboara “TANDRIMO II”. TANDRIMO Boky faharoa io satria efa nisy ny Boky voalohany nivoaka tamin’ny volana mey 2001, tao amin’ny CGM ihany.


Toy izao no ampahan’ny teny fanolorana nataon-dRakotonirina Gérard tamin’ity boky “TANDRIMO II” ity, izay azo heverina ho mahafehy sahady izay fizotry ny antsan-tononkalo ny alarobia lasa teo :

“ Manodina fanindroany ny tandrimony i Tolotra Arinandriana sy I Zo-Maminirina amin’ny alalan’ity amboara ity. Horonan-ditera maro noladinina ho soratra no tonga tady nampihodinan’izy mianadahy ny tandrimo kilalaony. Fa tanana ahetsiky ny fiainana iainany sy ny fiaraha-monina itrebohany kosa no angovo nisarihana azy hikorisa hamela dindo any amin’izay tany hiararetra hiantefany any. Kianja mbola midadasika azo ampisonenehana ny tandrimon’eritreriny sy ny aingam-panahy ateraky ny “hodina” rahateo ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra, ka azon’izay tsy sarotim-panina rehetra ampandihizana ny “azy” hamelana sary avy amin’ny jijiny, mandra-pitolefiny. Tandrimo, ilay kilalaon’ankizy tsy hahatsiarovany hanoanana eo am-pilalaovana azy, fa hifanomezany fotoana indray rahampitso hampandihy. Toy ity tany mihodinkodina izay zara-toerana nomen-Janahary hivahinianantsika ity, dia taratry ny fepetra maha olombelona ahodin’ny fiainana koa anefa ny tandrimo, ka tsy laitra mihitsy fa satry foana hanodina azy sy hanjohy ny fijijiny mandra-pijanony ... raha tsy fanina. Izay mitsahatra aloha no resy eo! ”.


Nihodidina ny iavian’ny aingam-panahy, ny fivelomana miatrika ny soratra, ny sariitatry Ramafa sy Ramika nandravaka ny boky sy ny efitrano niantsana, ny mahasamihafa ny Slam sy ny tononkalo, ny haisoratry ny ankehitriny hatramin’ny filozofia sy ny tantaran’ny haisoratra ny adihevitra nentin’ireo mpijery nifanakalo tamin’izy mianadahy. Nanome aina ny fihaonana ny fiangalian’Ifanihy ireo ampahan-kirany, ny Tarika Iarivolahy izay anisan’ny zandriny, ny Tarika Androbe (Zanak’Ifanihy).



Ny Antsan-tononkalo ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM amin’ny alarobia 27 jolay 2011 kosa dia «TAKALO… KALO», izay hiantsan’ireo mpanoratra manao ny fandaharana « Korirakanton’ny haisoratra » ao amin’ny ACEEM RADIO ny soratry ny Faribolana SANDRATRA.



Mialoha izany, hakarin’ny Faribolana SANDRATRA an-tsehatra indray ao amin’ny efitrano malalaky ny Goethe-Zentrum/CGM, Analakely ny asabotsy 2 jolay 2011 izao, amin’ny 3 ora tolakandro ny tantara tsangana « RENTY MANADALA ». Heverina fa mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy ankehitriny, eo amin’ny fifandroritan’ny hery ivelany (Rafahaizana sy Ravola) amin’i Nosy (Madagasikara) ity tantara ity, izay efa nolalaovina voalohany tao an-toerana ihany tamin’ny taona 1994.



Nasiam-panavaozana ny rindran-tsehatra notarihin’i Solofo José, ankoatra ireo mpiantsehatra vaovao sasany. Marihina fa natao ho vonan’ny Iray volan’ny teny malagasy, araka ny fomba anamarihan’ny Faribolana SANDRATRA azy io tantara tsangana io. Aorian’io, ny alin’ny 2 jolay 2011 ho avy izao ihany, hisy ny ALIM-BETSO goavana hatao eny Bevalala, nantsoina hoe « AFON-DASY » iarahan’ny mpiray Faribolana sy ireo Sakaizan’ny SANDRATRA rehetra, anasana ny mpitia haisoratra tsy ankanavaka. Hifanakalo kalo sy ainga ary hira ny rehetra. Ho avy hanafana izany rahateo ireo mpanakanto mpihira tsy mahasaraka ny Faribolana SANDRATRA toa an-dRALANTO sy ny maro hafa.


Nandritra izany, maro ireo hetsika toy ny vela-kevitra nandraisan’ny Faribolana SANDRATRA anjara nandritra ity volana ity. Anisan’izay ny fanazavana ny tontolon’ny haisoratra tamin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana tao amin’ny sekoly Md Canisius, Ambohipo ny alarobia 22 jona maraina teo. Nitondra ny dinika i Solofo José, i Avelo Nidor, i Nofy, i Tahiritsoa ary i Liantsoa.



Tsiahivina fa nisy koa ny “Vasavasa … Tafatafa” natao tao amin’ny Unesco Behoririka ny alarobia 8 jona lasa teo, izay nandaharan’I NIRY-SOLOSOA ny “NY SAINAM-PIRENENA, FANDRISIKA NY HAMBOM-PO SY FITIAVAN-TANINDRAZANA”.


Mankasitraka indrindra ny fiarahantsika miasa amin’ny fanelezana ny vaovaon’ny haisoratra, ary mirary soa. Indreto ampiarahanay amin’ity fampitam-bavao ity ireo sary mety ilaintsika, indrindra ho an’ny gazety an-tsoratra. Ankoatra ireo tera-tany vahiny niara-nianoka, nisy koa ireo tanora sembana ara-pahitana (jamba), nanotrona sy nianoka.

Ny Faribolan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Sandratra – www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Juin 2011 04:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...