Antananarivo, 25 Novambra 2024. Nomarihana androany tao amin'ny Kianjan'ny Hira Gasy Ampefiloha ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra amin'ny vehivavy, fantatra maneran-tany amin’ny anarana hoe « Orange Day ».
Toy ny isan-taona dia manamarika izany ny eto Madagasikara, teo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy R. Rajoelina. izay « Championne de la lutte contre les VBG » eto Madagasikara ihany koa. « Mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra ». Io no lohahevitra amin'ity taona 2024 ity.
Raha ny eto Madagasikara dia 50,6% amin'ny mponina no vehivavy sy tovovavy. Izany hoe manodidina ny 14 tapitrisa isa. Araka ny antontan’isa hatrany dia vehivavy 1 amin'ny 3 no iharan’ny herisetra na efa niharan’ny herisetra nandritra ny androm-piainany. 13,7% amin'ny vehivavy no niharan’ny herisetra ara-nofo.
Ny Lapan'ny Mpanjakavavy ao anatin'ny Rovan'i Madagasikara, nosalorana ny loko volomboasary, ny Alatsinainy 25 Novambra 2024
Ny loko volomboasary no nosafidiana maneran-tany hanehoana izany ady amin'ny herisetra izany ho fiaraha-mientana amin'ny ady amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina. Io loko volomboasary io dia maneho ny fanantenana ho an’ny hoavy mamiratra ho an’ireo vehivavy.
Nanomboka ny taona 2019 dia nosafidian’ny rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny mponina na UNFPA ho « championne » ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy na ny VBG, Ramatoa Mialy R. Rajoelina vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Anisan’ny nivoitra nandritra izay fotoana izay ny nandanian’ny Antenimiera ny lalàna mifehy ny ady amin'ny VBG izay efa mihatra ankehitriny, sy ny fijoroan'ny « Centre de prise en charge intégrée » izay natsangan'ny Association Fitia ao Mahamasina.
Any ka ny fijoroana sy fanentanana izay nataon-dRamatoa Mialy Rajoelina -sy mbola hataony-dia nahafahan’ny vehivavy rehetra nanao dingana. Ary dia nivoaka tamin'ny fahanginana sy sahy nitoroka ny herisetra mahazo azy ireo. Tsy izy ireo ihany fa na ireo mpiara-monina koa aza dia nivoaka tamin'ny fahanginany.
Ny nampiavaka ity « Orange Day 2024 » ity ny fampiarahana ny fanentanana ny herisetra tamin'ireo lohahevitra hafa : ny ady amin'ny tsimokaretina VIH/SIDA ; ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny alikaola ; ny ady amin'ny homa-miadan'ny nono sy ny homa-miadan'ny vozon'ny tranonjaza.
Fa ny zavatra goavana sy lehibe, tamin’io 25 Novambra 2024 io, dia izao : niantefa tamin'ireo tanora ny hafatra nentin’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, tamin'ity 25 novambra ity. Nanentana ireo tanora izy mba hanao fifampizarana mahasoa ny fiarahamonina anatin’ny tambazotran-tserasera.
Tsiahivina fa ny « Orange Day » dia fotoana hanaovana hetsika mivaingana mandritra ny 16 andro entina miady amin'ny herisetra (« 16 jours d’activisme contre la VBG »).
Ho amin'ity taona 2024 ity dia misy ny fanentanana ireo tanora hamoaka amin'ny rindriny isan’andro (ao amin’ireo tambazotra sosialy), hatramin'ny 10 desambra, ireo fanamby manokana mifandraika amin’ny iray amin’ireto lohahevitra ireto : hafatra fanehoana firaisankina ; sary maneho asa misy fiantraikany lehibe ; na tranga vaovao mahaliana.
Ny tanjona dia ny handrakofana hevitra miabo anaty firaisankina ny tambazotran-tserasera mba ho fiarahamientana hatrany amin'ny ady amin'ny herisetra.
KIANJAN’NY HIRA GASY AMPEFILOHA, 25 NOVAMBRA 2025
AMPAHAN’NY KABARY NY VADIN’NY FILOHAM-PIRENENA,
RAMATOA MIALY RAJOELINA
« (…) Am-pitiavana lehibe no iarahabako anareo vory lanona eto anio. Feno fankasitrahana ny tenako satria ny fahatongavanareo dia mariky ny fiaraha-mientana, mariky ny firaisan-kina sy ny fahavononana hifanome tànana hiady amin'ny herisetra. Fisaorana eram-po no atolotro anareo tsirairay avy.
