]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar: La feuille de route en version malgache

Madagascar: La feuille de route en version malgache

TONDROZOTRA HO AMIN’NY FIVOAHANA AMIN’NY KRIZY ETO MADAGASIKARA
FIFANEKEN’NY MPANAO POLITIKA MALAGASY

SAVARANONANDO

Ireo Mpanao Politika Malagasy mpandray anjara amin’ity Tondrozotra ity dia nifanaraka fa hanao ireto fifanekena manaraka ireto ;

I. Andrim-panjakana ao amin’ny Tetezamita

1. Fanohizana ny fifanakalozan-kevitra Malagasy samy Malagasy, eo amin’ireo Mpanao Politika ho an’ny fananganana ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena sy ny fanitarana ny ho anisan’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) ;

2. Ny fomba arahina amin’ny tetezamita tsy mitanila, iarahana ary ifanarahana dia tokony hiafara amin’ny fanaovana fifidianana azo itokiana sy malalaka ary mangarahara eto Madagasikara ;

3. Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina no Filohan’ny Tetezamita. Amin’io maha Filohan’ny Tetezamita azy io dia izy no misahana ny asan’ny Filoham-panjakana ;

4. Fanendrena ny Praiminisitra ifanarahana izay hitarika ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena ;

5. Ny Praiminisitra dia hotendren’ny Filohan’ny Tetezamita amin’ny lisitry ny olo-manan-kaja atolotry ny Mpanao Politika Malagasy nanao sonia ny Tondrozotra. Nifanekena fa ny Praiminisitra ifanarahana dia tsy tokony hitovy fiaviana na faritany na firehana politika izay manohana ny Filohan’ny Tetezamita ;

6. Ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara tamin’ity Tondrozotra ity dia antsoina hanolotra ny lisitry ny olo-manan-kaja izay anendren’ny Filohan’ny Tetezamita, araka ny tolokevitra avy amin’ny Praiminisitra nifanarahana, ny Mambra ao amin’ny Governemantan’ny Tetezamita. Amin’ny fananganana ny Governemantan’ny Tetezamita, ny Filoha sy ny Praiminisitra nifanarahana dia manaiky hanao ny fanomezana marina sy ara-drariny ny andraikitra, amin’ny fanajana ny tondrofetra momba ny fiaviana ara-politika, ny fisoloan-tena ny vavy sy ny lahy sy ny fifandanjana isam-paritra. Raha misy ny fandroahana ny mambra iray ao amin’ny Governemanta, dia hatao ny fanoloana azy amin’ny mpikambana iray hafa ao amin’ny vondrona ara-politika niaviany araka ny fitsipiky ny paika arahina mitovy tamin’ny fanendrena ;

7. Ho an’ny fanitarana ny ho anisan’ny ao amin’ny andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita, toy ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara tamin’ity Tondrozotra ity dia antsoina hanolotra ny lisitry ny olo-manan-kaja izay anendren’ny Filohan’ny Tetezamita ny mpikambana amin’ireo andrim-panjakana ireo. Amin’ny fanendrena ny mpikambana amin’ireo andrim-panjakana ireo, ny Filohan’ny Tetezamita dia manaiky hanao ny fanomezana marina sy ara-drariny ny toerana, amin’ny fanajana ny tondrofetra momba ny fiaviana ara-politika, ny fisoloan-tena ny vavy sy ny lahy ary ny fifandanjana isam-paritra, ary koa ny fifandanjan’ny fizarana eo amin’ny samy Mpanao Politika Malagasy nanao sonia izao Tondrozotra izao, mba ho fitantanana tsara ny tetezamita ;

8. Ny Governemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ny fitantanana ny raharaha andavanandro eto amin’ny Firenena sy ny fametrahana ny fepetra ilaina ho amin’ny fifidianana azo itokiana, marina sy mangarahara iarahana miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. Izy dia tsy tokony handraikitra fifanekena vaovao lavitr’ezaka, izy ireny dia miankina amin’ny fari-pahefan’ny Governemanta ho avy aorian’ny fifidianana ;

9. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ny fanaraha-maso ny asa ataon’ny Governemantan’ny Tetezamita. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia hiandraikitra ihany koa ny fankatoavana ny hitsivolana nolaniana mandritra ny tetezamita, indrindra manokana ireo izay mikasika ny fizotry ny fifidianana, ary koa ny amin’ny fanolorana sy ny fandaniana ny lalàna tena ilaina.

