Eo amin’ny misy « X » io ny lalan’ilay vato namono olona efatra
Alahady 3 Febroary 2019. Loza tsy nanampaharoa no nitranga teo Ampamarinana. Nisy vatobe niala avy teo amban’ny Rovan’i Manjakamiadana ary nikodiadia nandrava tranom-ponenana enina, izay vao nijanona teo antenatenany eo ambanin’Ampamarinana. Vokatra : olona efatra no namoy ny ainy ka roa dia ankizy sy zazakely 2 taona sy tapany. Folo mahery no naratra Efa tamin’ny faha-mpanjaka no fantatra fa maro ireo toerana fady tokony tsy nanorenana trano. Saingy mahery ny herin’ny vola tsy nisasarana…
Ny mahavariana koa anie dia nisy didy fandrarana fanorenana trano nivoaka tamin’ny taona 2018 fa e e e ! Nanjakan’ny kolikoly tanteraka tokoa ny fitondran’ny Hvm sy Hery Rajaonarimampianina. Izao ny mikasika izany didy izany anefa : « Didy laharana 4332/2018-M2PATE/SG/DGATE/DVPT nivoaka tamin’ny 26 Febroary 2018 mamaritra ny fandrarana fanorenana sy fanajariana amin’ny faritr’avoana Manjakamiadana amin’ireto fokontany ireto : Manjakamiadana, Andafiavaratra, Ambohipotsy, Andohamandry, Miandrarivo, Manakambahiny, Ambatovinaky, Ankazotokana ambony, Ambatonakanga, Tsimialonjafy, Tsarafaritra ».
Moa va nisy nanaraka io Didy Nampihetsika ny fon’i Rafaramanjaka Morgan Aditya ny zava-nitranga ny Alahady 3 Febroary lasa teo ka nampahatsiahy. Izy moa dia mpikaroka ara-kolotsaina misera ao amin’ny Facebook ary namoaka ireto manaraka ireto izay somary nahitsiko kely.
Ataoko fa tsy mety intsony ny mangiana manoloana izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao, aina afoy noho ny tsy fitandremana sy tsy fanajana ary tsy fanarahana ny lamina napetrak'ireo olon-kendry Merina hatramin'ny nanajariana azy. Aoka ho fantatrareo fa io vohitr'Antananarivo io dia naorina araky ny lamina ara-boajanahary manaraka ny astrologie, géologie, sns. Ny anaran-toerana rehetra amin'iny vohitra iny dia misy dikany daholo, ary efa voadinik'ireo olon-kendry, mpanitsakandro, mpanana tsindrimandry, sy ireo mahafehy ny tontolo ara-panahy rehetra.
Io faritra io dia miorina amin'ny HASINA, efa misy fomba ny fidirana sy mivoaka ao, misy fomba ny manorina trano eny, misy zoro mila hajaina eny isak'izay manao zavatra saingy tsy hiditra lalina amin'iny aho fa hanazava aminareo fotsiny ny dikan'ny anaran-toerana amin'iny vohitra iny, satria raha fantatra sy najaina araky ny anarany fotsiny ny toerana dia tsy nisy akory izao loza izao.
Ambatotsimahasoaolona
Ara-bakiteny dia mazava tsara ny dikan’io anarana io : Vato+Tsy mahasoa+Olona. Ny toerana mitondra io anarana Ambatotsimahasoaolona io dia
Ilay faritra maromaro be vato manodidina ny Rova iny. Fadin’ny Ntaolo io toerana io ka tsy azo natao mihitsy ny nanorina trano eny. Saingy taty aoriana, noho ny fitiavam-bola sy fitiavan-kely dia tsy voaaja intsony izany fady izany any ka tsy vitan’ny nanorina daholo izay nomena « alà lana » fa trano tsy manara-dalà na sy mia-goavana hatrany no naorina eo amin’io Ambatotsimahasoaolona io. Dia ho gaga ve ianao raha misy ny faty olona ?
