]
Les quotidiens du 27 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche SOCTAM : Vahiny mandova vahiny nefa tanin’ny Malagasy eto Madagasikara

SOCTAM : Vahiny mandova vahiny nefa tanin’ny Malagasy eto Madagasikara

Anisany ahitana olana ara-tany ny Faritra Boeny, indrindra fa ny olana eo amin'ny orinasa vahiny sy ny tompontany.

Mba hivahan'ny olana momba izany dia nidina ifotony nijery akaiky ny zava-misy ny avy ao amin'ny « Direction des affaires juridiques et litigieuses » (ADJL), sampandraharaha iray eo anivon'ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy.

KAOMININA AMBATO MAROMAY - DISTRIKA NY AMBATO BOENY - FOKONTANY BESISIKA

FIDINANA IFOTONY TANY BESISIKA AMBATO BOENY NY 25 MEY 2012

Mahatratra hatrany amin’ny 3.000 mahery ny isan’ny mponina ao amin’ny Fokontan’I BESISIKA kaominina AMBATO MAROMAY, Disitrikan’ny Ambato Boeny .

Anisan’ny toerana izay ahitana ny olana ara-tany ity fokontany ity; adi-tany izay hifanolanan’ny mponina ao an-toerana sy ny orinasa mpamboly ravina paraky, dia ny SOCTAM, izay orinasa ana karana. Efa an-taonany maro no namboly teo ny mponina any an-toerana. Taty aoriana anefa dia nisy olana teo amin’ity orinasa ity sy ireo mponina.

Raha hiverenenana ny tantara dia izao : tany aloha tany dia nisy fangatahan’ny orinasa SIM ny tany mba hambolena, tamin’ny fokonolona. Ary dia nanome izany ny mponina tao, izay voalazan’ireo fokonolona fa tanin’ny Andriana fahizay tao amin’izireo izy io. Noho antony ara-politika anefa dia tsy nampiasa ny tany intsony ny SIM fa dia ny orinasa SOCTAM, izay misy olana amin’ny mponina amin’izao fotoana izao, no nampiasa ny tany izay nambolena paraky. Ka tany mirefy 100 ha no nampiasainy. Tampoka teo anefa dia lasa nisy nandrefy ny tany izay toa midika fa hosoratana amin’ny ity orinasa vahiny ity, ka izay no nahataitra ny fokonolona tao an-toerana, satria raha 100 ha no nafahany namboly, dia tadiavin’ity orinasa ity ho azy avokoa ny tany mirefy 1200 ha, izay tafiditra amin’izany ny tany ana olo-kafa. Tsy nanaiky izany ny mponina izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana atao hoe FANJAVA MARO MIANDRA, ka dia nitory teny anivon’ny fitsarana izay nahazo rariny tamin’ny fivoahan’ny didy tamin’ny 17 Aogostra 2010 tao amin’ny “Tribunal de Première Instance” (TPI) ao Maevatanàna. Nampiakatra izany fitsarana izany teny an-tampony (“Appel”) ny orinasa SOCTAM ny 21 Aogositra 2010. Io “appel” io anefa dia tsy nampahafantarana ny mponina fa ny fanaraha-maso nataon’ny mponina no hany mba nahafantarany fa nisy fampiakarana nataon’ny SOCTAM.

Araka ny lalàna dia roa volana aorian’ny fampiakarana ny raharaha eny amin’ny fitsarana dia misy ny atao hoe “PROVISION”, izay tokony alohan’ny SOCTAM. Tsy nalohany anefa izany raha tsy efa tamin’ny 30 Mey 2011. Izany hoe : valo volana taorian’ny nanaovany ny “déclaration de cour d’appel” vao naloha io “provision” io, kanefa araka ny andininy faha-408 momba ny ady madio dia : raha vao dila ny roa volana ka tsy voaloha io “provision” io , dia “caduque” (tsy manan-kery) ny raharaha. Izany hoe : tsy azo raisina intsony ny fampiakarana.

Natao ihany anefa ny raharaha, na dia hita fa tsy araka ny lalàna izany, ka nahatonga ireo mponina nitaraina teo anivon‘ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, satria raha tokony 100 ha no hambolen’ny SOCTAM, dia tadiaviny ho giazina avokoa ny 1.200 ha rehetra. Izay mampitaraina ny mponina tokoa satria miteraka fahantrana ho an’ireo mponina ireo, izay efa namboly teo amin’io tany io, no sady mitarika ho any amin’ny fipoahana ara-tsosialy (“explosion sociale”). Nisy rahateo ny fanimbana ny voly ankondro teo amin’io tany io, izay efa novolen’ny mponina efa an-taonany maro.

Raha vao nandray ny fitarainana ny teo anivon’ny Ministera, dia nandray an-tànana ny fandinihana ny antonta-taratasy ny “Direction des affaires juridiques et litigieuses”, tamin’ny alàlan’ny Talen’ity sampandraharaha ity, dia Andriamatoa RAKOTONIRINA Angelo.

Mba hampilamina ny raharaha dia nidina ifotony mihitsy ity sampandraharaha ity miaraka tamin’ny ekipa ao aminy, ahitana mpahay lalàna (“juriste”), ka nanadihady ny tena zava misy marina. Navory avokoa, araka izany, ireo voakasika amin’ity raharaha ity dia ny mponina sy ny SOCTAM.

Ampahan'ireo mponina any an-toerana

Rehefa nisy anefa ny fanontaniana samihafa natao dia nilaza ny solontenan’ity SOCTAM ity, fa nolovain’ny SOCTAM tamin’ny SIM ny tany ka izany no nilazany fa azy ny tany, ka tsy tokony hampiasa ny tany intsony ny mponina. Raha zohina izany dia efa misy koa izao ny fifandovana eo amin’ny samy vahiny ny tany eto Madagasikara ?

Ny an’ny ao amin’ny “Direction des affaires juridiques et litigieuses” kosa dia nitatitra fa misy ny tsy ara-dalàna ny fomba nanatanterahana ny raharaha, ary misy ny fanampara-pahefana diso tafahoatra. Ankoatra io, dia fantatra araka ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny SOCTAM fa tsy manana bokin’andraikitra izireo izay tokony hahafantarana ny asa ataony sy ny vokatra vokariny. Amin’izao fotoana izao dia noho ny tsy fahampian’ny fivelomana dia misy amin’ireo mponina no voatery manofa ny tany indray amin’ny SOCTAM, ka 80.000 Ariary ny hofan’ny tany iray hektara.

Alain Ramaroson

“ Ampy izay ny fampijaliana ny vahoaka, ary hentitra ny tenako amin’ny mikasika ny fakana ny tany an’ny vahoaka , efa nisy taratasy izay nalefa mikasika ny ady tany any amin’ny tompon’andraikitra samihafa koa tsy ekena intsony ny fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka !”. Io kosa no nambaran’ny Vaomiera momba ny raharaha tany eo anivon’ny CST, dia Andriamatoa Alain Ramaroson, raha nilaza ny hafatra teo amin’ny roa tonta ny tenany.

Fanirian'ny mponina any an-toerana ny tokony  hanakarina ho kaominina ity fokontany ity izay marihana fa ahitana fokontany 4 hafa manodidina azy. Maniry ihany koa izireo ny hanampiana ny fanamboarana ny hopitaly, satria dia mandeha 40 km vao misy toeram-pitsaboana.

Andry RAKOTONIRAINY, iraka manokana

Mis à jour ( Mardi, 29 Mai 2012 11:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...