]
Les quotidiens du 25 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Edwige Andriamanantena. Lasa nanaraka an’i Rado vadiny izy

Edwige Andriamanantena. Lasa nanaraka an’i Rado vadiny izy

MAKPELA dia anaran’ny fasam-pianakaviana Andriamanantena, ao Anjanahary. Ao daholo ny razam-be sy ny taranany no matory, miandry ny fitsanganana amin’ny maty, araka ny finoana kristianina.


Ao anatin’ny Baiboly kosa (Genesisy 23: 17) dia toerana misy zohy (lava-bato) io Makpela io, ao Hebron, ary ao no milevina i Abrahama sy ny taranany.


Raha ny eto Madagasikara, ny taona 2008 no nandao antsika i Georges Andriamanantena fantatra amin’ny anarana hoe RADO, mpanoratra. Nialoha azy, tamin’ny taona 2002, ny rahalahiny, Célestin Andriamanantena, mpanao gazety ary rain’i Fanja Andriamanantena, mpamoron-kira sy mpihira tsy zoviana amin’ny rehetra.


Tamin’ity taona 2016 ity kosa no lasa nanaraka an’i RADO ny vadiny, rehefa nivahiny 91 taona teto amin’ity tany fandalovana ity. Tsy iza izany fa i Edwige teraka Ravololona. Ny fandevenana moa dia io hitanareo eo amin’ny ferapara.

Araka ilay tonon-kira noforonin’i RADO ihany dia : « Tsy ho takatry ny saiko izay rehetra alahatrao ; ny angatahiko anao ry Raiko, aoka aho atoky Anao ».

Izahay eto aminy madagate.org dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Edwige sy Rado Andriamanantena. Mandrià am-piadanana ianareo mivady.


Aza avela hahalala ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala na ireo maraina vao.

Tsy ho takatry ny saiko zay rehetra alahatrao.
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hatoky Anao.

Aza avela hanontany ny hafaliana atolotrao,
Na ny anton’ny tomany efa hitako hatrizao.

Aza avelanao hanefy ny ampitso zay Anao.
Aza avelanao handrefy zay ho fitantananao.

Rado (Georges Andriamanantena)

Jeannot Ramambazafy – 22 Febroary 2016

Mis à jour ( Lundi, 22 Février 2016 11:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA