Fa Hery vaovao aminâinona hono ? Na faly ry zalahy mpitondra ireo na tsy faly dia tsotra ny zava-misy iainanâny Malagasy, valo volana naha filoha voafidy anâingahy Hery Rajaonarimampianina. Mibaribary fa tena fampanantenana poakâaty nazahoana ny vatonâny mpifidy fotsiny ihany ny nambarany fa dia kopi-kole rano fotsiny no ampiariny. Hanova, hono, izy, kanefa dia ny zavatra namoehitra tany aminâny am-polo taonany tany no naveriny.
Ny olona notendreny moa dia ireo tsy mahay raha fa dia mirediredy miaro ny rambony tsy ho tapaka fotsiny ihany. Rehefa mipoaka ny tranga iray vao mamono afo avy aty aoriana. Izany ve no mpitondra firenena ? Inona anefa ny fototrâizao loza miatra eto aminâny firenena ? Tsotra: ambo-po diso tafahoatra fa hoe mahavita azy ka na ny lalampanorenana aza dia natao tsinontsinona, teo aminâny fanendrena ny Praiminisitra.
Raha nahavita moa ka naninona? Fa izao miodikodina manara ny fitokisanâny rehetra, eny hatraminâny Amerikana nandrandraina. Ara-dalĂ na ve ny nahatongavana âchargĂ© dâaffairesâ hiasa mandritra ny telo taona, kanefa ny Ambasadoaro efa notendrenâny Filoha Obama taminâny 31 Jolay 2014 ? âHitobakaâ, hono, ny vola, kanefa tsy ny fanjakana mihitsy no hitantana ireo fanampiana fa ny Unicef, ny Pal, ny Usaid.
Dia ny kely foana no atao tsindrio fa lavo. Dia mbola mirediredy ihany fa hoe tsy andoavam-bola ny fidiranâny mpianatra any aminâny sekolim-panjakana. Dia tsy miala ao anaty 4X4 intsony izany ireo manodidina azy ka tsy mahalala ny zava-misy marina? Ny tsy fandriampahalemana tsy lazaina intsony, ny âdĂ©lestageâ efa tandra vadi-koditra ho anâny Malagasy, sns.
Hamorona asa an'arivony, hono. Dia io ny HIMO (asa tselika fotsiny ihany fa tsy maharitra) ka tsy ny fanjakana akory no mikarakara izany asan-tanĂ -maro tselatra izany fa ramatoa Vohangy vadiny -izay tsy miseho amin'ny vahoaka mihitsy fa mandefa solon-tena foana- ary ny volam-panjakana -izay volam-bahoaka ihany- no hanajana ireo fadiranovana. Dia vonjy tavan'andro sy fisehoana fotsiny lava izao.
Izao indray dia io fa tsy hisy fifidianana benâny tanĂ na aminâity taona 2014 ity. Narirarira teny kanefa ny volan'ny PACEM efa vonona tao ihany. Inona ny antony ? Avelako ny SeFaFi amoaka ny fijeriny izay mampibaribary fa tena tsy nivonona hitondra firenena tokoa ry Hvm isany, izay antoko peta-toko tsy nisy toa azy teo amin'ny Tantara politikan'ny Firenena malagasy. Azony ny fahefana dia nihemotra tanteraka ny firenena iray manontolo, satria nihevitra ary mbola mihevitra fa afaka manao izay tiany ry zalahy.
Ny nenina ao fara ao handatsa e !
Jeannot Ramambazafy â 14 Septambra 2014
Â
*******************************
NY LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA :
MBOLA FANIMBAN-JAVATRA HAFA INDRAY
SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Lot TR 41 Ampahimanga, Ambohimanambola 103
Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. Site Web : www.sefafi.mg
Ny Praiminisitra Kolo Roger, ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny Minisitry ny Ati-tany Solonandrasana Mahafaly Olivier, taminâny fanokafana ilay « Atelier de Concertation Nationale sur la DĂ©centralisation », natao tao aminâny CCI Ivato, ny 21 sy 22 jolay 2014
COMMUNIQUE
Nila fivoriana tsy ara-potoana indroa ny Antenimieram-pirenena, fahefatra sy fahadimy taminâity taona ity, vao afaka nandany ny lalĂ na mifehy ny fitsinjarampahefana.
Rehefa voafidy ireo lalĂ na ireo, hoy ny nambara tamintsika, dia mety ho vita aminâity taona 2014 ity ny fifidianana ny kaomina. Efa voafidy ny lalĂ na, saingy fahanginana mankarenin-tsofina no manodidina ny fifidianana nampanantenaina, nefa dia io no takianâny fanajana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalĂ na. Alohanâny hiresahana ny voka-dratsinâio fanemorana io indray dia tsy maintsy itodihana aloha ny momba ireo lalĂ na momba ny fitsinjaram-pahefana vao nolaniana ireo.
Nisy antoko politika iray, loharano nipoiranâireny tolo-dalĂ na ireny, nanosika ny governemanta hanolotra hodinihinâny Antenimieram-pirenena vinavin-dalĂ na telo samy hafa sady tandrametaka no tefy maika 1. Nantenaina fa mba hanamafy ny efa vita nandritra ny 20 taona nampiharana ny fitsinjaram-pahefana teto Madagasikara ny Fanjakana ka handray ny lesona avy aminâizany. Tsy izany anefa, indrisy, no nitranga. Efa nanomboka ny taona 2008 no nolazaina fa noketrehina izany «lalĂ nanâny vondrom-bahoaka» izany, dia io indray aroso amintsika ny lalĂ na 94-007 bis sy 94-008 bis. Nentim-pahamaizana ny governemanta ka dia ny andininy ao aminâireo lalĂ na roa taminâny 1994 ihany no nalainy fa mody nampiana fehezanteny kanto sy poaka aty fotsiny ary tsy ahitana akory ny resaka momba ny tamberinâandraikitra, momba ny mpiasampanjakana any aminâny faritra, momba ny torohevitra enti-manohana ny solontenam-Panjakana, sns. Raha ny tebitebin-tsainâny olom-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana sy momba ny adihevitra tena izy tsy notanterahina no heverina dia lalĂ na tsy misy fotony no naterakâireo fivoriana tsy ara-potoana anankiroa ireo.
1. - LalĂ na fehizoro lah. 2014-018, mifehy ny fahefana, ny fomba fandaminana sy fiasanâny Vondrom-Paritra Itsinjaram-pahefana, ary ny fitantanany ny raharahany manokana.
- LalĂ na lah. 2014-020 mikasika ny loharanom-bolanâny Vondrom-paritra Itsinjarampahefana, ny fomba fanaovana ny fifidianana, ary ny fandaminana sy fiasany ary ny andraikitry ny rantsany.
- LalĂ na lah. 2010-021 mikasika ny solotenam-panjakana.
Momba ny kaomina sy ny fifidianana kaominaly
Ohatra voalohany, ny fokontany dia eo ambany vahohonâny sefo Distrika, nefa ny lalĂ na dia manambara fa ny fokontany dia fitsinjaranâny kaomina, mainka koa izany tsy maneho miharihary ny tena satany : ny sefom-pokontany dia manana lehibe roa mifehy azy : ny benâny tanĂ na sy ny sefo Distrika. Aoka fotsiny ny fahasimbana haterakâizany ! Ho fanajana ny Fokonolona sy ny demokrasia dia tokony ho niverenana indray ilay tsy maintsy ifidiananâny olona izay ho sefom-Pokontaniny. Mbola notanana ihany ilay fanao kidaladala izay nampifidy ny olona ka ny anarana dimy voalohany nahazo vato be indrindra no atolotra ny Benâny tanĂ na, maka anarana telo aminâireo ity farany hatolotra ny sefo Distrika, ary ity farany no manondra ilay anankiray tiany aminâireo ; izany dia mampiseho ny fiahiahianâny mpitondra ny vahoaka izay mahatsiaro fihantsiana manoloana io fanao io.
Ohatra hafa, ny fanendrena ny lefitry ny Benâny tanĂ na izay efa niteraka olana tany aloha, nefa toa tsy fantatry ny governemanta sy ny solombavambahoaka akory izany. Ny lalĂ na vaovao dia tsy manolotra fepetra vaovao na iray aza mba hahafahana mifehy tsaratsara kokoa ny fanoloana ny lefitry ny Benâny tanĂ na. Eo aminâny sehatry ny kaomina, niaiky izao tontolo izao fa tena faka tahaka ireo folo taona nanandramanâny Malagasy nampandray anjara ny kaomina taminâny fitantanam-bola. Dia ho izany ve no antony tsy nandraisana azy ho toy ny zava-bitanâny fitsinjaram-pahefana ? Ny hita dia izao : tsy nisy mihitsy fepetra, tsy nisy rafitra natolotra mba hanomezan-danja io fomba fiasa io any aminâny kaomina⊠fa raha vao misy tomponâandraikitra iray mandray fitenenana dia ny mangarahara, ny fandraisana anjara, ny tamberinâandraikitra hatrany no visavisainy, nefa ireo, hatraminâizao aloha, dia voambolana mbola poaka aty.
