Tsiahy : Taorianâny fiovan-kevitra nataonâny Filoha Hery Rajaonarimampianina, izay toa tsy hiady mafy intsony mikasika ireo Nosy Malagasy ao aminâny Ranomasina Indianina, dia nijoro ny « ComitĂ© national pour la restitution des Iles Eparses et la revendication du Plateau Continental ». Isanâireo mpikambana ao aminâity kĂŽmity mangataka ny hamerenana ireo Nosy ireo ho anâny Malagasy : Rtoa Christine Razanamahasoa (minisitra teo aloha) Imbiky Anaclet (minisitra teo aloha), Rakotoarisoa Florent (minisitra teo aloha), Pierre Tsiranana (Cst teo aloha); Jules Andriamaholison (Cst teo aloha), Jean Brunel Razafintsiandraofa (Depiote amperinâasa), Richardson Rakotoarimanana (mpiaro ny zonâolombelona), JoĂ«l Harison Marie RenĂ© (Cram) ⊠sy ny maro tsy ho voatanisa. Ity manaraka ity ny « CommuniquĂ© de presse » mikasika ny fivoriana farany nataonâio CRAM io, androany 27 Septembre 2014.
Jeannot Ramambazafy
CERCLE DE REFLEXION POUR LâAVENIR DE MADAGASCAR
âMANANGANA HO ANâNY TARANAKA FARAMANDIMBY ISIKA FA TSY HANDRAVA INTSONY NO ANTOKY NY FIADANANTSIKAâ
COMMUNIQUE DE PRESSE
Ny Birao Nasionalinâny « Cercle de RĂ©flexion pour lâAvenir de Madagascar »(CRAM) izay nivory teo Alasora androany faha 27 septambra 2014 dia manao izao fanambarana manaraka izao :
Ny mpitondra nifanesy teto aminâny tany sy ny fanjakana ary ireo manam-pahaizana malagasy mombanâny lalĂ na iraisam-pirenena dia samy efa nanao ny ezaka rehetra ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena aminâny hamerenanâny firenena frantsay aminâny vahoaka malagasy ireo « Nosy Malagasy » nobodony an-taonany maro kanefa dia fananantsika tsotra izao. Rehefa bodonâny sasany ny fananao dia tsy maintsy mitaky aminâny fomba rehetra ny hamerenana azy ianao, izany indrindra no nitsangananâny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ireo « Nosy malagasy » ireo. Ny CRAM dia isanâny Fikambanana mpanorina izany Komitim-pirenena izany.
Mifanohitra be ihany ny fanazavana etsy sy eroa ankehitriny, indrindra ny fanazavana tao aminâny Televiziona malagasy (TVM) nandritra ny fandaharana « SARIKA » ny zoma 26 septambra 2014 aminâny filazanâny vahiny tao fa « tsy hilaina ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ny Nosy malagasy ». TSARA HO FANTATRY NY VAHOAKA MALAGASY FA NY TANJONâNY KOMITIM-PIRENENA DIA TOY IZAO MANARAKA IZAO:
1. Hapetraka ho raharaham-pirenena ny fitakiana ny harem-pirenena mba hivelomanâny zanaka malagasy sady ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena.
2. Tsy mitovy hevitra aminâny mpanao politika sasany tsy te hisahirana ankehitriny ny Komity, satria saro-piaro aminâny fiandrianam-pirenena (souverainetĂ© nationale) ny vahoaka mipetraka sy monina eto Madagasikara.
3. Hamolavola ireo paikâady rehetra izay hatolotra ny Antenimeram-pirenena sy ny fitondram-panjakana malagasy mba hirosoana aminâny âREFERENDUMâ raha ho tonga aminâizany.
4. Handrafitra ny mety ho endri-piaraha-miasa aminâny orinâasa vahiny vonona hiara-hiasa marina aminâny Madagasikara aminâny fitrandrahana ny harem-pirenena misy any aminâireo Nosy Malagasy ireo. Ho tombontsoa ambonâny firenena sy ny vahoaka malagasy manontolo.
5. Hanangana Vaomiera hanara-maso ny fifanarahana rehetra mba hisy fiantraikany marina aminâny fiainam-bahoaka.
6. Hitondra tolo-kevitra aminâny fampiasana ny vola azo aminâny fitrandrahana permis exclusifs dâexploration Offshore, des droits dâexploration offshore et dâexploitation de ressources pĂ©troliĂšres et gaziĂšres en eaux profondes, gisements) ho anâny tombontsoanâny vahoaka malagasy manontolo mba tsy ho lasa an-javona toy ny âbois de roseâ.
Tsy mianona fotsiny aminâny fitakiana ny fiandrianam-pirenena ny komitim-pirenena fa hanara-maso ny fifanarahana sy ny fampiasam-bola rehetra manodidina ny fitrandrahana. Mazava ny voalazanâny vahiny tao aminâny TVM nanao hoe : « Aleo tsy misy toy izay lasa toy ny bois de rose ny Nosy malagasy ».
