Io ambony no atao hoe « Selfie » e ! Izany hoe izaho Jeannot Ramambazafy ihany no naka ny sary miaraka amin'i Victor Georges Andriananjason. Mba miaina amin'ny teknolojia vaovao e!
Lanonana nokarakarain'ny Ambasadaoro Blaise Rabetafika (eo ankavanana indrindra) tany New York. I Sylvain Ramambazafy, somary takona, dia eo aorian'ny Minisitra Christian Rémi Richard. I Sylvain, na koa Bibi (tao amin'ny Olympic Club de Tananarive -OCT- notarihin'Itompokolahy Rakotoarivony), dia niasa tao amin'ny CINU ("Centre d'information des Nations Unies") teo Antsahavola, alohan'ny nahavoatendry azy ao amin'ny "Centre d'actualités"-ny ONU ao New York, niara-niasa tamin'i Victor-Georges Andriananjason.
Ny taona 2013 izaho sy Victor ny nihaona farany tany New York. Izy moa dia niasa nandritra ny 30 taona mahery tao aminâny foibenâny Firenena mikambana (ONU) any ary ny zokiko, Sylvain Ramambazafy, dia anisanâireo niara-niasa taminy tao nandritra ny folo taona.
Victor Andriananjason sy Adama Ouologuem, mpanao gazety avy any Mali miasa any Washington
Jeannot Ramambazafy sy mpanao gazety avy amina firenena samihafa mampiasa ny teny frantsay iasana sy ifandraisana
Ny 25 septambra 2012 dia izahay mirahalahy no nisolo tenanâi Madagasikara taminâny fanomboahana ny asa ao aminâny hoe « Centre de la Presse Francophone de New York », 801, Second Avenue - suite 605, NY City. Tsy misy tsy mahalala i Victor raha mbola eo aminâny sehatry ny fanaovan-gazety any aminâny Bekintana e ! Satria na dia olona tsotrasy tso-piainana izy, dia ao aminy ny fandavan-tena ary ny fitiavan-tanindrazana.
Mandalo eto an-tanindrazana izy ka tao aminâny foibenâny CJD («Club des Journalistes Doyens» na fikambananâny mpanao gazety zokiolona âfa tsy beantitra !) ao aminy "Au Bon Accueil" etsy Ambatonakanga no nihaona taminay izy, ny zoma 18 Mey 2018. Rehefa nandeha teo moa ny fahatsirarovana samihafa sy ny resaka dia nanome toro-hevitra izy mikasika ny famatsiana ara-bola raha te-hamokatra boky. Satria tokoa mantsy, mikasa hamoaka boky indray mandeha isaky ny enim-bolana ny CJD. Tokony nisy efa nivoaka taminâny 3 Mey, Andro iraisam-pirenena ho anâny Fahafahanâny fanaovan-gazety, teo fa tsy tratra noho ny antony maro samihafa.
Â
Miaraka maka sary i Victor sy Jocelyn Rafidinarivo (Jean-Louis Rafidy) izay niasa ela ihany koa tao Etazonia, tany Washington no marimarina kokoa
Â
Io ny vokatry ny sary fahatsiarovana miaraka, nokalian'i Armand Andrianasolo tsara mihitsy. Izay no mahatonga azy tsy eo anilanay
Mandalo eto an-tanindrazana izy ka tao aminâny foibenâny CJD (« Club des Journalistes Doyens » na fikambananâny mpanao gazety zokiolona âfa tsy beantitra !) ao Ambatonakanga no nihaona taminay izy, ny zoma 18 Mey 2018. Rehefa nandeha teo moa ny fahatsirarovana samihafa sy ny resaka dia nanome toro-hevitra izy mikasika ny famatsiana ara-bola raha te-hamokatra boky. Satria tokoa mantsy, mikasa hamoaka boky indray mandeha isaky ny enim-bolana ny CJD. Tokony nisy efa nivoaka taminâny 3 Mey, Andro iraisam-pirenena ho anâny Fahafahanâny fanaovan-gazety, teo fa tsy tratra noho ny antony maro samihafa.
Ary ilay boky notontosainy taminâny taona 1970 tany no nalaina ohatra.
Misy hilaza fa tsy mitovy ny taminâizany sy ny aminâizao fotoana izao. Marina tokoa satria tsy nisy solosaina, tsy nisy Internet, tsy nisy fakan-tsary nomerika taminâizany. Ary lafo tokoa, hatraminâizany vanim-potoana izany, ny manonta boky. Dokam-baotra no any nafahanâi Victor namoaka io boky asehoko eto. Tany Alemana izy taminâizany fotoana izany no niasa ary Victor Andria no nahafantarana azy. Ary nifanerasera tamina olo-mpanjakana sy olo-malaza eto Madagasikara sy maneran-tany tokoa izy.
Voafehiny ny teny frantsay, ny teny alemĂ ary ny teny anglisy. Fa ilay boky notontosainy dia aminâny tenin-drazana ary « machine Ă Ă©crire » no nampiasaina taminâizany. Ireo atolotro ho anao mpamaky ny takelaka rehetra izany boky izany. Tena nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena i Victor. Fâiza moa no mba ahatsiahy ?
Fa ao anatin'izany rehetra izany, tsara ny mampahatsiahy fa namoaka boky amin'ny teny Alema i Victor, mitondra ny lohateny hoe: « Im Lande der Malagasy ». Tsindrio io sary eo ambany io ho an'izay mahay miteny ny fitenin'i Goethe
Jeannot Ramambazafy
****************************
Nahavariana ny namana Jean de Dieu ilay bokin'i Victor
Liana dia liana amin'ilay boky ny namana ArsĂšne Ralaimihoatra
Fa liana torak'izany koa ny namana Rabefananina
Voatahiry tsara ity boky ity. Tadidio fa 40 taona mahery izay ny lasa fa dia io ambony io ny fonony ary manaraka ireo takelaka miisa 16 miaraka amin'ny fonony farany. Deraina i Victor Georges Andriananjason satria tena rakitra ho an'ny taranaka tokoa ity navelany ity
Tsiahiviko eto fa ireo filohan'ny Alemana roa hita ao anatin'ity boky ity dia toa izao ny momba azy:
Karl Heinrich LĂŒbke dia Filohan'ny Repoblika Federalin'ny Alemana (RFA) teo anelanelan'ny taona 1959 sy 1969. Nodimandry izy ny taona 1972.
Gustav Heinemman dia Filohan'ny RFA teo anelanelan'ny taona 1969 sy 1974. Ny taona 1976 izy no nodimandry