Tsy voafehinâny ministera miandraikitra ny Fanabeazam-pirenena ny fitokonanâny mpampianatra FRAM, ireo mpampianatra karaminâny ray amandreninâny mpianatra ary omenâny Fanjakana tambin-karama. Tsotra anefa ny tokony hatao : atolotra ny kaomina ny fahefana hitantana ny mikasika ireny mpampianatra ireny, ka ampitomboina ny vola fampandehanan-draharaha omena ny kaomina, aminâizay dia tsy voatery handeha lavitra intsony ny mpampianatra FRAM rehefa handray ny karamany ary ho mora kokoa ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy satria hisy mpampianatra avokoa any aminâny EPP rehetra. Nahitam-pahombiazana io tetika io rehefa nandramana tao Afrika, saingy tsy mahalala izany ny governemanta sy ny Antenimiera.
Ny hany mba adihevitra nanonja sy nafampana tao aminâny Antenimierampirenena dia ny momba ny fitsinjarana ny kaomina an-tanĂ n-dehibenâ Antananarivo. Nefa efa eo ireo boriborintany izay manao ny asa manakaiky ny vahoaka ; ny olana dia izy tsy manana toe-bola hoenti-miasa fa miankin-doha aminâny CUA ka tsy afaka manome fahafaham-po araka ny tokony ho izy ny hetahetam-bahoaka. Iaraha-mahita ny fijalianâireo vahoaka tsy mahalala izay dingana tokony harahina, na ny risoriso aminâny taratasim-panjakana any anaty na manodidina ny firaisana sasany eto an-drenivohitra ! Toy izay ny Antenimieram-pirenena hifantoka aminâizay mampitombina anâilay volavolandalĂ na dia ilaozany mikaon-doha aminâny tahotra ny hahatonga ny CUA ho lasa kaomina kely enina azo entina aminâny sangany.
Ny tsy azo lavina dia ny hoe tsy io velively ny olana ho anâny renivohitra. Fanontaniana roa no tsy maintsy dinihina sy valiana. Eo aloha ny momba ny tranom-panjakana (andrim-Panjakana, minisitera, orinasam-panjakana, sampandraharaha sy vondrona nitsinjaram-pahefana, sns.) eo koa ireo manana sata manokana (ONU, UA, UE, masoivoho, ONG, sns) izay ho vola be tsy ho tafiditra intsony ao aminâny kitaponâny renivohitra. Anjaranâny Fanjakana ny manonitra ny fidiran-ketra tsy ho azo intsony aterakâizany mba hahafahana mitantana tsara ny tanĂ na araka ny tokony ho izy. Ny olana faharoa dia voafetra ho ao aminâny faritry ny borborintany enina ankehitriny fotsiny ny dinika sy ny tetikâasa. Efa tonga ny fotoana hananganana ilay « Antananarivo goavana » izay tokony hitatra hatrany Behenjy, Arivonimamo, Mahitsy, Talata-Volonondry, Manjakandriana.
Rehefa mety ho « tefy maika » hanamboamboarana ny renivohitra tsy mivoaka ny faritra misy azy ankehitriny dia tsy maintsy tetika maizina fotsiny enti-miatrika fifidianana. Tokony hampiharina aminâny tanĂ n-dehibe hafa rehetra koa io fanavaozana io : Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Mahajanga, AntsirananaâŠ
Etsy an-daniny, toa hita miharihary ihany ny Fanjakana fa mikononkonina samirery indray, ary tsy manontany izay hevitry ny olona voakasikâizany, ny lalĂ na hifehezana ny kaomina manana sata manokana. Nefa, ankoatra anâ Antananarivo, dia manana sata manokana koa i Sainte-Marie sy Nosy Be izay tsy mametraka afa-tsy olana tokana : ny fifamatorany aminâny faritrâi Madagasikara.
Ho fanamarihana izany dia tokony hanorenana seranana azo antoka kokoa ao Sainte-Marie, ary tokony ho metimety kokoa ny fepetra hidirana ao Nosy Be.