Mbola hitohy hatrany io ny faty olona io raha mbola tsy misy ny fandraisana an-draikitra hentitra. Izany hoe mila miala eo daholo ny mponina eny, ary ravana ireo trano tandindin-doza rehetra mba tsy hiverenan’ireo olona ireointsony rehefa tapitra ny andro fahavaratra.
Ampamarinana (fa tsy Ampahamarinana). Nanomboka tamin’ny andro faha-mpanjaka dia io toerana io no atao hoe « Aloky ny fahafatesana, Faritry ny maty ». Ny antony ? Satria teo no toerana namonoana ny meloka rehetra tamin’ny faha-mpanjaka. Teo no navarina ikodiadia hatreny ambany ireo nanao heloka tamin'ny fanjakana. Izay no maha am-PAMARINANA io toerana io. Mazava fa fadin'ny Ntaolo ny manorina trano eny izay feno angovo mamono (« énergie négative »), feno fanahin'ny ratsy saina. Tokony tsy ho gaga mihitsy izany isika raha maty tsikelikely ny olona nanorina sy mbola manorina trano eny. Ary na ny fihariana aza mety tsy handeha amin'ny laoniny mihitsy amin’izany fanotana fady izany.
Ambohipotsy
Eo amin’io toerana io no misy ilay tempoly naorin’ilay mpanao trano anglisy William Pool tamin’ny taona 1863. F’inona no nahatonga ilay anarana hoy ianareo ? Toerana famonoana olona no teo ary toerana fanantonana ny lohan'izay voatapa-doha sy fanariana ny vatany. Ka rehefa ela ny ela dia feno taolam-potsy (karandoha) teo. Izay no maha AmbohiPOTSY azy. Ao amin'io zoro io dia tsy fanorenana trano mihitsy. Nefa indrisy. Dia ho taitra ve isika raha hiseho no loza toa ny tao Ampamarinana, ny Alahady 3 Febroary 2019 ? Mila fandraisana andraikitra hentitra sy ainga.
Andohalomasina
Io no tena anaran'Andohalo feno fahiny. Satria tokoa, nisy vatomasina sy rano fihasinana tao. Teo amin'ny toerana misy ny Katedraly ankehitriny io no nisy dobo masina fakana rano entina manasina. Indrisy fa nototofana io dobo io. Notaina izany ny fadin’ny Ntaolo nanorenana fiangonana, ary vao tsy ela no nanangana sarivongana be. Tany aloha be tany dia nisy ny teny hoe « Masina » daholo ny anaran-toerana najaina teny amin’ireo vohitra ireo, toy Andohalomasina, Ambavahadimasina, sns. Nefa dia niniana nofafana fotsiny rehefa tonga ny mpandrava. Ary Natao izay nanadinoin'ny taranaka fa vohitra masina daholo ireo.
Rehefa vaojanaka i Madagasikara dia nanomboka ny gaboraraka teny, nanomboka ny fanotana fady, ny famafana sy famonoana mihotsy aza ny tantara, ny fandravana ny vakoka netim-paharazana. Ny vokany : very tadidy ny taranaka ka manaotao foana. Any ka maty, very hasina, ary mora ambakain'ny vahiny./.
Manan-danja ilay voambolana hoe kolontsaina. Satria io kolontsaina io no sisa mitoetra eo amin’ny zanakolombelona rehefa adinony daholo ny rehetra (« La culture c’est ce qui demeure en l’Homme lorsqu’il a tout oublié », Ellen Key).
