]
Les quotidiens du 27 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche BIANCO MADAGASCAR : ady amin’ny kolikoly sy raharaha Tehindrazanarivelo

BIANCO MADAGASCAR : ady amin’ny kolikoly sy raharaha Tehindrazanarivelo

Ny Jeneraly Faly Rabetrano, Tale Jeneralin'ny Bianco

Fihaonana tamin’ny mpanao gazety mikasika ny fanadihadiana ataon’ny BIANCO

Alarobia 13 febroary 2013

 

Foto-kevitra ijoroan’ny fanadihadiana ataon’ny BIANCO


Ny BIANCO dia nomen’ny lalàna fahefana manokana hanao fanadihadiana ny tranga misy kolikoly na ny fandikan-dalàna mitovy aminy. Ny andininy faha-23 amin’ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly no mamaritra izany fahefana izany. Ao anatin’ny fahaleovantena no hanatanterahana izany ary azony atao tsy misy fangatahana alàlana na amin’iza na amin’iza fa tsy manohintohina izay fepetra takian’ny lalàna hanenjehana na hitsarana ireo sokajin’olona nofaritan’ny lalàna fa manaraka fepetra manokana. Mialoha ny fanenjehana mantsy ny fanadihadiana ataony ary miankina amin’izay vokatr’izany no hanapahan’ny fitsarana hevitra ny tohiny omeny ny raharaha.

Manatanteraka ny asa fanadihadiana araka ny lalàna dia ny fehezan-dalàna famaizana izany sy ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka.

Miainga amin’ny fitarainana no hanaovan’ny BIANCO ny fanadihadiany raha misy trangana kolikoly izany, ary tsy hijerena tavan’olona na hanaovana mizana tsindrian’ila izany fa mitovy tantana ny fanatanterahana ny fanadihadiana ataon’ny BIANCO. Hanamafisana ny fitokisan’ny daholobe ny maha-ara-dalàna ny fanadihadiana atao no hiaingana amin’ny fitarainana, satria tsy natao hanenjehana sokajin’olona manokana ny fanadihadiana atao fa kosa hanenjehana ny kolikoly sy ny fanodinkodinana fananam-panjakana na iza na iza manao azy. Adidin’ny tsirairay araka izany ny mampahafantatra ny trangana kolikoly fantany aty amin’ny Bianco ahafahana manenjika azy. Tsy anjaran’ny Bianco ny manavaka ny olona voakasiky ny fanadihadiany araky ny firehan’izy ireo avy fa na iza na iza dia tsy maintsy hanaovana fanadihadiana satria ny rehetra dia samy ambanin’ny lalàna daholo.

1. Ny tetik’ady entin’ny BIANCO miasa amin’ny ady atao amin’ny kolikoly


Ny fampiharana ny lalàna no omena vahana amin’ity taona ity mba hitsaharan’ny tsy maty manota sy ny gaboraraka atao ary ny fanaovana ho tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana sy ny harem-pirenena. Hamafisina araka izany ny fampiharana ny lalàna sy ny lafiny fanadihadiana ary hanatsara hatrany ny fahaiza-manaony ny BIANCO amin’ity taona ity. Vao mainka ho hentitra araka izany ny fanajana ny lalàna eo amin’ny fanaovana fanadihadiana, ny fanenjehana ireo trangana kolikoly ary ny tsy hijerena tavan’olona eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy hananan-kavana ny fampiharana ny lalàna ary tokony hitsahatra ny gaboraraka sy ny fanaovana ny harem-pirenena sy ny vola ary ny fananam-panjakana ho tantely afa-drakotra. Tsy azo ekena ny fieritreretana fa rehefa tetezamita dia atao hampanjakana ny tsy maty manota.

Safidin’ny firenena ny ady amin’ny kolikoly ary indrindra dia fanatanterahana ny hetahetan’ny daholobe ny hiaina amina tany tan-dalàna sy fitondrana tsara tantana ka afaka manatsara ny fari-piainany sy mitondra fampandrosoana. Tsy ho tontosa izany raha mbola toe-tsaina miaro ny tsy maty manota ihany no hampanjakaina eto amin’ny firenena. Tsy rariny ary tsy ara-dalàna raha mijanona amin’ny sarambaben’olona ihany ny fanenjehana ny kolikoly fa na iza na iza dia tokony hanaovana fanadihadiana ary entina eo amin’ny fitsarana raha ilaina. Ao anatin’ny ara-dalàna sy ny fanajana ny zo fototra maha-olona, indrindra ny maha-olona tsy voaheloka raha tsy ny didim-pitsarana manambara izany kosa anefa no hanatanterahana izany asa izany. Hiatrika fanamby lehibe i Madagasikara amin’ity taona ity izay hanaovana tomban’ezaka ny fampiharantsika ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny ady amin’ny kolikoly izany.

Ny lafiny fanenjehana ny kolikoly indrindra no hanaovana izany tomban’ezaka izany koa miantso ny tsirairay hifanome tànana ary indrindra ny fitondram-panjakana mba hampiseho fahavononana bebe kokoa hatrany eo amin’ny ezaka atao hamongorana ny kolikoly. Manana andraikitra manokana amin’izany ny rafitra mpampihatra lalàna toy ny mikaroka fandikan-dalàna ary indrindra ny fitsarana izany tokony hampiseho fahasahiana sy fahavononana ny hanasazy amin’ny fomba henjana ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mitovy amin’izany. Hiatrika fanamby lehibe I Madagasikara amin’ity taona ity izay hanaovana tomban’ezaka ny fampiharantsika ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny ady amin’ny kolikoly izany.

2. Ny raharaha mahakasika mpikambana amin’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita Tehindrazanarivelo Alain


Noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy noho ny fanajàna ny zon’ireo voarohirohy amin’ny raharaha toy izao dia tsy hiresaka ny vontoatin’ny fanadihadiana ny BIANCO. Tokony hajaina ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana izay hampitàna ny raharaha koa noho izany dia izahay indrindra no loha laharana amin’ny fandalàna izany. Na izany kosa anefa dia tsara homarihina fa ny fitondrana ny raharaha mbola tsy voatsara toy izao eo amin’ny haino aman-jery dia sady fandikan-dalàna no tsy fanajàna ny fitsarana rahateo araka ny voalaza teo ambony.

Nanaraka ny fepetra takian’ny lalàna ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO no sady noezahina hitandro hatrany ny zon’ny tsirairay voakasiky ny raharaha. Ny famoahana ny mombamomba izany any amin’ny haino aman-jery dia tsy avy amin’ny BIANCO, sady tsy fomba fiasany rahateo izany. Mamita ny fanadihadiana no anjaran’ny BIANCO ary mampita ny vokatr’izany any amin’ny fitsarana rehefa tontosa ny asa rehetra tokony atao. Tsy misy raharaha maty an-karanany eto amin’ny BIANCO na iza na iza voakasik’izany fa tsy maintsy ampitaina any amin’ny fitsarana ary tsy izahana tavan’olona izany. Manao antso avo ny BIANCO mba hisian’ny fahatoniana amin’ny raharaha toy itony , ny hanajàna ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana, ny zon’ny olona ahiahiana vokatry ny fanadihadiana satria tsy azo lazaina meloka izy ireo raha tsy misy didy milaza izany.

Tsy ny firesahana amin’ny haino aman-jery ny vontoatin’ny raharaha na ny fiampangana ny BIANCO ho manao ramatahora na koa mamoaka antontan-taratasim-panadihadiana noho ny mety ho firehana politikan’ny tsirairay voakasiky ny raharaha toy izao akory no hampiova ny vokatry ny fanadihadiana natao, fa misy ny rafitra mahefa natao handray ny vokatry ny asan’ny mpikaroka fandikan-dalàna toy ny BIANCO, dia ny fitsarana izany, koa aoka hajaina ny fahaleovantenany. Anjaran’izany rafitra izany no mamantatra raha misy fandikan-dalàna na tsia ny antotan-taratasy entina aminy. Anjarany koa ny mijery ny maha ara-dalàna na tsia ny fomba nanatontosana ny fanadihadiana natao. Heveriko fa na ny tsirairay voakasiky ny raharaha na ny andrim-panjakana isan-tsokajiny dia natao hanaja izay fahaleovantenan’ny fitsarana izay mba hanamafisana hatrany ny tany tan-dalàna.

Tsy misy hifandraisany amin’izay firehan’ny olona tsirairay mety ho voakasik’izao raharaha izao ny asa natao fa kosa nisy volam-panjakana an-jato tapitrisany maro no voahodikodina koa rariny loatra angamba raha nohadiadiana izay rehetra tompon’antoka tamin’ny fikirakirana ny namoahana izany volam-bahoaka izany. Fifanadrifian-javatra ny nampitàna ny raharaha any amin’ny fitsarana amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao, satria izay vao vita ny fanadihadiana rehetra ary averina ombieny fa tsy maintsy misy tohiny ny raharaha hanaovan’ny BIANCO fanadihadiana dia ny fampitana izany amin’ny fitsarana izany raha vao misy fandikan-dalàna na iza na iza voakasik’izany.

COMMUNICATION BIANCO

Mis à jour ( Mercredi, 13 Février 2013 16:08 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...