]
Les quotidiens du 10 Mar 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche BIANCO: Mpianatry ny ENAM miisa 208 hiady amin’ny kolikoly

BIANCO: Mpianatry ny ENAM miisa 208 hiady amin’ny kolikoly

BIANCO sy ny FANABEAZANA


Andriamatoa RATOVOSON Benjamin, mitana micro

Mpianatra 208 ao amin’ny kilasy voalohany eny amin’ny ENAM-Androhibe no niatrika ny atrik’asa fanentanana nataon’ny BIANCO (“Bureau indépendant anti-corruption”), mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, io maraina io teny amin’ny foiben’ny ENAM eny Androhibe. Tafiditra ao amin’ny fandaharan’asam-panabeazana ataon’ny BIANCO izao, ary efa atao isan-taona. Tanjona ny hanan’ireto mpianatra ireto ny toe-tsaina manda kolikoly, sy mandàla ny fahitsiana ary ny fahamarinana, ka hiasa madio rehefa eny amperin’asa.

Ireto mpianatra ireto tokoa mantsy dia hofanina ho tonga mpiasam-panjakana ambony rahampitso ka tokony hanana toetra mendrika mifanandrify amin’izany. “Mino izahay BIANCO fa noho ny fahaizanareo no nahatonga anareo eto amin’ity toerana ity. Faniriana ny aha olom-banonana anareo ka ho mpiasam-panjakana ambony mendrika ny fahatokisan’ny vahoaka” hoy ny fanamarihana nataon’ny talem-paritry ny BIANCO eto Antananarivo, Andriamatoa RATOVOSON Benjamin. Fotoana ihany koa nanentanan’ny BIANCO ireto mpianatra ireto mba hifanome tànana hiady amin’ny kolikoly satria andraikitrin’ny daholobe izany.


Tafiditra ao amin’ny taranja hianaran’izy ireo rahateo ny “Fanjakana tsara-tantana sy fitantanana madio” (“Etat de Droit et Bonne gouvernance”). Novoaboasana tamin’izy ireo ny karazana kolikoly misy sy ny fomba fisehony eny amin’ny sehatra isan’ambaratongany avy. Tsy nihonona fotsiny tamin’ny famelabelaran-kevitra moa ny fihaonana androany fa nisy ihany koa ny fotoana nahafan’ireo mpianatra nametraka fanontaniana tamin’ireo tompon’andraikitrin’ny BIANCO nitarika ny fotoana. Teo ihany koa ny fanentanana nataon’ireo solontenan’ny “Réseau d’Honnêteté et d’Intègrité”n’ny Lycéem-panjakana eto Antananarivo ho an’ireto zokiny eny amin’ny ENAM ireto.

Nahaliana ny mpianatra ny famelabelaran-kevitra natao. Tsiahivina moa fa ny alatsinainy teo ny fanombohan’ny fampianarana tamin’ny fomba ofisialy.


Nirina Zafimaharo
Sampandraharahan'ny Serasera - BIANCO

Mis à jour ( Jeudi, 13 Février 2014 16:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024