Raha tsorina dia izao, toy izay ny fanjakana hifantoka aminâny fifidianana kaominaly izay efa nomaninâny PACEM ny famatsiana azy ara-bola, dia lalĂ na tsy manavao na inona na inona indray no nahitany fomba hiasana samirery, izay mampiharihary fa tsy mandeha lavitra mihitsy ny fisainany, satria ireo lalĂ na ireo dia tsy misy fiantraikany velively any aminâny fanohizana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana. Ary ny loza dia izao : raha hahemotra ny fifidianana ny kaomina dia tsy maintsy ho foana ilay famatsiana vola be omenâny PACEM⊠afa-tsy raha ohatra angaha ka izay tokoa no tanjonâny governemanta, aminâizay mantsy dia holazainy fa ny tsy fahampiana ara-bola no nahatonga azy hampihemotra hatrany hatrany ny fifidianana izay efa fantapantany fa tsy ho azony.
Momba ny faritra, ny faritany, ny fifidianam-paritra sy ny fifidianam-paritany
Tsy mbola mahazatra loatra ny vahoaka ny lanjanâny fitsinjaram-pahefana any aminâny faritra sy ny faritany. Io ihany koa no sehatra anjakanâny fifangaroanâandraikitra sy ny kajikajy politika. Na dia mbola tsy mazava aza ny famaritana sy ny asanâny andaniny sy ny ankilany, ny andininy 154 sy 158 ao aminâny LalĂ mpanorenana dia efa miteny hoe « fifidianam-bahoaka », tsy voalaza na mivantana izany na tsy mivantana. Raha ny fifidianam-bahoka tsy mivantana no raisina, dia milaza mazava aminâny olona ny lalĂ na fa tsy afamiteny intsony izy rehefa voafidy ny benâny tanĂ na sy ny mpanolotsainanâny tanĂ na. Satria giazana tanteraka aminâio ny fisafidianana ny mpitondra any aminâny ambaratonga ambony ary voatokana ho anâny mpanao politika maty hanina irery ihany, izay mikendry kokoa ny tombontsoanâny mpitondra ambony fa tsy ny anâny vahoaka madinika. Noho izany aleo ihany mitazona ny fifidianana mivantana.
Any aminâny firenena izay ahitana ny fitsinjaram-pahefana mandeha tsara, ny fanapariahana dia fitaranâny fitsinjarana ihany fa tsy zavatra mitokana velively. Koa tsara mihitsy noho izany ny mivaofy izay hahafahanâny faritra sy ny faritany mahazo ny fanampianâny STD (sampan-draharaha tekinika voatsinjara) toy izay hiasa amina rafitra roa mifanandrify: ny STD-nâny Fanjakana ary ny mpiasanâny CTD (Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana). Ary tombontsoa ho anâny firenena ny mampihatra ny fitsinjaram-pahefana aminâny ambangobeny fa tsy aminâny antsipiriany tahaka ny natao hatraminâizay, ka ny fisainana dia mampifanohitra ny fitsinjaram-pahefana aminâny fanapariahana, sns.
Efa nahitana fivoarana ny lisitra lava benâny loharanon-karena manokanâny vondrom-bahoaka. Saingy raha nozaraina taminâny kaomina sy ny faritra taloha ny hetra ankapobeny, ankehitriny ny lalĂ na dia mitsinjara azy ho anâny kaomina, ny faritra ary tahirim-pirenena miandraikitra ny fizarana. Toy izany koa ny momba ny vola azo avy aminâny harena an-kibon-tany. Tahaka ireny ilay hoe natao mihitsy izay tsy hampandeha ilay fomba fiasa, na ny tena loza aza dia toa natao izay hahafahanâny any aminâny fahefana foibe any mikononkonona raharaha ! Momba ireny loharanon-karena ireny dia tsara raha dinihina ny hahazoanâny CDT manolotra isan-taona, aminâny fotoana anaovana ny lalĂ nanâny tetibola, ny tetikasanâny faritra handefasana ny PIP (Programme dâinvestissements publics) ; ireny tetikasam-paritra ireny dia hotanterahina aminâny alalanâny fandaharanâasa ifanarahanâny governemanta sy ny CTD, izany ny hoe fandefasana any aminâny faritra ny fampiasam-bolam-panjakana. Raha tsy izany, ahoana moa no hahafahanâny Fanjakana mampihatra ny SNAT (SchĂ©mas Nationaux dâAmĂ©nagement du Territoire) sy ny SRAT (SchĂ©mas RĂ©gionaux dâAmĂ©nagement du Territoire) ? Marihina farany fa ireo lalĂ na vaovao ireo dia tsy manomana na inona na inona momba ny fepetra horaisina mikasika ny famindram-pahaizana sy loharanon-karena raha sendra ka tsy tafapetraka aminâny toerany izay rafi-panjakana voalazanâny LalĂ mpanorenanaâŠ
Momba ny fisoloana tena ny Fanjakana, dia efa nolazaina foana fa raha toa ny solontenam-panjakana ka sady mpanohana ara-kevitra no mpanara-maso ny fanarahan-dalĂ na, dia sady mpitsara izy izany no tsaraina : ny 20 taona nampiharana ny fitsinjaram-pahefana dia nampiseho miharihary ny tsy fahombiazanâny solontenam-Panjakana taminâio raharaha io. Tokony ho fantatra tsara fa ny STD dia tsy ho voafehinâny CTD na oviana na oviana. Ary raha ny iraka ho fanohanana ara-torohevitra ampanaovina ny solontenam-Panjakana, dia tsy tsy voalaza mazava ao aminâny lalĂ na voafidy izany, ny hany noresahina ao dia ny momba ny fanaraha-maso ny ara-dalĂ na fotsiny ihany ; mainka koa aza nofoanana tao aminâilay lalĂ na vaovao ny andininy 125 izay manery ny ministera miandraikitra ny atitany hitatitra isan-taona any aminâny Antenimiera ny fanaraha-maso ny ara-dalĂ na nataony, araka ny lalĂ na 94-008, ary tsy nisy akory na iray aza tatitra momba izany notanterahina.
Natsangana ny birao momba ny fananan-tany eo aminâny sehatry ny fitantananâny fitsinjaram-pahefana ny fananan-tany ; nahoana moa no mangina fehizay ny lalĂ na vaovao momba izany fahefana vaovao omena ny kaomina izany ? Mifanohitra aminâizany, misy didim-panjakana navoakanâny ministera miandraikitra ny Fanazariana ny tany, taminâny 25 jolay 2014, manambara ny fepetra hahazoana ny taratasy fanamarinana ny fananan-tany aminâny alalanâny PLOF azo antoka (Plan Local dâOccupation FonciĂšre) sy ny fananganana SAC (SchĂ©ma dâAmĂ©nagement des Communes) ; nefa io fahefana io dia efa nomena ny benâny tanĂ na ao aminâny lalĂ na 2005-018. Inona no hevitra manoloana izao lalĂ na mifanipaka izao ?
Raha tsorina, tokony hikarakara fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana ny Fanjakana, mba hahafahanâny vahoaka manolotra hevitra mikasika ny fitsinjaram-pahefana tadiaviny, ary mba hampandamoka ilay fitsinjaram-pahefana avy aminâny Fanjakana tena mpangorona fahefana fotsiny.
Rariana mafy koa ny hamoahanâny Fanjakana ny tetiandrom-pifidianana ary mifandraika tsara aminâny asa mirindra andrasana aminy rahateo izany : rahoviana ny datinâny fifidianana ny kaomina, ny faritra, ny faritany ary ny loholona ? Ny mitondra, hono, dia mitsinjo.( « Gouverner câest prĂ©voir ») Aminâizay ny vahoaka dia hahita aminâny ambagovangony ny fananganana ny andrim-panjakana voalazanâny LalĂ mpanorenana, aminâizay koa ireo fikambanana misahana ny fanabeazana ny olom-pirenena aminâny fifidianana dia ho afaka mandamina ny fandaharana ny asany, ary ny kandidĂ ho vonona ara-potoana.
Eo am-piandrasana izany aloha, ny fandavanâny fitondrana hanatontosa ny fifidianana ny kaomina dia hiteraka fahavoazana lozan-tany. Satria tsy misy olom-boafidy ao aminâny kaomina dia tsy hisy koa izany na ny fifidianana ny faritra na ny fifidianana ny faritany alohanâny volana mey 2015, faranâny fotoampahavaratra aminâny herintaona; dia tsy hisy koa izany ny Antenimierandoholona izay « solontenanâny Vondrom-Paritra Itsinjaram-pahefana » (LalĂ mpanorenana, and.81).
Ho sarotra ho anâny Filohanâny Repoblika ny hanangana ny Fitsarana Tampony izay asainâny LalĂ mpanorenana tanterahiny « ao anatinâny fe-potoana 12 volana manaraka ny andro nandraisany ny fahefana » (and. 166), izany hoe ny 25 janvie 2015 â mbola io andininy io ihany no manamarika fa « na iza na iza afaka manamarina ny mahatsara izany dia afaka mangataka fanasaziana any aminâny rafi-panjakana mahefa raha misy fahabangana ». Azo lazaina fa miroso ho ao anaty krizy ara-pitondrana goavana isika noho ireto mpitondra antsika tsy mahatsinjo lavitra sy manao kitoatoa.
Antananarivo, 11 septembra 2014