Fa ny alin’io Alahady 3 Febroary 2019 io, dia nisy ny filan-kevirty ny minisitra nitarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izao manaraka izao ny vontoatiny mikasika ny zava-niseho teo Ampamarinana ny marainan’io andro io :
Nanome tanà na tokoa ireo zandary tamin’ny famindrana ny entan’ireo nonina teo ambanin’Ampamarinana
FILAN-KEVITRYNYMINISITRA
Alahady faha 03 Febroary2019, tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra
Nitarika filan-kevitry ny ministra manokana sy maika ny filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, androany alahady 03 febroary 2019, tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Loha-hevitra roa lehibe no voaresaka tamin'izany ka ity manaraka ity ny mikasina ny loza teo Ampamarinana :
Fihotsahan'ny vatobe teny Ampamarinana izay namoizana ain'olona 4 sy naharatrana olona 11 hafa.
Ny 8 amin'izy ireo dia mbola tsaboina ao amin'ny hopitaly fa ny 3 hafa kosa dia nalefa nody rehefa avy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Nanamafy ny teny fampiononana ny fianakavian'ireo nodimandry ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiministra, ary nankahery ireo naratra sy nirary fahasitranana haingana ho an'ireo naratra.
Nanome toromarika ny Filoham-panjakana Andry Rajoelina mba ho haingana ny fandraisana ny fepetra rehetra, tsy tokony hisiana aina hafoy hafa intsony. Araka izany dia efa nisy ny baiko hentitra avy amin'ny prefektioran'Antananarivo Renivohitra, tamin'ny alalan'ny didim-pitondrana mba hialan'ireo mponina eny amin'iny faritra iny maika amin'ny toeram-ponenany. Efa voasokajy mazava ho faritra tandindomin-doza lehibe manko ny tanana rehetra miorina eo ambanin'ireo vatobe eny Ampamarinana ireo, ka tsy azo hipetrahana intsony.
Noraisina araka izany ny fanapahan-kevitra hamindrana vonjimaika ireo traboina tsy maintsy mandao ny tranony eny amin'ny « Tanana Voara » Andohatapenaka sy eny amin'ny trano mora eny Iharinarivo Ambohidratrimo.
Tsy maintsy ho laharam-pahamehana kosa anefa ireo rava trano sy ny manodidina azy ireo akaiky izay mbola atahorana fatratra noho ireo vatobe nianjera izay mbola mihantona eny akaikin'ny tranon'izy ireo.Horaisin'ny fanjakana an-tanana ny fifindra-monin'ireo traboina, ka hisy ny fiarabe hitatitra ny entan'izy ireo eny amin'ny toerana hifindrany. Hanampy amin'izany ny sefo fokontany, ny prefen'ny polisy Antananarivo Renivohitra, ary ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC).Voasokajy ho faritra mena tanteraka ireo toerana ambanin'ny vatobe eny Ampamarinana satria fahavakisana miisa 24 no efa tsikaritra amin'ny vatobe, ka atahorana hianjera amin'ny fotoana rehetra.
Noho izany dia tsy azo atao intsony ny manorina na mipetraka amin'ireo toerana ireo.Noho izany dia nametraka ny drafitra hamindrana toerana ireo mponina eny ny Filohan'ny Repoblika, na ireo efa niharam-boina tamin'ny 19 janoary na ireo vao traboina androany alahady.
Anjaran'ny Governemanta, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Trano fonenana, ny manatanteraka azy. Hisy ny tanim-panjakana homena azy ireo mba hananganany toeram-ponenana vaovao ka hanampy amin'izany ny fitondram-panjakana. Ilaina kosa anefa ny mijery akaiky ireo olona hisitraka io drafitra io, mba tsy hisy fiangarana ka tena ireo niala ny tranony teny Ampamarinana no hahazo tombony. (…).
Aleo tokoa leiretsy misoroka toa izay mitsabo a ! Fotoan’ny fiovana tokoa izao koa samia isika mba manova ilay toe-tsaina tia tena tia kely sy fidirana ny fiainan’olona tsy hampandroso velively. Ary ampianaro ny Tantaran’i Madagasikara ny taranaka izay handimby antsika rehefa handao ity tany fandalovana ity isika mbola velona amin’izao vaninandro izao.
Jeannot Ramambazafy – Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny « La Gazette de la Grande île », ny Alarobia 06 Febroary 2019