]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mpanazava eto Madagasikara miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy

Mpanazava eto Madagasikara miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy

FAMPITAM-BAOVAO

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia nikarakara laha-dinika arahina ady hevitra ny Mpanazava eto Madagasikara. Tao amin’ny Akany FJKM Analamahitsy no nanatanterahana izany tamin’ny sabotsy 24 martsa 2012.

Ny loha-hevitra nodinihana tamin’izany dia ny hoe: “Ny fizakan-tenan’ny vehivavy dia mandray anjara amin’ny fampihenana ny herisetra mianjady amin’ny ankizy vavy sy ny zatovo vavy ary ny vehivavy”

Olona teo amin’ny zato teo ho eo no nanatrika io fotoana io ka nahitana ireo mpanabe sy mpitantana, sakaiza sy tranainy ary ray aman-dreny eo anivon’ny fikambanana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, teo ihany koa ireo namana ao amin’ny skoto zazavavy eto Madadasikara, nahitana solo-tena avy amin’ny AKAMA , avy amin’ny “réseau des femmes handicapées”, avy ao amin’ny CPO ary mpanabe sy mampianatra maro.

Raha nandray fitenenana Rtoa Gisèle Ratsimba avy ao amin’ny FNUAP dia nanambara izy fa ny vehivavy dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ka raha manana fizakan-tena izy dia mitondra fampandrosoana ho azy sy ny manodidina azy izany.

Rtoa Berthine Razanadrakoto, fantatra amin’ny anarana hoe RAMIRIANA MAHERY FO, isan’ny zokiolona indrindra ao amin’ny Mpanazava, dia nanambara fa ny fanabeazana dia manomboka hatrany ambohoka, izany hoe ny reny dia mandray anjara amin’ny soa toavina rehetra amin’ny fanabeazana.

Dr Jeannine Raliterason, “psychologue”, kosa dia nilaza fa ny psychologie no mitondra sy mitantana izany hoe manabe ny olona iray ka mijery ny zavatra rehetra mandalo ao anatin’ny saina, ary izany indrindra no hikolokoloana ny olona iray hatrany ambohoka satria miankina amin’ny zavatra ataony mbola kely ny ho avin’ny olona iray ka mety hiteraka ny tsy fizakan-tenany.

Maro moa ireo karazana herisatra mety mianjady amin’ny vehivavy toy ny:

- Herisatra ara-batana

- Herisetra ara-pananahana

- Herisetra ara-moraly (ara-psikolojika)

- Herisetra ara-ekonomika

Araka ny antotanisa moa dia voalaza fa ny herisetra ara-batana vitsy lavitra no ho ny herisetra ara-psikolojika

Rtoa Odette Raharivololona na i VOROMPOTSY MIJORO, mpampiofana avy ao amin’ny Mpanazava dia nanambara fa laharam-pahamehana ny fanabeazana ao anatin’ny fanomezana fizakanan-tena ho an’ny vehivavy; ilaina ny fampiroboroboana ny fikambanana “mpitondra feo” toy ny Mpanazava eto Madagasikara mba ahafahan’ny vehivavy maneho ny zony.

Miainga ao an-tokan-trano ny fanabeazana, ho an’ny Mpanazava izany dia miainga ao amin’ny fivondronana: ny ankizy beazina tsirairay, amin’ny alàlan’ny fampahafantarana ny anto-pisiany sy ny fiainana ny soa toavina dia ny lalàna sy fanekena izany.

Raha nandray anjara fitenenana kosa ny filohan’ny Skoto zazavavy aty Afrika, Rtoa Helinoro Rakotomalala na i SAFIRA MIHANGY, dia nilaza fa manana anjara toerana lehibe tokoa ny fanabeazana ka ilaina atao ao anatin’ny fandaharam-panabeazana ny “fizakan-tena”, hamafisina ihany koa ny fitarihana na “leadership” ka tokony hisy fandaharana sahaza ny sampana tsirairay; toy izany koa, volena sy koloina ny talenta ary omena tohana araka izay tokony ho izy (“matériel pédagogique”). Ankoatra ireo dia tsy adino ny asa firotsahana ao amin’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ka miara-miasa, sahy miteny mba “hitondra feo”, ary mety ho tonga hatramin’ny fanovana ny lalàna.

Ny fanabeazana dia fanoitra iray ahatongavana amin’ny fizakan-tenan’ny vehivavy ary hampihena ny herisetra mianjady aminy. Hoy hoy ny soratra masina “omeo vehivavy hendry aho, hananganako firenena vanona”.

madagate.com - Mpanazava Arosy Mivoy

Mis à jour ( Mardi, 27 Mars 2012 12:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...