II. Sehatry ny Fifidianana

10. Famolavolana sy fampiharana miaraka amin’ny manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, ny sehatry ny fifidianana azo itokiana, tsy mitanila, mangarahara ary mahaleotena, miorina amin’ny fanajana ny zo fototra sy ny fenitra iraisam-pirenena, indrindra amin’ny alàlan’ny :
a) Ny fanitarana izay ho anisan’ny ao amin’ny CENI sy ny fanavaozana ny vaindohan-draharahany mba hisian’ny fisoloantena mifandanja eo amin’ireo Mpanao Politika Malagasy nandray anjara amin’ izao Tondrozotra izao. Ny CENI dia tokony hiandraikitra ny fandaminana ny fifidianana rehetra indrindra fa ny fifidianana ny solombavambahoaka, ny filoham-pirenena ary ny ben’ny tanàna. Manana ny fahefana feno amin’ny fitantanana  ny fomba arahina amin’ny fifidianana  manontolo, ny CENI dia miandraikitra ny fiantohana ny fanatanterahana amin’ny fomba malalaka, marina ary mangarahara, ny fifidianana. Izany fahefana feno omena ny CENI izany dia mitsahatra amin’ny fotoana famoahana ho fantatry ny besinimaro ny vokatra vonjimaika  ny fifidianana ;
b) ny fanavaozana ny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana ;
c) fanomezana vahana ny fankatoavana sy ny fanajana ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra Fototra sy ny Fitondran-tena Tsaran’ireo Mpanao Politika Malagasy eo amin’ny lafin’ny Fifidianana ;
d) ny fampiasana ny rafitry ny taratasin-datsabato tokana ;
e) ny fanabeazana momba ny fifidianana ;
f) ny fanavaozana ara-potoana ny lisi-pifidianana ;
g) ny tetiandron’ny fifidianana dia ho faritana miaraka amin’ny CENI sy ny solontenan’ny Firenena Mikambana izay mifototra amin’ny tatitry ny asa ataon’ireo manam-pahaizana  manokana teratany sy iraisam-pirenana  mikasika ny fanaovana tombon’ezaka ny zavatra ilaina amin’ny fifidianana ary izany mba handaminana fifidianana azo itokiana, marina ary mangarahara ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana arak’izay azo atao  eto Madagasikara ;
h) ny fizarana, eo anivon’ny distrika 119 ny zava-pantatra sy ny fitaovana informatika any amin’ny faritra ;

11. Tokony hatsangana ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana noho ny antony manokana   sy vonjimaika. Hiandraikitra ny fifanolanana eo amin’ny lafin’ny fifidianana sy ny fanambarana ny voka-pifidianana raikitra ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka izy. Ny fampandehanana, ny ho anisany ary ny fahefan’izany Fitsarana izany dia ho faritan’ny lalàna ankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita ;

12. Mba hanadiovana tsara ny sehatra politika Malagasy, ny Parlemantan’ny Tetezamita dia tokony hankato lalàna vaovao mikasika ny Antoko Politika sy ny Sata mifehy ny Mpanohitra ;

13. Ny fiarahamonim-pirenena Malagasy dia asaina hanao fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary hangata-panazavana ireo Mpanao Politika Malagasy izay mandika ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra Fototra sy Fitondran-tena Tsara eo amin’ny lafin’ny Fifidianana. Ny fiombonambe iraisam-pirenena dia hantsoina hanampy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny firaha-monim-pirenena;

14. Ny Filohan’ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin’ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin’ny asany 60 andro alohan’ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin’ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin’izany.

