]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Raharaha “Pharaon-Pédophilie”: Manazava I Hery Rakotobe

Raharaha “Pharaon-Pédophilie”: Manazava I Hery Rakotobe

Hery Rakotobe (sary ambony indrindra), tompon'ilay trano eo Ambohidahy

- HERY RAKOTOBE PORTE PLAINTE POUR DIFFAMATION -

Miarahaba ny namana mpanao gazety rehetra,

Gaga sy talanjona aho namaky ny gazety miseho isan'andro (Midi Madagasikara, La Gazette de la Grande Île, sns.) milaza fa "coup monté" ny raharaha PHARAON ary voatonona mihitsy ny anarako Hery Rakotobe ho tompon'andraikitra amin'izany. Tiako mitondra izao fanazavana izao ho aminareo mpanao gazety mba tsy ho voafitaka amin'ny trangan-javatra toy izao koa manjary ianareo indray no ampiasain'ny sasany hivohy vaovao tsy marina :

1°/ Ny raharaha maha-voarohirohy io vazaha Thomas Grace io dia resaka pédophilie sy fanodikodinana zaza tsy ampy taona (“détournement de mineurs”) izay nandraisan'ny “Police des mineurs et des moeurs” andraikitra, ary misy “témoignages” mazava tsara ny amin'izany. Zavatra mamoafady sy fanimbana ny ankizy tsy ampy taona sy ny tanora malagasy no tratra ny tompon'andraikitry ny Polisy sy ny mpiara-miasa aminy en "flagrant délit" tao, koa tsy hitako izay hanaovana "coup monté" amin'izany.

2°/ Tsy tao Madagasikara ny tenako, fa namita iraka tany ivelany, tamin'ny andro nisamboran'ny Polisy an'io vazaha io, ary tamin'ny alàlan'ny vaovaon'ny internet no nahafantarako ny zava-niseho. Nahafaly aho ny fandraisan'andraikitry ny Polisy satria fantatro fa efa betsaka ny fitarainana sy fitoriana momba io vazaha io avy amin'ireo Raiamandrenin'ireo zaza tsy ampy taona izay very tsy mody an-trano mandritra ny andro maromaro, ny manodidina, ny sekoly St-Michel, St-Joseph, Ste-Famille, sns... Ny tenanay koa dia efa nanao fitoriana tany amin'ny Préfet de Police, ny PDS Antananarivo Renivohitra, ny Commissariat, sns... Azo hamarinina izany raha manao enquête kely fotsiny ianareo mpanao gazety amin'ireo mponina manodidina, ny sekoly, eny amin'ny BC, Préfet sy Commissariat,... Efa nanomboka kivy ireo Raiamandreny sy ny manodidina satria hoatran'ny tsy misy valiny avokoa ireo fitarainana. Koa rehefa manao ny asany ve ny tompon'andraikitra ary miaro ireo ankizy tsy ampy taona dia lazaina fa "coup monté".

3°/ Ho an'izay olona mahafantatra an'io Thomas Grace io dia samy miaiky avokoa ny toetrany, ary mirehareha mihitsy izy amin'zany, ary tsy vao voalohan'izy io no voarohirohy ny amin'izany fanodikodinana zaza tsy ampy taona toy izao. Maro ny fitorian'ny olona victimes an'io rangahy io eny amin'ny fitsarana, ary azonareo mpanao gazety hamarinana eny izany. Ohatra amin'izany ireo mpiasa serveuses tao aminy tsy haloany ny karamany ary rahonany ho roahina raha tsy manao firaisana ara-nofo aminy (raharaha niakatra fitsarana izany), ao koa ny chèques sans provisions, ny loyers impayés, ny JiRAMA tsy voaloha, sns... koa olona ohatr’izany ve dia lazaina fa hoe "homme bon, gentil et généreux"? Aleo re ny mpanao enquête sy ny Fitsarana hanao ny asany ary ny tena marina no hipoitra sy ho tsaraina.

4°/ Marina ny voalaza fa manofa trano ao amiko io Vazaha io. Bar-Lounge VIP no nifanarahana mazava tsara ao amin'ny contrat de bail fa tsy Bal des jeunes ary efa nanomboka ny mois de mars 2010 izy no efa nanao an'io Bal des jeunes io fa tsy taty aoriana miaraka amin'ny TRK events araka ny filazany. Tsy marina fa manao sous-location izany izy satria tsy afaka manao izany izy raha tsy mampahafantatra ny tompon-trano ary eken'ny tompon-trano. Ny tenako izay tompon-trano dia tsy mahafantatra ny momba izany ary tsy manana na dia copie momba izany sous-location izany aza.

5°/ Nanomboka ny volana Oktobra 2010 ka hatramin'izao fotoana hanoratako izao no tsy nandoa hofan-trano intsony io vazaha Thomas Grace io. Ny Bal des jeunes anefa tsy nitsahatra mihitsy tao amin'io PHARAON io manomboka ny Alarobia, Alakamisy, Zomà sy Sabotsy, hatramin'ny andro nisamborana azy. Ka iza moa ny victimes amin'izany ? Efa eny amin'ny Fitsarana ny raharaha nanomboka ny volana janoary 2011.  Vonona ny tenako hanome izay fanazavana fanampiny sy porofo mazava ilainareo mpanao gazety izay te-ahafantatra bebe kokoa ny momba izany rehefa tafaverina eto an-tanindrazana amin'ny herinandro ho avy izao. Izao tokoa no tonga amin'ny fitenenana hoe "Gisa lahy mangala-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava".

Sanatria tsy manadio tena ny tenako raha manoratra izao aminareo mpanao gazety, ary tsy misy ratsy rahateo nataoko, koa tsy hitako izay hanadiovako tena amin'izany. Amiko dia sarobidy loatra ny asa fanaovan-gazety koa tsy tokony ho voafitak'ireo mpanao lainga tsara lahatra sy "manipulateur" ianareo mba hanadiovany ny tenany amin'ny ratsy ataony. Tokony hisy fanadihadiana sy famakafakana alohan'ny hamoahana article toy ireny, indrindra moa ka voatonontonina toy ireny ny anaran'olona.

Ny hampazava ny resaka sy tsy hisian'ny fifangaroan-javatra no nandrisika ahy hitondra ireo fanazavana voalaza eo ambony ireo. Resaka fanodikodinana zaza tsy ampy taona "pédophilie" no hiampangana io Vazaha io, izay zavatra tena mamoafady sy faizin'ny làlana eran-tany mafy dia mafy.  Ka tsy tokony afangaro mihitsy amin'ny  resaka hofan-trano izay tsy nalohany mandrak'ity ny androany.

Mino aho àry manantena fa misy marina ny JUSTICE eto amintsika. Ary dia ho tsaraina araka ny zavatra vitany io rangahy io. Ny mampalahelo dia ny Malagasy kely aty ampitan-dranomasina raha vao tsy manara-dàlana dia gadraina sy iharan'ny expulsion tsy misy hatak'andro. Tsy ny vazaha rehetra akory no ratsy fa dia misy ihany koa ireo vazaha tsy manara-dàlana eto Madagasikara.  Koa raha vazaha ve izany dia tsy maty manota afaka manao izay tiany atao aty amintsika, tsy ho ampiarina aminy ny sazy tokony hiantra aminy?

Isika rehetra no aoka hisaintsaina sy hieritreritra ny momba izany.

Mirary soa indrindra ho antsika rehetra,

Hery RAKOTOBE

Mis à jour ( Mardi, 22 Mai 2012 09:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...