]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Tsiadana, Antananarivo II. Navitrika tokoa ny vehivavy IEM VINA13

Tsiadana, Antananarivo II. Navitrika tokoa ny vehivavy IEM VINA13

ADIDY SY TANTARA. Tsiadana, Antananarivo II. Navitrika mihitsy ny vehivavy IEM-VINA 13 ao anatin'ity fokontany ity.

Ary nahavariana tokoa fa tsy nisy lehilahy mihitsy no niaraka tamin'izy ireo.


Tsiadana moa dia midadasika ihany satria manomboka amin'iny lĂ lana mankeny Ankatso iny ary mipaka eny amin'iny lĂ lana mankeny Ambohipo iny.

Malagasy mivelona amina sasa lamba, fivarotana enta-madinika isan-karazany, mpanampy tokan-trano, dĂŽkera na mpibata etana. Maro ny ankizy no tsy mianatra satria mahantra ny raimandreniny.

Azo lazaina ihany koa fa misy ny zavatra rehetra ilaina andavanandro ao Tsiadana, fa ny fahefana mividin'ny mponina ("pouvoir d'achat") dia ambany dia ambany ao. Mpiavy ny ankamaroan'ny mpivarota saribao, kafe, sns. Raha tsorina dia anisan'ireo faritra menan'ny fahantrana ny fokontanin'i Tsiadana izay mizara faritra ("secteurs") efatra ka ireo roa ambanin'Ambohidempona no tena "lavitr'andriana"...

Ao no tena mbola hahitana paompy andoavam-bola sy ireny "bidons jaunes" mitaratra ny fahantrana tanteraka. Misimisy ihany koa ny trano tsy misy jiro, tsy misy trano fivoahana.

Ny tanora moa toa tsy misy mpiahy eo amin'ny sehatry ny fanjakana, any ka mirona amin'ny zava-maha-domelina ka tsy vitsy no lasa olon-dratsy.

Maro dia maro ny elakelan-trano ao Tsiadana ao any ka matetika no mandre fa nisy fanafihana mpivarotra na tokan-trano ana olona heverina fa hoe manan-katao.

Rehefa avy moa ny orana, ary fotoanany izao, dia fotaka no tontolon'ny mponina ao Tsiadana sy riaka mitondra maloto tokoa.

Miandrandra fanovana anefa ny ankamaroan'ny tanora. Ary ny fanirian'ny maro an'isa dia mba tanora toa azy ireo no ho lasa filoham-pirenena satria mba mitovy fijery, mitovy "feeling".

Satria tokoa resena lahatra am-pitiavana ny mpifidy, lavitry ny herisetra sy ny lainga ary fanambaniana ataon'ireo mpomban'ilay milaza foana fa kapoakany daholo izao tontolo izao.

Izay no nahatonga ireto vehivavy IEM-VINA 13 ao anatin'ity fokontany ity nitety ny azy ka nandresy lahatra fa ny kandida n°13 ihany no ao anatin"izany fanirian-dry zareo izany.

Ireto ary misy video roa (02) sy sary miisa telo ambin'ny folo (13) hafa, nalain'i Mialy Audrey, mirakitra ny "porte-Ă -porte" nipetraka teo amina Fanabeazana am-pitiavana momba ny zo sy adidin'ny olompirenena malagasy izay natao androany sabotsy 15 Desambra 2018 tolakandro.

Ary tsy adino ny nanazava ireo Velirano miisa 13 ihany koa nataon'ny kandida Andry Rajoelina ka tsy maintsy ho tanterahiny toa ny Lapan'ny TanĂ na, ny Coliseum, ny Kianjan'ny Makis, ny hopitaly manara-penitra navelan'i Hery Rajaonarimampianina ho simba am-pitoerana tsy nasiany dokotera, tsy nasiany fitaovana, tsy nasiany fanafody, ireto trano mora nahodikodin'ny fitondrana Hvm. Ireo no nivainga vita sy tontosa soa aman-tsara na dia tsy nisy famatsiham-bola avy any ivelany.

Tsy natao ho an'ny fianakavian'i Andry Rajoelina ireo fotodrafitrasa ireo fa ho an'ny Malagasy izay mampiasa azy daholo tsy misy fanavahana.

Tsotra ny fehin'izany rehetra izany : MANDEHANA MIFIDY AMIN'NY ALAROBIA (tsy miverina) 19 DESAMBRA 2018 ARY MAHAIZA MIFIDY NY KANDIDA LAHARANA FAHA-13

EKIPAN’NY VEHIVAVY IEM VINA13 ETO TSIADANA

Sary sy Vidéos : Mialy Audrey

Mis Ă  jour ( Dimanche, 16 DĂ©cembre 2018 08:19 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...