III. Fepetra mikasika ny Fifampitokisana sy ny Ezaka momba ny Fampihavanam-pirenena

15. Ny Filoha, ny Governemanta, ireo Lehiben’ny Andrim-panjakana ary ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo dia tokony hijanona ho tsy mitanila  mandritry ny fe-potoanan’ ny tetezamita, indrindra amin’ny fomba arahina amin’ny fifidianana ;

16. Ny Filoha’ ny Governemanta, ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo ary ny andrim-panjakana rehetra dia tsy maintsy miandraikitra araka ny tandrify azy avy ny fanekena ireo fepetra mikasika ny filaminana sy ny fifampitokisana mba hisian’ny tontolo milamina sy tony, amin’ny fampijanonana ireo fanenjehana ara-pitsarana efa an-dàlana  atao amin’ireo mpikambana ao amin’ny mpanohitra izay mety hifototra amin’ny antony ara-politika, ary  ho fiantohana ny fanajana ny fanjakana tàn-dalàna sy ny feni-kevitra amin’ny fomba fitondrana mitovy. Ireo fepetra momba ny fifampitokisana ireo dia tsy mahakasika ny fanenjehana ara-pitsarana niandraiketana teo amin’ny sehatry ny heloka bevava natao tamin’ny olona, heloka bevava tamin’ny ady, heloka bevava noho ny fandripahana ain’olona maro ary fandikan-dalàna goavana ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra ;

17. Ny Filoha, ny Governemantan’ny Tetezamita, ny fitondran-draharahan’ny tetezamita manontolo ary koa ny andrim-panjakan’ny tetezamita rehetra  dia tokony hanaiky fa hiaro sy hampiroborobo ny Zon’olombelona eto Madagasikara, ary hanaja ny fahalalahana fototra, indrindra indrindra ny fahafahana miteny, maneho hevitra, miditra fikambanana, manao fihetsiketsehana ary koa ny fahalalahana amin’ny fanaovan-gazety. Ny fampiasana ireo zo ireo dia tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanajana ny lalàna misy ao amin’ny firenena ;

18. Fanomezana famotsoran-keloka malalaka ho an’ny toe-draharaha rehetra ara-politika nitranga teo anelanelan’ny 2002 sy 2009. Tsy tafiditra ao anatin’ny famotsoran-keloka ny heloka bevava natao tamin’ny olona, ny heloka bevava noho ny ady, ny heloka bevava noho ny fandripahana ain’olona maro ary ireo fandikan-dalàna goavana hafa mikasika ny   zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra. Ny lalàna famotsoran-keloka dia hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita ary tsy hisy fifidianana na iray aza tokony hatao alohan’io fankatoavana io ;

19. Ny Parlemantan’ny Tetezamita dia tokony hankatoa lalàna iray mikasika ny Sata mifehy ny Filoham-panjakana teo aloha izay ho toy ny fepetra manan-danja hiantohana ny fandriampahalemana ara-tsosialy sy ny tontolo milamina eto amin’ny Firenena. Ny Sata mifehy ny Filoham-panjakana teo aloha dia tokony atokana ho an’ireo Filoham-panjakana teo aloha izay nanapa-kevitra fa hitsahatra amin’izay rehetra asa aman-draharaha ara-politika manohana antoko politika, amin’ny fijerena akaiky ny fiheverana vokatry ny toerana misy azy tamin’ny lasa sy ny tokony hiarovana sy hiantohana ny fahamendrehany sy ny filaminany ;

20. Ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (HAT) dia tokony hamela ny Olom-pirenena Malagasy rehetra nanao sesitany noho ny antony ara-politika hiditra eto Madagasikara tsy misy fepetra, anisan’izany Andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny HAT dia tokony hiantoka ny fiarovana ireo malagasy rehetra nanao sesitany niverina an-tanindrazana. Ny HAT dia tokony hamolavola sy hamoaka hampanan-kery haingana ny lalàna ilaina, tafiditra amin’izany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, mba hiantohana ny fahalalahana ara-politika ho an’ny Olom-pirenena Malagasy rehetra ao anatin’ny fomba iarahana mitantana ny tetezamita, mitondra mankany amin’ny fanaovana fifidianana malalaka, marina ary azo itokiana ;