Koa manainga ny vahoaka malagasy rehetra hitsangana fa tonga ny fotoana ampisehoana aminâizao tontolo izao fa tia ny tanindrazany ny vahoaka malagasy sady miaro ny fiandrianam-pireneny ary tsy hanaiky lembenana intsony aminâny tsindry hazo lena mianjady aminy. HO ANâNY TANINDRAZANA SY NY FITIAVANA NY HO AVINâNY MPIRAY TANINDRAZANA.
Hatanteraka izany dia tsy azontsika atao rano dikanâny zinga ny Antenimieram-pirenena satria mpikambana ao dia ireo Solombavam-bahoaka mahasolon-tena ny vahoaka malagasy manontolo ary tsy tokony ho diso hevitra ireo mpanatsatso fa tsy hilaina aminâity resaka « Nosy Malagasy » ity ny Antenimieram-pirenena. Ny fifanarahana rehetra momba ireo « Nosy malagasy » ireo dia tsy maintsy ny Antenimieram-pirenena ny mandany ny lalĂ na rehetra na manao ny « ratification ».
Aoka hazava aminâny vahoaka malagasy fa mbola tsy vita ny fifanarahana teo aminâny Nosy Maurice sy ny Frantsay izay nanomboka taminâny 17-18 desambra 2008, tany Port-Louis, namolavolana ny fifanarahana lasitra (accord cadre sur la cogestion Ă©conomique, scientifique et environnementale relative Ă lâĂźle de Tromelin et Ă ses espaces maritimes environnants) izay nitohy taminâny fivoriana faharoa ny 27-28 oktobra 2009 tany Saint-Pierre de la RĂ©union. Ny delegasiona frantsay dia notarihanâAndriamatoa Rollon MOUCHEL-BLAISOT, PrĂ©fet, Administrateur supĂ©rieur des TAAF ary Andriamatoa Suresh Chundre SEEBALLUCK, Secretary to Cabinet and Head of the Civil Service (Sekretera Jeneralinâny governemanta), no nitarika ny delegasiona morisiana. Ny 25 janoary 2012 vao napetraky ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Alain JUPPE, teo anivonâny Antenimieran-doholona frantsay ny rijan-teny (texte n° 299, 2011-2012)mombanâny fifaranahana lasitra aminâio fiaraha-mitantana (cogestion) io. Rehefa avy nolanianâny Loholona frantsay izany ny 18 desambra 2012 (texte n° 52, 2012-2013 dia nalefa eo anivonâny Antenimieram-pirenena frantsay. Nanao tatitra Andriamatoa HervĂ© GAYMARD, izay mitondra ny laharana 830, teo anivonâny Antenimieram-pirenena frantsay.
Tafapetraky ny vaomieranâny raharaham-bahiny frantsay eo anivonâny Antenimieram-pirenena izany ny 20 mars 2013 (texte de la commission n°830). Mbola miantona eo anivonâny Antenimieram-pirenena frantsay io resaka âcogestion Tromelinâ io hatraminâizao. Toy izao manaraka izao no nambaranâAndriamatoa Jean François DOBELLE, Masoivoho frantsay tao Maurice, ny 15 jolay 2013, raha niresaka taminâny mpanao gazety tao aminâny âLE MAURICIENâ izy :
« Un dĂ©putĂ© a rĂ©clamĂ© un dĂ©bat de fond parce quâil semble ĂȘtre est en dĂ©saccord avec certaines dispositions de lâaccord alors que le texte avait dĂ©jĂ passĂ© au SĂ©nat et Ă la commission des Affaires Ă©trangĂšres sans dĂ©bats. Puisquâil y a eu demande de dĂ©libĂ©ration, on ne peut refuser le dĂ©bat qui est de droit dans une dĂ©mocratie. Le texte devait passer le 1er juillet dernier Ă lâAssemblĂ©e nationale. Du fait de la surcharge de travail et du nombre de projets de loi Ă devant ĂȘtre examinĂ©s, la confĂ©rence des prĂ©sidents de lâAssemblĂ©e nationale, qui gĂšre lâordre du jour, a dĂ©cidĂ© dâannuler la sĂ©ance du 1er juillet oĂč lâexamen du projet de loi autorisant lâapprobation de lâaccord sur Tromelin Ă©tait prĂ©vu. Dâautres projets de loi sont aussi passĂ©s Ă la trappe ». Ny CRAM dia manizingizina fa tsy hilaina izany fiaraha-mitanana izany raha ny zava-misy manodidina ny Nosy Tromelin no jerena aminâny maso tsy miangatra fa tena lasa resaka fandrebirebena sy fandanianâandro fotsiny. Tsy afaka ny hiandry am-polo taonany ny mpanjono malagasy an-tapitrisina aminâny ilany andrefanâny Nosin-drazantsika vao afaka hanjono ao aminâny fari-dranomasina malagasy kanefa ireo mpanjona vaventy asiatika dia miray tsikombakomba aminâny vahiny no mandroba ny harem-pirenena malagasy ao aminâny Lakan-dranonâi Mozambika Natao teto Alasora, androany faha 27 septambra 2014 JOĂL HARISON Marie RenĂ© PrĂ©sident CRAM
Â