Ny ministra Olga Vaomalala Ramaroson
FA IZAY REHETRA ATAONAREO DIA ATAOVY AMINâNY FITIAVANA
Tao aminâny faritra AmoronâI Mania no nanamarihana taminâny fomba ofisialy ny fankalazana ny Andro eran-tany ho anâny fianakaviana izay lohahevitra noraisina taminâizany ny hoe : â ANDAHO HIFANOME TANANA , HANAMPY IREO ANKOHONANA MAREFOâ.
Lohahevitra izay nentina indrindra hanomezan-danja ireo fianakaviana marefo, ary hitariana ny sainâny rehetra fa na samy hafa foko aza ny eto Madagasikara dia fianakaviana iray ihany.
Ny hafatra nampitainâny minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Olga Vaomalala, rahateo dia naneho izay maha zava-dehibe ny fianakaviana izay mirakitra toy izao :
Zava-dehibe amintsika Malagasy ary reharehan-tsika ny tia fihavanana, raha tena izy dia tokony ho mpihavana daholo isika , izany hoe : mifanampy, mifampitsinjo ary mifanavotra . Tsy izany anefa ny zava-mitranga sy hita, fa na mifanary na mitazam-potsiny. Eny, mitady hifankahala mihitsy aza. Ny fanahy no maha olona, hoy ny Ntaolo ary soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona. Koa ndaho hifanome tĂ nana hitady vahaolana ; andaho hifaninana aminâny soa. Tsy misy tsy miady fa izay to fo mpamosavy. Atombontsika izany aminâny fijerena manokana ireo marefo na ireo niangaranâny vintana. Misy ny tokony hiahy ary ao ireo ahiana, vonona tanteraka aminâizany fiavotana izany.
Eto Amoronâi Mania no nanombohana izany, izany hoe : Reny mpiahy 50 ary Reny vonona 50 nahitam-bokatra izany fifanampiana izany, ary ezahina ny hanaparitahana izany hevitra izany eranâi Madagasikara, mba tsy hitĂ ranâny adihevitra mahamenatra ankehitrio, mba hananantsika firaisankina tena izy fa tsy sarintsariny dia andaho hifanome tĂ nana hanampy ireo ankohonana marefo Malagasy.
Tsy ho tsarainâny tantara isika, tsy hanan-tsiny aminâny taranaka. Ambony lalĂ na ny fitiavana ary ambonâny tondrozotra ny fanetren-tena, tsinjovy ny sahirana, tantano ny marefo, areno ny lavo ary izay rehetra ataonareo dia ataovy aminâny fitiavana.
Navoitry ny minisitry ny Mponina teto ihany koa fa dia ilaina ny firaisankinanâny vehivavy mba hahay hifankatia, hifanampy. Nomeny hafatra manokana moa ny momba ny fanondranana vehivavy sy ankizy any ivelany, izay nilazany fa misy aminâizao fotoana ny "agence" izay mitety faritra mihitsy mitady ireo ankizivavy alefa hiasa any ivelany. "Aoka ianareo hitandrina tsara", hoy ny minisitra "fa aza sodoka ny hiasa any ivelany kanefa dia avy eo fijaliana no hita". ho anâny lehilahy moa dia nampahatsiahy ihany koa ny minisitra ny tsy hanaovany herisetra aminâny vehivavy.
Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nisy ny fanolorana ny marim-pankasitrahana ireo Reny mpiahy 50, izay hiahy manokana ny Reny sahirana miisa 50 ihany koa. Araka ny fanazavana dia ireto Reny mpiahy ny Reny vonona ireto no samy hiahy Reny iray avy, ka izy ireo no hanampy ireo Reny sahirana, na ara-moraly na aram-pitaovana. Nisy araka izany ny fanolorana "panier garni" ahitana ny toro-lĂ lana avy aminâny ONN, akoho, menaka,... Ho anâireo Reny sahirana 50 kosa dia notolorana vary, menaka ary bodofotsy izy ireo .
Notanterahina taminâity andro 15 mey 2013 ity ihany koa any fanokafana taminâny fomba ofisialy ny fizarana kilalao ho anâny ankizy sahirana izay ao anatinâny Tetikâasa Ankizy Krismasy, ka ankizy miisa 100 no nisantarana izany fizarana kilalo izany, ary hitohy aminâny faritra rehetra eranâny Nosy. Ny 25 Mey 2013 indray no fanokafana nasionaly ho anâity fizarana kilalao ity.
Nampiarahana taminâny ity anio ity ny fitokanana ny trano iasanâny Talem-paritry ny Mponina ao AmoronâI Mania , sy ny trano fampianarana taozavatra izay eo ambany fiahianâny DRSP (Direction de rĂ©insertion sociale et Ă©conomique) ao aminâny Fokontany Alakamisy Ambositra. Niampy ny fitaovana fandrafetana ho an âny sembana izay manao rafitra hazo.
Marihiana fa tonga niatrika izao lanonana izao ny Lehibenâny faritra Andriamatoa MAMINIRINA EUGENE, ny mpikambana ao amin'ny CT sy CST avy ao aminâny faritra AmoronâI Mania, ny Ben'ny tanĂ nan' Ambositra, ny Tale ny avy aminâny minisiteranâny Serasera.
Soratra sy sary : Andry RAKOTONIRAINY
Â