21. Ny Mpanao Politika Malagasy nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia manaiky ny hankatoa tsy misy hatak’andro ny Fehezan-dalàna momba ny Toetra fototra sy ny Fitondran-tena tsara ara-politika mba hifehy ny asa aman-draharaha ara-politika eto Madagasikara mandritra ny vanim-potoana tetezamita. Manaiky ihany koa ny fanajana io fehezan-dalàna io izy ireo ;

22. Ny Mpanao Politika Malagasy rehetra nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia antsoina handray anjara amin-kitsim-po amin’ny fomba itondrana ny tetezamita. Manaiky ihany koa ny hametraka ny tontolon’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ho an’ny Malagasy rehetra, ny hisoroka ny fanakanana ny fomba itondrana ny tetezamita ary hitandro ny fitondran-tena mahomby sy feno fitiavan-tanindrazana mba hampandrosoana ny tetezamita ;

23. Tsy misy na dia iray aza Mpanao Politika Malagasy nandray anjara na tsia amin’izany Tondrozotra izany afaka mahazo na manana zo hitsipaka ny fanatanterahana izany Tondrozotra izany mandritra ny vanim-potoana tetezamita ;

24. Ny Mpanao Politika Malagasy rehetra nandray anjara amin’izany Tondrozotra izany dia tokony handà ny fampiasana herisetra na fampiasana fandrahonana toy izany mandritra ny vanim-potoana tetezamita. Tsy tokony hataony ihany koa ny mampirisika amin’ny fankahalana sy ny manao ny asa fanakorontanana rehetra mandritra ny tetezamita ;

25. Hisy fomba fampihavanam-pirenena , tarihin’ny andrim-panjakana iray eto amin’ny Firenena antsoina hoe ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) sy hamorain’ny fiombonambe Iraisam-pirenena, tokony hatomboka mba hitsaboana sy hanombohana ny fanasitranana ny ratra isam-batan’olona sy iombonana tamin’ny lasa ary hametrahana ny fototra iorenana tsara amin’ny ho avin’i Madagasikara.;

26. Izay rehetra olona niharam-boina tamin’ny toe-draharaha ara-politika teo anelanelan’ny 2002 sy ny vaninandro anaovana sonia izao Tondrozotra izao izay tra-pahavoazana n’inon’inona karazany dia manan-jo amin’ny fanarenana sy/na fanomezana tamby avy amin’ny Fanjakana ka ny fombafomba amin’izany dia ho feran’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) ;

27. Hisy Tahirim-pirenena momba ny Firaisan-kina (FNS) hapetraka mba hanomezana tamby ny manan-jo amin’izany sy ny niharam-boina tamin’ny fahavoazana nihatra nandritra ny toe-draharaha ara-politika teo anelanelan’ny 2002 sy ny vaninandro anaovana sonia izao Tondrozotra izao. Ny fiombonambe iraisam-pirenena dia antsoina hanohana izany Tahiry izany ;

28. Ny mpikambana ao amin’ny Fiaraha-monim-pirenena Malagasy, izay ny Raiamandreny Mijoro, ny FFKM, ny CNOSC ary ny FINONA no miandraikitra ny fizohina sy ny fanaraha-maso eto amin’ny Firenena ny fampiharana izany Tondrozotra izany, mandra-pahatapitry ny vanim-potoana ny tetezamita. Amin’ny fanatanterahana ny asany, angatahina izy ireo mba hitandro ny tsy fanaovany politika sy ny fivondronany. Ny fiombonambe Iraisam-pirenena dia antsoina hanohana ny fanamafisana ny fahafaha-manao amin’izany fomba fitondrana eto amin’ny Firenena izany ny fizohina sy ny fanaraha-maso ny fampiharana izao Tondrozotra izao;

29. Hisy Birao momba ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC hapetraka eto Madagasikara mba hanohana amin’izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy sy ny fomba itondrana ny tetezamita, miaraka amin’ny fanampiana ara-teknika avy amin’ny Firenena Mikambana. Ny anjara asan’ny Birao momba ny Fanelanelanana dia mifarana ny andro anaovana ny fandraisan’ny Filohan’ny Repoblika vaovao fahefana, izay manamarika ny fiafaran’ny tetezamita ;