Ny andron'ny 25 Novambra dia andro iray manan-danja eto amin'ny Firenentsika sy maneran-tany. Andro iraisam-pirenena natokana hanafoanana ny herisetra. Olana iray izay mahakasika ny fiarahamonina : ny Reny, ny rahavavy, ny anabavy, ny zanakavavy.
Ny vehivavy no mariky ny herim-po. Ny vehivavy no manome aina, manabe, mamolavola sy miantoka ny hoavin’ny taranaka ary isika tsirairay avy dia natera-behivavy avokoa. Izay no mahazava-dehibe ny fanomezana hasina sy fiarovana ny Zon’ny vehivavy.
“MIJORO SY MANARIN-TENA REHEFA AVY NIHARAN’NY HERISETRA”, no lohahevitra amin'ity taona ity. Anio isika dia haneho fanantenana, herim-po, ary finiavana hanova ny tantara.
Misarika ny saintsika aho, amin'ny alalàn'ny fifampizarana ny fizotran’ny lalam-piainan-tsika amin'ny ankapobeny. Mety hoe mahakasika anao izany, mety mahakasika ny olom-pantatrao na ny manodidina anao.
Ny fiainan’ny zanak’olombelona dia miatomboka foana anaty Fanantenana.
Rehefa teraka ny zaza iray, dia mbola marefo kely.
Ny ray aman-dreny no manana andraikitra lehibe amin’ny fitaizana ny zanany, sy manome azy izay rehetra ilainy mba hampitombo sy hahasalama azy, toy ny sakafo, ny vaksiny, ny Fanabeazana fa indrindra ny Fitiavana.
Ny fahazazana dia tokony fotoana tsy misy fanahiana, feno fifaliana, vanim-potonan’ny fivelaran-tsaina hahazoana fahalalàna.
Indraindray anefa, tsy mora foana ny fiainana...
Ao ireo tsy afaka mihanoka ny fahazazany fa misedra ratra tsy fidiny. Misy ny hita maso fa misy koa ny tsy hitantsika soritra ety ivelany.
Ireo teny feno fanambaniana sy fanaratsiana, ny fihetsika mandratra, eny fa na dia ny tsy firaharahiana fotsiny aza dia mety hamela fahatsiarovana mampalahelo eo amin’ny fiainany rahatrizay.
Endrika herisetra avokoa izany. Mamela holatra sy takaitra ary mamono ny afom-panantenan’ireo zaza hiaran’izany.
Ny fahatanorana indray dia fotoana iainana fiovana lehibe, fotoana fametraham-panontaniana : " hanao ahoana ny hoaviko ? ”, “ Inona ny ho ataoko rehefa lehibe aho ? ”.
Mandritra ny adolatsento sy ny fahatanorana tokoa mantsy no handalovana sedra sy fakam-panahy maro samihafa.
Mety misy ireo tanora voasarika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy fibobohana toaka, ary matetika miafara amin’ny fialàna an-daharana an-tsekoly sy ny fitsaharana amin’ny fianarana mihitsy aza.
Misy koa ireo zazavavy tsy ampy taona terena hiroso amin'ny fanambadiana, izay làlana tsy nosafidiany akory ka mampiditra azy ireo amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra. Izy ireo matetika no tena mizaka ny herisetra ao an-tokantrano, voafandrika ao anatin'ny horohoro sy ny tahotra ary ny tebiteby lava. Ary ny zava-misy hita eny anivon’ny fiarahamonina dia maro ireo tanora miatrika sahady ny hirifirin’ny faharavan’ny tokan-trano sy ny fisaraham-panambadiana.
Mamela takaitra lalina ny herisetra toy ny olana ara-tsaina, ny fahakiviana, ny rarin-tsaina ary mampitondra aretina ara-batana goavana toy homa-miadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Eo koa ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, noho ny fanolanana nianjady taminy, na ny firaisana ara-nofo tsy voaaro.
Sarotra ny manasitrana ny ratram-po navelany ny herisetra izay niainana taloha. Fa azo harenina nefa izany.
Ny fanarenan-tena dia miatomboka amin’ny fianarana mamela ny tenanao manokana noho ireo tsy fahombiazana. Ny hadisoana nataon’ny hafa taminao dia tsy hadisoanao velively.
