]
Les quotidiens du 05 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara: Randrianarisoa Vaonalaroy. Minisitra tsy misy hazon-damosina?

Madagasikara: Randrianarisoa Vaonalaroy. Minisitra tsy misy hazon-damosina?

Randrianarisoa Vaonalaroy, minisitry ny Kolotsaina sy ny Vakoka ary ny Asa TĂ nana

Governemanta Kolo Roger: Mitohy ny kolikoly avo lenta

Tsy teo amin’ny sehatry ny fanendrena olona ho minisitra ihany fa mitohy hatrany amin’ny fanendrena olona ho ao anatin’ny kabinetran’ny minisitra ny kolikoly avo lenta. Mampiteny ny moana, araka ny fitenenana ny zava-misy ao amin’ity minisitera iray etsy Anosy ity, dia ny ministeran’ny Kolotsaina sy ny Vakoka ary ny Asa TĂ nana izany, indrindra fa ny fihetsika ataon’ny solombavambahoaka iray avy amin’ny tsy miankaina (“Union des dĂ©putĂ©s indĂ©pendants” - Udi). Izy io dia olona tena akaiky ny minisitra vaovao, Randrianarisoa Vaonalaroy.

Araka ny loharanom-baovao dia ity solombavambahoaka ity no manapaka izay olona handrafitra ny toerana rehetra ao anatin’ny minisitera izay sahanin’ilay minisitra akaiky azy. Manoloana izany, dia ireo olona manolotra vola any ambadika no tena raisin’ity solombavambahoaka ity hiara-hiasa amin’ilay minisitra vehivavy namany.

Manaiky ary mankato tanteraka ity solombavambahoaka ity araka izany ilay minisitra, eny fa na dia fantany izao aza fa mety hitarika azy amin’ny fanozongozonana ny sezany ny fihetsika rehetra ataon’ity solombavambahoaka ity.

Tsy vitan’ny maka vola sy manera seza ao anatin’ny minisitera fa tonga hatrany amin’ny fitarihana fivoriana ao anatin’ilay minisitera iray ity solombavambahoaka izay mbola mahatsiaro ho voadona mafy noho ny tsy naha-voatendry azy tamin’ny toeran’ny minisitra. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ireo depiote tsy miankina, dia fantatra fa isan’ireo anarana natolotra ho minisitra avy amin’ny vondron’ny solombavambahoaka tsy miankina ny anaran’ity solombavambahoaka ity. Tamin’ny ora farany anefa, tsy isan’ireo voaantso ho eny Iavoloha ny tenany nandritra ny andro fanendrena ho minisitra ireo handrafitra ny governemanta Kolo Roger.


Na izany aza anefa, na tsy isan’ireo lasa minisitra aza ity depiote ity, dia misahana tanteraka ny asan’ny minisitra ny tenany ao anatin’ity minisitera iray ity. Ity farany araka izany no manatanteraka ny sivana ireo olona izay handrafitra ny “cabinet”-n’ilay minisitra namany. Tahaka izany ihany koa ny fanoloana na tsia ireo mpitantana ny sampandraharaha hafa ao anatin’ny minisitera.

Etsy ankilany, mbola izy ihany koa no manao ny sivana ireo olona izay hotazomina na tsia ao anatin’ilay minisitera amin’ny ankapobeny.

Miteraka fahasorenana eo amin’ireo olona manodidina ny minisitra vaovao araka izany ny fihetsika rehetra izay ataon’ity solombavambahoaka ity, satria tsy misy andro iray tsy ahitana azy ao amin’ny Minisitera ary tahaka izany ihany koa ny fahitana azy eny anivon’ireo toerana na fivoahana izay ataon’ilay minisitra.

Vitsy araka izany ireo olona tena akaiky ity minisitra ity no tena olona fantany na olona nankatoaviny, fa ny olona rehetra manodidina azy, sy ireo olona vaovao hiara-hiasa aminy dia olona akaiky an’ilay solombavambahoaka avokoa.

Ny akony voalohany indrindra izany dia tsy isan’ireo afaka hiara-hiasa amin’ity minisitra ity ireo olona izay tsy manan-katolotra ilay solombavambahoaka, ka dia mijanona ho mpitazam-potsiny ety ivelany izy ireo.

Milaza azy ho manana fifandraisana manokana amin’ny olona ambony iray eto amin’ny firenena ihany koa ity solombavambahoaka “te ho minisitra” ity. Toa ataony fitaovana entina mampihorohoro ireo olona manodidina ilay minisitra anefa izany. Ity minisitra ity ihany koa, araka ny maha olom-baovao azy eo amin’ny fitantanana minisitera, dia feno tahotra tanteraka ka tsy mahafantatra ary tsy manavaka intsony ny vary sy ny tsiparifary amin’ireo olona miara-miasa aminy. Atsy ho atsy anefa, dia ity solombavambahoaka ity ihany no mety hanao izay hampihozongozona ny sezan’ilay minisitra, noho ity farany izay mbola vonton-katezerana tamin’ny tsy nahavoatendry azy ho minisitra.


LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE

Alarobia, 30 Aprily 2014

 

Mis Ă  jour ( Mercredi, 30 Avril 2014 14:30 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...