30. Izao fanekena izao dia manafoana sy manolo ny fanekena rehetra noraisina sy na nosoniavina tany aloha mikasika ny tetezamita eto Madagasikara ;

31. Tsy misy na dia iray aza paika arahina amin’ny tsy fahafahana miasa na fanonganana ny Filohan’ny Tetezamita, na fitsipaham-pitokisana atao amin’ny Governemantan’ny Tetezamita, na fepetra fandravana ny Parlemantan’ny Tetezamita azo tanterahina mandritra ny tetezamita ;

32. Ny fifanolanana rehetra amin’ny fivoasana sy ny fampiharana ireo fepetra voalazan’izao Tondrozotra izao dia atolotra ho dinihin’ny Mpanelanelana ao amin’ny SADC ho fehin-kevitra.

IV. Fomba fitondrana ny Fanatanterahana sy ny Fampiharana ny Fifanarahana

Aorian’ny fametrahana tanteraka ny Governemantan’ny Tetezamita ho amin’ny Firaisam-pirenena, ny Parlemantan’ny Tetezamita ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana tsy mitanila, iarahana ary ifanarahana, ary koa ny fandraiketana fifanarahana amin’ny Tondrozotra amin’ny vanim-potoana tetezamita, ny SADC sy ny Firaisam-be Afrikana dia manainga mavesatra ny fiombonambe iraisam-pirenena handray ireto fanekena manaraka ireto :

33. Ny fametrahana ny Birao momba ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC eto Madagasikara mba hanohana amin’izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy sy ny fomba itondrana ny tetezamita. Manoloana izany, ny Firenena Mikambana dia antsoina hitondra ny fanampiana ara-teknika, ara-pitondran-draharaha ary ara-bola ny Mpanelanelana ao amin’ny SADC ;

34. Fankatoavana iraisam-pirenena ny Filoha sy ny Governemantan’ny Tetezamita eto Madagasikara, aorian’ny fametrahana ireo Andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita iarahana sy ifanarahana ;

35. Ny SADC sy ny UA dia mangataka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny Firenena roa tonta sy eo amin’ny Firenena maro amin’ny Madagasikara ny hitondrana, ao anatin’ny fanajana ny paika arahiny avy, ny fanohanany amin’ny endrika maro ny Andrim-panjakana ao amin’ny tetezamita ifanarahana sy iarahana, indrindra ny Governemantan’ny Tetezamita, ny Kongresin’ny Tetezamita, ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana sy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) ;

36. Ny SADC, Ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana, ny OIF, ny COI ary mivelatra kokoa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra voakasika dia manaiky hitondra ny fanohanan’izy ireo ara-politika, ara-pitaovana, eo amin’ny lafiny fampitaovana ary ara-bola amin’io fifanakalozan-kevitra io ary amin’ny fomba itondrana ny tetezamita, mba hiantoka ny tetezamita tsy misy fifandonana mitondra any amin’ny fifidianana azo itokiana, malalaka, marina ary mangarahara ;

37. Amin’izany, Ny Firenena mikambana dia hametraka ny birao fanohanana amin’ny Fanelanelanana ataon’ny SADC amin’ny ezaka fanohizana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Malagasy samy Malagasy, amin’ny fandaminana ny fifidianana, ny fampihavanam-pirenena ary ny fanamafisan’orina ny fandriampahalemana ;

38. Fanomezana ny fanampiana ara-bola, ara-teknika, ara-pitoavana ary fampitaovana  amin’ny fizotry ny fifidianana ;

39. Eo ambany fitarihan’ny Ekipan’ny Fanelanelanana ao amin’ny SADC, tohanan’ny Firenena Mikambana, Ny fiombonambe iraisam-pirenena no hiandraikitra ny fizohina sy ny fanaraha-maso iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ity Tondrozotra ity, amin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpanao politika eto amin’ny Firenena sy Iraisam-pirenena manan-danja ;