Tsy mora ny manarin-tena, ka tsy tokony hisalasala maka hevitra amin’ny namana sy amin’ny fianakaviana, na koa manatona mpitsabo sy ireo ivontoerana voatokana ho amin’izany: ny «Centre de Prise en Charge Intégré», izay natsangan'ny Association Fitia eny Mahamasina dia miantoka ny fanohanana ara-tsaina sy ny fanarenana tanteraka. Ny tanjona dia mba hampitsiry indray ny fahatokisan-tenan’ny tsirairay.
Maro ireo nivoaka tamin'ny fahanginany sy sahy nanao fitorohana. Teo anelanelan'ny taona 2019 nijoroan'ny Centre ka hatramin'ny Volana Oktobra 2024 dia efa efatra arivo sy iray alina latsaka kely (13.854) ireo trangana herisetra voaray ary maherin'ny iray alina (10.796) ireo noraisina an-tànana sy nahazo fanohanana samihafa eo amin’ny lafiny :
- Fampivelarana manokana na « Développement personnel »
- Fitantanana na « Gestion »
- Fandrindram-piterahana na « Planification familiale »
- Zaitra sy petakofehy na « Couture et Broderie »
- Fianarana mahandro na « Cuisine »
Manana traikefa amin'ny fandraisana an-tanana ireo niharan’ny herisetra ihany koa ary azo antonina ny Fokontany, ny Brigade Féminine de proximité, ny Centre Vonjy, ny Centre d’écoute et de Conseil juridique, ireo Commissariats de police ary ny zandarimariam-pirenena.
Tompokovavy sy tompokolahy,
Isika ray aman-dreny no fototry ny fanantenana ho an’ny taranaka.
Amin’ny maha-reny ahy, tsapako fa tsy mora ny fitaizana ary tsy misy ny lavorary anaty Fanabeazana.
Ireo zanako telo mianadahy, ohatra, dia tsy mitovy mihitsy fa samy manana ny maha-izy azy ary samy manana ny lalam-piainany.
Izaho manokana dia mitovy amin’ireny atao hoe : « Maman poule » ireny.
Amiko dia zava-dehibe loatra ny mampita ny soatoavina amin’izy ireo, ary indrindra, manome fitiavana tsy misy fetra ireo zanako.
Nisy fotoana aho nieritreritra fa nety ny fanapahan-kevitra noraisiko kanefa rehefa nifampiresaka izahay dia nampahafantarin’izy ireo ny faniriny sy ny tao am-pony.
Nandraisako lesona, entina mampivoatra ny fomba fitaizana sy amolavolana azy telo mianadahy ho olom-banona sy mendrika izany.
Ry Tanora, Zandry sy Zanaka,
Ianareo no ho avin’ny Firenentsika. Azo atsaraina ny ankehitriny ary azo trandrahana ho tsara ny hoavy. Anio dia anio no manomboka ny fanorenena ny ampitso. Fantaro fa ianao irery ihany no afaka manoratra ny tantaram-piainanao. Ny olona tsirairay dia manana talenta, ary manana fahefana hisafidy ny hampamiratra ny hoaviny na inona na inona zava-tsarotra nosedrainy. Koa manàna fahatokisan-tena sy risim-po. Betsaka ny mahafinaritra izay mety tsy maharitra fa hafa ihany ny mahasoa.
Ny fomba fifandraisana amin’izao vaninandro izao dia amin’ny alalan’ny tambazotran-tseratsera, izay fitaovana ahafahana manova sy mitondra fivoarana. Sehatra iray ahafahana mampivondrona sy ifampizarana izay mahasoa. Ny kaontinao sy ny hevitra zarainao dia tokony ho modely sy fitaratra. Ataovy tahaka ny tara-masoandro izay mitondra hazavana sy manazava ny làlan’ny hafa. Azonao atao tsara ny mikasika ny fon’ireo mpanaraka anao amin’ny alalan’ny hafatra maneho firaisankina. Fihetsika tsotra sy bitika indrindra dia manan-danja teny mamy iray, fanohanana iray, torohevitra iray.
Resy lahatra aho fa ianareo tanora no fanalahidin’ny fiovana. Mahatoky anareo aho, matoky aho fa ny tanora malagasy dia afaka miray hina hanangana tontolo manome hasina ny mpiara-belona sy mitsinjo ny maha olona… ».
Mialy R. RAJOELINA
Première Dame de Madagascar
Nandray an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY