+ + + + + + + + + + + + + + +
Banga iray indray ny isan’ny mpanakanto Malagasy. Satria dia nodimandry, teo amin’ny Faha-63 taonany, tao Toamasina tamin’ny Alatsinainy 26 May 2014 i Randriantsalama Elysée, fantatra amin’ny anarana mpihira hoe Zeze Mahanoro.
Izy no anisan’ireo nampahafantatra izany gadona basesa izany tany amin’ny taona 1970 tany. Mazava fa avy any amin’iny faritra Betsimisaraka i Zeze, toa an-dry Jean Fredy, Oza Jérôme, Basta, Jean Kely… Tany aloha be tany i Zeze dia mpampianatra ka hita ao anatin’ireo tononkirany izany fanabeazana izany ary ao dia ao ny anatra.
Randriantsalama Elysé ataoa hoe Zeze Mahanoro
Lasa i Zeze fa ny hirany dia hitoetra mandrakizay. Ilay mitondra ny lohateny hoe “Lalagna Magnantsimo” no nosafidianako sy namboariko ho vidéo (ery ambony) hafa (mainty sy fotsy), mba hanomezako voninahitra azy sy ho rakitry ny ela an’ny fianakaviany. Satria hita ao izany hoe fomba fandihizana basesa izany.
Dia veloma ry Zeze a ! Mandria am-piadanana.
Jeannot Ramambazafy – 27 May 2014