40. Ny SADC sy ny Firaisambe Afrikana dia mangataka ny fiombonambe iraisam-pirenena mba hanaiky amin’ny fandefasana ireo mpanara-maso iraisam-pirenena amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy Filoham-pirenena ;

41. Fampihantonana sy fanalàna miandalana ary arahina fepetra ireo sazy apetraka eto Madagasikara arakaraky ny fanatanterahana ireo dingana ferana amin’ity Tondrozotra ity ;

42. Ny mpiara-miombon’antoka dia handinika ny fahafahana mamerina indray ny fanampiany sy fiarahany miasa amin’ny fampandrosoana, amin’ny maha-olona, ara-bola ary ara-toekarena ;

43. Raha misy fandikan-dalàna bevava atao amin’ity Tondrozotra ity ny mpiara-miombon’antoka dia handinika ny fahafahana mandray sazy atao amin’ny mpandika lalàna na nanao sonia na tsia ity Tondrozotra ity izy ireo ;

44. Ny Mpanelanelana dia tokony hanohy ny fanarahana akaiky ny toe-draharaha, mitondra raha ilaina ny fanohanany sy ny  fanamorana ataony amin’ny Malagasy ary hanao tatitra ara-dalàna amin’ny SADC, Ny UA ary ny fiombonambe iraisam-pirenena ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara ;

45. Ny andininy faha 20 amin’ity Tondrozotra ity dia hovakiana miaraka amin’ny Filazana Fanazavana ao amin’ny tovana izay ho zary ampahany manontolo amin’io Tondrozotra io ihany.


******************

(16 Septambra 2011)


FANAMBARANA NY ANDRAIKITRY NY KOMITIN’NY MINISITRA AO AMIN’NY RANTSAN-MANGAIKA (TROIKA AO AMIN’NY CMO) ETO MADAGASIKARA

Ao anatin’ny sehatry ny fikarohana amin’ny fivoahana ny krizy eto Madagasikara sy ao anatin’ny toe-javamisy amin’ny Fanapahan-kevitry ny Fivoriana an-tampony Tsy ara-potoana nataon’ny SADC tamin’ny 20 Jona 2009 izay nanendrena ny Mpanelanelan’ny SADC ho an’i Madagasikara ;
Mampatsiahy ny fanapahan-kevitra taty ao

riana tamin’ny Fivoriana an-tampony nataon’ny SADC mikasika an’i Madagasikara noraisina tamin’ny Fivoriana an-tampony tany Windhoek tamin’ny volana Aogositra 2010, ny Fivoriana an-tampony Tsy ara-potoana nataon’ny SADC tany Windhoek, tany Namibie tamin’ny volana Mey 2011, ny Fivoriana an-tampony natao tany Sandton tamin’ny 11 hatramin’ny 12 Jona 2011 ary ny Fivoriana an-tampony natao tany Luanda tamin’ny 17 hatramin’ny 18 Aogositra 2011 ;

Heverina tsara ny fehin-kevitra momba ny fiaraha-mitantana, tsy fombàna ny atsy na ny aroa, hifanarahana ary mangarahara izay tokony mitarika ny fizotry ny tetezamita mankany amin’ny fifidianana malalaka, marina ary ara-drariny mba hitondrana ny firenena amin’ny fanarahana ara-dalàna ny Lalàmpanorenana ;

Mba hampisy lanjany ny votoatiny, ny làlan-tsaina ary ny fiantefan’ny Tondrozotra ho amin’ny fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara izay nankatoavina miaraka amin’ny fanitsiana nataon’ny Fivoriana an-tampon’ny SADC tany Sandton ny volana Jona 2011 ;

Satria ankoatr’izany,  ny Fivoriana an-tampony nataon’ny SADC tany Luanda dia manamafy indray ny andraikiny amin’ny fanohanana ny fizotry ny fanelanelanana eto Madagasikara ary manome ny fahefana ny Rantsan-mangaikan’ny Troïka, atrehan’ny mpanelanelana ho an’i Madagasikara, amin’ny hirotsahan’ny mpanao politika amin’ny fampiharana manontolo sy maika ny Tondrozotra araka izay nasiam-panitsiana nataon’ny Fivoriana an-tampon’ny SADC tamin’ny volana Jona 2011, mba ahitana ny vahaolana maharitra eto Madagasikara ;

Mahatsapa ny filàn’ny vahoaka Malagasy amin’ny fandraisana an-tànana ny fomba arahina momba ny fifanakalozan-kevitra eto amin’ny Firenena ary koa ny fomba itondrana ny tetezamita ;

Resy lahatra ny tsy maintsy hidirana amin’ny fomba arahina amin’ny fanamboarana indray na fandrafetana indray ny andrim-panjakan’ny Tetezamita mba hiantoka ny fisoloan-tenan’ izy ireo ara-drariny ;

Mahatsapa fa ilaina ny itandroana sy itànana ny làlan-tsaina momba ny fihavanana sy ny kolontsaina momba ny fandeferana sy ny fampihavanana ilaina amin’ny fanamafisana ny  fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fitoniana mba hampitsaharana ny fijalian’ny vahoaka Malagasy ary itondrana ny Firenena ho amin’ny làlan’ny fampandrosoana maharitra ;

Manaiky ankoatra izany fa ilaina ny anarahana sy iandaniana amin’ny fenitra sy fitsipika iraisam-pirenena ampiharina ;

Mba hitarihana ny fivoasana ny Tondrozotra sy hanamafisana ny fahefany mitondra ny fandriampahalemana sy ny fahombiazana eo amin’ny vahoaka Malagasy, dia tokony hojerena akaiky ny feni-kevitra sy soatoavina filamatra izay ifotoran’ny Tondrozotra ;

Mahatsapa ny tsy maintsy ilaina ho an’ny SADC ny hanohizana ny hanohanana ny fizotry ny fanelanelanana eto Madagasikara ao anatin’izany ny fametrahana maika ny Biraom-pifandraisana ao amin’ny SADC ;

Amin’ny fanaovana sonia ny Tondrozotra, ny Troïka, ampian’ny Ekipan’ny Fanelanelanana, dia hiasa amin’ny fombafomba fampiharana azy, ao anatin’izany ny filazana fanazavana ao amin’ny Tondrozotra.

NAVOAKAN’NY TROIKA AO AMIN’NY KOMITIN’NY MINISITRA AO AMIN’NY RANTSA-MANGAIKA MIARAKA AMIN’NY FANEKENA SY NY FANOHANAN’NY MPANAO SONIA REHETRA AO AMIN’NY TONDROZOTRA.




MALAGASY NANAO SONIA ITY TONDROZOTRA AMIN’NY FAMARANANA NY KRIZY ETO MADAGASIKARA, NY 16 SEPTAMBRA 2011 TAO AMIN'NY HOTELY "LE PAON D'OR" ANTANETIBE IVATO


ANTOKO/VONDRONA POLITIKA
SOLONTENA NANAO SONIA

AREMA                                VAOVAO Benjamin

FIREHANA HAFA                    VONINAHITSY Jean EugÚne

ESCOPOL                            RAMANANTSOA R. Benjamina

HPM                                   NDREMANJARY Jean André

MDM                                   RAJAONARIVELO Pierrot

MONINA/UAMAD                   MONJA ROINDEFO Zafitsimivalo

ANKOLAFY RATSIRAKA           Tsy misy

ANKOLAFY RAVALOMANANA     RAKOTOARIVELO Mamy

ANKOLAFY ZAFY                    RAKOTOVAHINY Emmanuel

TGV                                     RAKOTOMAVO Lanto

UDR-C                                 MARSON Evariste


MPANAO POLITIKA IZAY NANAIKY NY HANOHANANA NY TONDROZOTRA

ANTOKO/VONDRONA POLITIKA SOLONTENA NANAO SONIA

GMMR                                        Yves Aimé RAKOTOARISON

TIM                                            RAHARINAIVO Andrianantoandro

Groupe Centriste                          SAHARAH GEORGET RABEHARISOA

Pacte Républicain                         ANDRIAMISEZA Alain

RDR MADAGASCAR                        PAUL  MPODY

GJ3M
Groupement de Jeunes des Trois
Mouvances                                  MIAVSON Dauphin Daniel

EXOPOLES                                   RABONIARISON Pascal


ESD Madagascar                           RABEARIVELO Tim Robinson

ASSIDU Madagascar                      RAMAROKOTO Julien

==========================================================

FILAZANA FANAZAVANA MIKASIKA NY PARAGRAFY 20
TAFIDITRA AO  AMIN'NY TONDROZOTRA

Ao anatin‟ny sehatry ny fe-potoana iasana nomen‟ny Fivoriana an-tampony nataon‟ny SADC tany Sandton sy nohamafisina tany Luanda ny 17-18 Aogositra 2011, ny Troïka ao amin‟ny SADC  dia  nanolotra  ny  rijan-teny  manaraka  etoana ho  an'ny  paragrafy  20  ao amin‟ny Tondrozotra :

Ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (HAT) dia tokony hamela ny Olom-pirenena Malagasy rehetra nanao sesitany noho ny antony ara-politika hiditra eto Madagasikara tsy misy fepetra, anisan’izany Andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny HAT dia tokony hiantoka ny fiarovana ireo malagasy rehetra nanao sesitany niverina an-tanindrazana.

Ny HAT dia tokony hamolavola sy hamoaka hampanan-kery haingana ny lalàna ilaina, tafiditra amin’izany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, mba  hiantohana  ny fahalalahana  ara-politika  ho an’ny Olom-pirenena Malagasy rehetra ao anatin’ny fomba iarahana mitantana  ny tetezamita,   mitondra mankany amin’ny fanaovana fifidianana malalaka, marina ary azo itokiana.

Ny Troïka dia maniry hitondra ny fivoasana manaraka etoana ny amin‟ny teny hoe “ tsy misy fepetra” voalaza ao amin‟ny fanapahana tamin‟ny Fivoriana an-tampony nataon‟ny SADC :

1.   Ny feni-kevitra sy ny soatoavin‟ny SADC dia tsy manaiky ny tsy maty manota. Ny teny hoe "tsy misy fepetra" dia mihatra amin‟ny hevitra momba ny fahalalahana hiditra eto Madagasikara ho an‟ny olom-pirenena  Malagasy rehetra nanao sesitany noho ny antony ara-politika. Izany dia  milaza fa tsy  misy  mihitsy  fepetra ara-pitondran-draharaha  sy ara-politika azo ampiharina  mba   hamerana  na  hanakanana  ny fahalalahan‟izy ireo hiditra eto amin‟ny Firenena.

2.   Araka izany, “tsy misy fepetra” dia tsy midika na tsy milaza ho an‟ny olom-pirenena Malagasy niverina an-tanindrazana ny fanafoanana ny  fanenjehana ara-pitsarana na amin‟ny fanamaivanan-keloka.

3.   Ny feni-kevitra sy ny soatoavin‟ny SADC dia mifototra amin‟ny fanajana ny maha iray tsy anombinana ny tany sy ny maha masi-mandidy ny Firenena mpikambana. Ny SADC dia manaiky sy manaja ny fahaiza-manao, ny fahamarinana ary ny fahaleovantenan‟ny rafi-pitsaran‟ireo Firenena mpikambana ao aminy. Ny SADC dia tsy manana fahefana hisalovana na hanafoana ny fanamelohana ara-pitsarana sasantsasany nataon‟ny Fitsarana ao amin‟ny Firenena izay ao  anatin‟ny  Firenena mpikambana.

4.   Ny SADC dia tsy manoritra na tsy mamaritra ny fitarana na ny ao anatin‟ny lalàna momba  ny  famotsoran-keloka ao amin‟ny Firenena  mpikambana.  Fari-pahefan‟ny manam-pahefana mahefa ao amin‟ny Firenena mpikambana ao aminy ny miady.

ANTANANARIVO, FAHA-16 SEPTAMBRA 2011
Mis Ă  jour ( Mercredi, 05 Octobre 2011 19:37 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...