]
Les quotidiens du 28 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Zafy Albert sy Lalatiana Ravololomanana : mpanohitra mandrapahafatiny

Zafy Albert sy Lalatiana Ravololomanana : mpanohitra mandrapahafatiny

Zafy sy ny satroka penjy nampalaza azy ny taona 1991

SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny MPANAO JADONA sy ny HETSIKA HAMERENANA IREO MPANAO JADONA

Voninkazo no mody lazain-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana sy ry Zafy Albert aterina ery ambohijatovo, nefa  fambolena rotaka, sakoroka  hampianjera  ny Filoha Rajoelina sy hamerenana an’ingahy Ravalo no ao ambadika ; sao dia heverinareo ho vendrana na sanana daholo ary ny vahoaka malagasy ka tsy ahalala ny tetikareo ?

Atao litania ilay hoe : “ kianjan’ny demokrasia  ny ao Ambohijatovo, izay notokanana telo taona  lasa izay, ka tsy avelan’Andriamatoa Rajoelina hidirana “. tsarovy ary ataovy ao an-tsaina sy an-doha fa  SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny MPANAO JADONA  toa ny nataon-dRajoelina tamin’ny  taona 2009  sy ny HETSIKA FAMERENANA IREO NANAO JADONA toa ny ataon-dry Zafy sy ry Magro ankehitriny. “Normal” na tsy mahagaga  raha voasakana ry Zafy  sy ry Magro. Efa naverimberiko foana fa misy resaka FANAHY  sy fandaharan’ANDRIAMANITRA vao mahomby ny hetsika iray  fa tsy izay te hamory vahoaka  sy haka fahefana akory dia ahomby  daholo. Ie na ny Filoha Rajoelina  aza tsy anjely latsaka an-tany. Nefa misy ny lamina nomen’ Andriamanitra azy izy; iraka no maha Filoha azy io; mety ho Filoha  izy  ao aoriana ao,  na  koa ity tetezamita ity ihany  no iraka nampanaovina azy. Ny tantara no hitsara an’ izany .

Toa natao hanohitra mandra-pahafatiny r’Ingahy Zafy Albert sy  Ramatoa Lalao Ravololomanana ireto, hoy ny maro. Mahagaga nefa tsy mahagaga satria ny olona «  nanaliaka  » sy  nampijaly azy ireo taloha no tompoin’izy ireo indray ankehitriny,  dia Ingahy Ravalomanana izany. Mbola TADIDIN’ NY MARO ry ZAFY ALBERT sy ry TABERA nataon’ny mpomban-dRavalomanana haza lambo, nisy voadaka aza, teo amin’ny kianjan’ny 13 May, tamin’ny volana desambra 2005; tsaroana koa ry Lalatiana Ravololomanana vaky nandositra tany Andafy ary tsy tafody teto raha tsy ny tolona notarihan’i Andry Rajoelina teto.

Tamin’ny volana fevrie  sy marsa 2002 dia tadidio  koa (azo jerena ao anaty tahirin-gazety rehetra izany) fa ny olon-dRavalomanana mihitsy no nanao haza lambo izay nanao fihetsiketsehana  rehetra eran’ny tanàna, toy ny  nataon’ny Arema tery Anosikely,  izay notorahana sy nitondran’ny mpomban-dRavalo  langilangy. Tantara marina izany. Asa ry Rabelaolao (TTF: mpanao gazety) na mody hanadino an’izany, ary dia nipirina ny Arema avy eo. Voaporofo teo ilay lazaina hoe: mila mahatsiaro tena sy mangina izay avy nanaotao foana sy nangalatra teo amin’ny fitondrana fa raha tsy izany dia ho lava ny  disadisa .

Vary 2500 iraimbilanja, menaka 12500 iraimbilanja, « bois de rose »…  Izany foana no atao litania hamendrofendrona. Fa mba nankaiza zao lay bokin’i Zafy mitondra ny lohan-teny hoe : «Un roublard au pouvoir» iny ? Izay nanazavany ireo ampihimamba, ampamoaka momba  an-dRavalomanana. Sa efa lasa akama Ingahy Ravalo dia iniana adinoina aloha izany ? Ny vary 2500 irambilanja  izany anie fanao isaky ny misy  tondra-drano na “cyclone” e !  Izao aza ny Filoha Rajoelina  roa volana izay dia  nanome  vary maimai-poana  ho an’ny olona aman’aliny. Ie na dia lazaina ho manjono vahoaka koa aza izy, tsy aleo ve omena ny vahoaka  mivantana ny fanampiana dieny mbola afaka mijoro sy velona  izy ? Fa tsy atao toy ny nataon-dRavalomanana : nafangaro sy/na nalaina ny volampanjakana nanatevenana ny tombotsoan’ny orinasany: Tiko, Magro…

Tao koa ny nividianany fiaramanidina manokana, (FMI sy Banky iraisam-pirenena no nanao fanamarihana  an ‘izany ny volana desambra 2008 ); nanafatra omby vavy be ronono ny fanjakana tamin’izany dia avy  eo ny  orinasa Tiko no nividy mora ireo omby vavy. Manginy fotsiny ny ampihimamba amin’ny resaka vary, ronono sns… Zava-nisy sy marina daholo izany. Fa raha ohatra manao toy  izany ny Filoha  Rajoelina  sy ny orinasany  manokana  amin izao  fotoana izao, dia resaka hafa  indray izay, ka asakasak’izy ihany raha sahy hanao an’izany.  Izay no ilazana hoe:  izay mpitondra manaotao foana rehetra dia hoesorin’Andriamanitra sy ny vahoaka eo amin’ny fitondrany amin’ny fotoana tsy ampoizina, na ho ela ho haingana ary voamarina teto amintsika izany.

Averiko indray fa raha mbola tsy mahatsiaro tena foana ireo avy nitondra toa an-dry  Ravalomanana, Zafy, Didier Ratsiraka; raha mbola mihevi-tena ho tsy nanao ratsy sy nanaotao foana izy ireo dia mbola ho lava ity tetezamita ity (tokony tsy ho gaga raha  amin’ny taona 2013 vao vita  ity tetezamita ity raha misy  foana ny fanakorontanana toy izao). Satria tadidio sy fantaro  ny tantara teto fa izay mpitondra  avy nanaotao foana sy namono olona teo amin’ny fitondrany dia nahalala nipetraka sy nifitsaka ary nangina  daholo rehefa  voahala na voahilika , toa an-dry dadabe Tsiranana sy ny Amiraly Ratsiraka izany .

Averina foana  fa  nisy tolona fanalana  ny jadona teto tamin’ny taona 2009, na inona filazana izany  na inona. Ekena fa tolona nataon’ny ampaham-bahoaka aman'aliny na aman'hetsiny manerana ny Nosy izany; tolona nataon’ny olona sahirana sy madinika, nataon’ny mpanao politika sasany voan’ny tsindry hazolena. Tolona nataon’ny ampahana mpitandro filaminana natao ankilabao; nataon’ny olona voageja ara-ekonomika nohon’ny ampihimamba nataon’ny orinasa maro be an-dRavalo (Tiko, Magro, Alma sns…).

Lalatiana Ravololomanana sy ny Profesora Zafy Albert : rano sy vary eo amin'ny fanoherana lava reny tsy mitombona fa mipetraka eo amin'ny fanaratsiana olona ihany, eto Madagasikara


Irika na kendrin-tohana  fotsiny iny raharaha polisy  sy mpitsara tany Toliary iny ; ary tsy tongatonga ho azy ny fiarahan’ny Seces (mpampianatra mpikaroka ambaratonga ambony), Smm (fikambanan’ny  mpitsara ) ary ny mpiasam-panjakana  ambony sasany (“Grands corps de l’Etat”). Tsy tongatonga ho azy koa ny fitsangan‘ilay karazana “syndicat “-n’ny mpanao gazety izay misy olon-dRatsiraka, Maihol, Ravalomanana ary ireo namadika an-dRajoelina. Indrindra fa teo  koa ny filazan-dRavalomanana hoe tsy maintsy ho avy ato ho ato izy. Mody takiana tsirairay ny fialan’ny minisitry ny Fitsarana, Fitantanam-bola, izay olona mahatoky an-dRajoelina daholo (mody  ampitoviana tamin’ny tolona 2009 ilay izy ), satria raha tafa ala ireny  minisitra ireny dia  misy mihevitra (olon-dRavalo ao anatin’ireny hetsika ireny no tena mihevitra izany) fa moramora ny fodian-dRavalomanana eto. Teti-panorona daholo izany ary asakasak’izay mikiry hampiasa izany,  soa fa efa fantatry ny vahoaka ny MARINA.  Tsy tongatonga ho azy ihany koa ireo grevy lavarenin’ny mpitsara sy ny mpampianatra Seces ireo. Ny mpianatra no tiana  jonoina hanampy azy ireo. Soa fa misy nahatsiaro tena ny mpianatra sasany. Efa vita ny planina hanakorontanana ny firenena , ireny teny ambohijatovo  ireny ny santionany. “Ingahy Ravalomanana raha tsy an-tery tsy tafiditra eto izany”,  hoy ny maro. Noho izany raha tsy mailo isan’andro ny mpitondra ankehitriny dia ho tojon’ ny sarotra .

Misy koa manao analizy fa tetika  hakan-dry Zafy fahefana ambongadiny samy irery  ireny korontana  teny Ambohijatovo ireny (17 janoary 2012) satria amin’izay mantsy  tsy ho tafaverina eto  mihitsy Ravalo, satria ho lazaina  ho toy ny tsy milamina  foana ny tany. Hevitra  ihany anefa izany fa ny tena izy dia efa  izao iaraha-mahita  izao : ny sasany  manakorontana  ao anaty fitondrana; ny sasany  ety ivelany manakorontana mody mahatsiaro daty efa “nalikainy” dia mody manao sinema sy mandainga ry Zafy sy Lalatiana Ravololomanana  milaza hoe: tsy olonay ireo anaty governemanta  sy ny manodidina an’ny  Praiministra Beriziky ireo. No izany  tsy mahagaga,  hoy ny maro,  raha toa ataon’ Andriamanitra mihodikodina manakorontana sy manohitra ny androm-piainany ety an-tany. Mba fakafakao  sy diniho anie izay fa tena marina izany  e : SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny  MPANAO JADONA sy ny HETSIKA HAMERENANA ireo MPANAO JADONA .


Marina Ratia
Antananarivo, 18 janoary 2012

Mis à jour ( Mercredi, 18 Janvier 2012 06:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...