]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Oelisoa Zoé Harivelo - OELS. Veloma reitsy a!

Oelisoa Zoé Harivelo - OELS. Veloma reitsy a!

Na dia tsy afaka nanatrika ny tao am-piangonana sy tsy nanatitra an’i Oels eny amin’ny trano vato hiandrasana ny fitsanganan’ireo nialoha lalàna antsika mbola velona izao, dia nisy kosa ny taranaka niara-niasa taminy mba nandimby aho. Dia i Sandy izany. Ireto dia fahatsiarovana ho an’ny taranany, ny vadiny ary ny fianakaviany iray manontolo. Tsy ho adino -ary tsy azo adino-  mihitsy ny fandalovany tety an-tany. Hafatra mafonja ireto.


Raha fintinina ny toriteny re sy heno tao aminy Fjkm Ambohitantely, tamin’ny fanaovam-beloma farany an’i Oels, dia toa izao: azo atao tsara ny mampifandrindra ny fifanoherana ho hery entina hampandroso.

Inona no toe-tsaina, toe-po tokony hananàna mba ho mpandresy na hihoatra noho ny mpandresy?

1- Ny finoana (ny fandresena tsy ho amin’ny ho avy fa efa eto - tia anao Andriamanitra)

* Fahoriana amin’ny teny latina toe-javatra hiavahan'ny tena izy amin’ny mody izy.

* fahalalàna fa tsy manao kitoatoa Andriamanitra.

* nahatanteraka ny hazakazany i Oelisoa (Oniversite Fjkm)

2- Ny Faharetana

- izay afafinao anio dia mety tsy hivaly eo no eo. Ny atombokao mety tsy ho farananao. Azo atao ny mamiratra anaty zavatra tsotra anankiray. Fa mila faharetana

3- Ny Fitiavana

- zioga ny asa rehefa tsy misy fitiavana. Fa ny zavatra mafy indrindra dia ho maivana rehefa misy ny fitiavana.


Havaoziko ilay voady

1. Tsy ho toy izao, Jesoa
Ity mpanomponao
Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao
‘Zay nanohana ‘lay hery kely tao am-poko
Nahazoako mba nanao
Ny asam-panompoako!

Fiv: Indro fa havaoziko ry Jesoa
‘Lay voady miorina ao am-po
Ny andro ivelomako
‘Zay omenao iainako
Dia atokako sy mbola hitoriako ilay fitiavanao!

2. Ny asa izay natao,Jesoa,
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
Nefa na izany aza dia inoako koa
Fa ‘zay kely vitako hitera-boka-tsoa.
Indro fa havaoziko ry Jesoa sns…

3. Na ho lava na ho fohy
Ny androko ety
‘Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
No hanafy herim-pitokiana mandra-maty!
Indro fa havaoziko ry Jesoa sns…

Fihirana fanampiny 53


Veloma Oels a! Veloma reitsy a! Ary mandrià am-piadanana mandrapahatonganay any amin'ny tsy taka-maso  any.

Jeannot Ramambazafy – 15 Avrily 2016

Mis à jour ( Samedi, 16 Avril 2016 06:30 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA