Nanomboka ny nahazoana Fahaleovan-tena ny taona 1960 ho anâny Miaramila sy ny taona 1958 ho anâny Firenena Malagasy dia tsy nijanona nitady ny famaritana ny atao hoe Fahaleovan-tena ny Malagasy. Ny Repoblika voalohany dia nofaritana ho Repoblika napetraky ny Frantsay, izany hoe karazana fiampitana makany aminâny tena Fahaleovan-tena tanteraka.
Rehefa nifandimby anefa ny fitondrana teto Madagasikara dia misongandina ao aminâny tantara fa fifandimbiasam-pitondrana taminâny alalanâny fandrombahana fitondrany no nisy sesilany na taminâny alalanâny fifidianana sarintsariny satria tsy nialana kisa ho anâireo resy taminâny fifidianana ny tantaram-pirenena indrindra teo aminâny lafiny ara-politika.
Nanomboka ny taona 1975 dia hita mibaribary ny fikasana ratsy nifandimby na ho anâny tompom-pahefana vetivety izany na ho anâireo izay te handrombaka fahefana. Tsy hita soritra hatrany ny fiarovana ny hetsika mitombona ara-politika maneho fikasana ny hitondra mba hampandroso ny Tanindrazana sy ny mponina ao aminy, ifandrindra aminâny firenen-kafa sy ampirindra ny fiaraha-monina.
Ny miaramila hatrany no nentina nanakorontanana teto aminâny Firenena ary lasa fanohitra tsy azo idifirana ny miaramila ho anâireo mpanao politika nanomboka ny taona 1975 ka hatraminâny taona 2002, na mivantana na ankolaka izany. Taminâny tolona natao nanomboka ny taona 2009 ihany no nivoitra fa tolom-bahoaka no tena nisy ka na ireo miaramila amperinâasa aza dia lasa nisalontsalona ho nanampy ny Vahoaka ka toa lasa nitolo-tena ho tomponâny tolona natao.
Aminâizao ankatoky ny fifidianana hifanesy izao dia maro ireo tsy maty voalavo an-kibo, miezaka hatrany ny hampandresena ny fanakorontanana eto aminâny Firenena no manana fikasan-dratsy ny hanao fitaovana ny miaramila ho antoky ny fandrombahana ny fitondrana eto Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia fantatra tsara fa manana ny sata mifehy azy manokana ny tafika ary manana ny sata mifehy azy manonkana ny asa fanaovana politika. Tokony ho tandrovina toa ny anakâandriamaso ny fampisafotofotoana ireo toerana roa ireo, ary zara aza ireo miaramila mpikaramanâady nanao izany asa fikaramanâady izany izay nifandimbiasanâireo mpitondra talohanâny 2009 ireo any am-pigadrana ankehitriny, raha lamina sy fifandrindrana ara-piaraha-monina no ilaina.
Ankehitriny dia voasonianâireo mpanao politika ny tondro zotra ialanâny Malagasy aminâny aretina fara-fahamafisany niainany nandritra ny taona teo alohanâny nanasoniavana izany tondro zotra izany. Natao tokoa amerenana aminâny laoniny ny fiasanâny rafi-panjakana rehetra eto Madagasikara ny tondro-zotra ny anavahana ny asanâny tsirairay ao anaty rafitra ka azo lazaina fa fiasana mahomby ny fampiharana azy ary azo antoka fa famoahana aminâny fahasahiranana io fa tsy hiteraka fahasahiranana vaovao.
Hita ombieny ombieny fa mitaky ny amoahana ny gadra politika sy ireo miaramila mpikaramanâady ireo mpanohitra ankehitriny: ireo filoha teo aloha (Atoa Didier Ratsiraka, Atoa Zafy Albert, Atoa Marc Ravalomanana).
Ireo gadra politika, na ireo mbola any am-ponja na ireo izay nomena fahalalahana iriorio eto aminâny Firenena, no rangory fototry ny afo nahatonga hatrany ny fikorontanana teto aminâny Firenena.
Ireo miaramila notanana eny Tsiafahy ireo no miaramila tsy voafehy teo anivonâny tafika ka nokaramaina hatrany hatrany nanao ny asa feno habibiana rehetra ary sahy mihitsy nifanandrina taminâny tafika ara-dalĂ na :
Ny taona 2002 : Teo an-daniny nampiasa milisy Atoa Ratsiraka Didier ary teo an-kilany nampiasa ny zana-dambo Atoa Ravalomanana, izay samy notarihinâireo miaramila mpikaramanâady migadra any Tsiafahy ankehitriny ;
Ny taona 2009 : Ireo miaramila voatonona ireo no niady taminâireo miara-mila am-perinâasa araka ny vetsovetsom-pony manokana;
Ny taona 2010 :
- Nohitsakitsahana ny hasina sy ny sata mifehy ny fitobia-miaramila ary nampiadiana ny samy miaramila teo aminâny FIGN ; ary dia sahy niteny taminâny fomba ofisialy Atoa Ravalomanana Marc fa izy no namatsy vola taminâizany fihokoana izany ;
- NokaramanâAtoa Ravalomanana Marc ny GĂ©nĂ©ral Noely, ny Colonel Charles sy ireo namany nampianâireo andiana sivily nioko sy niantsy ady taminâireo miaramila ara-dalĂ na teny aminâny BANI.
Ankoatra izany raha ny momba anâAtoa Ravalomanana Marc manokana no asian-teny dia izy no tena sahy nampihakatra mpikaramanâady teto Antananarivo izay sahy nivantana nanosiosy ny hasinâny Tafika sy ny fitiavan-tanindrazana.
Ankehitriny dia tsy mijanona ny mandrangitra ny amoahana ireo miaramila mpikaramanâady ireo ny ankolafy telo (Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana), aminâny alalan-dRatoa Lalatiana Ravololomanana ohatra, satria mihevitra hatrany izy ireo fa azony lalaovina sy vidiam-bola ny hasinâny Tafika izay manda farany eto aminâny Firenena.
Manoloana ny fiantsiana misy sesilany, satria tsy miseho mivantana ny andry mahefa eo aminâny Tafika, dia mihevitra ireo mpanohatra bontolo ireo fa malemy ny fitondrana ary azo sangisangiana ny Tafika satria tsy mijoro aminâny azon-damosiny ary tsy sahy misetra toa ny nataonâireto vitsy anâisa mpikaramanâady ireto.
Natao gaboraraka ny fitantanana teo anivonâny Tafika ary lasa tsy niaro intsony ny andrim-pirenena ny Tafika fa lasa fitaovana ara-politika ampanjakana ny didinâny baroa teto aminâny Firenena.
Ny tolona noezahanâny fitondram-panjakana teteza-mita natao : fanomezana hasina ny Tafika ho andry fiarovana ny Firenena sy ny andrim-panjakana, tafika moderna dia ho raraka an-tany satria mivoana tanteraka aminâny sata demokratika, ny fiandrianam-pirenena ary ny fankatoavana ny fampiharana ny tondro zotra no lasa kilalaonâireo mpanohitra mivantana ny fanjakana teteza-mita.
9 Janoary 2012
RAJAONA Simon
Mpandinika ara-tantara