]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mialy Rajoelina. Voatendry ho Masoivohon’ny FNUAP eto Madagasikara

Mialy Rajoelina. Voatendry ho Masoivohon’ny FNUAP eto Madagasikara

Tao amin’ny Hotely Carlton Anosy, ny zoma 12 aprily 2019, no nampafantarana fa voatendry ho Masoivohon’ny sampandraharaha ny firenena mikambana misahana ny mponina (FNUAP – Fonds des Nations-Unies pour la population) Ramatoa Mialy Rajoelina, teraka Razakandisa, izay Filoha mpanorina ny fikambanana Fitia. Izao fanendrena izao dia nandritra ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny FNUAP.

Eo amin'ny lafin'ny ady atao amin'ny VBG (« Violences Basées sur le Genre ») na herisetra miankina amin'ny saranga no tena hilofosany amin'izany toerana Masoivoho izany.


Tsy tongatonga ho azy izany fa efa nisy fanehoana ny vadin’ny Filoha ny Repoblika ny fahavononany ny hiady araka izay azony atao eo amin’ityresaka herisetra ity. Raha vao miresaka herisetra moa dia azo an-tsaina avy hatrany ny fahoriana mahazo ny vehivavy izay voasokajy ho fanaka malemy, kanefa dia maro amin’izy ireny no mizaka sy miaritra tsy fidiny ny vono sy/na herisetra mahazo azy.

Santionany efa heno ny manjo ireo vehivavy niasa tany ivelany izay nihatra aman’aina noho ny asa nataony. Ny sasany moa dia zara mahazo ny tambin-karama tokony ho raisiny. Ny an-tokantrano ihany koa dia tsy vitsy no mizaka ny vono raha tsy hilaza ny famamoan’ny vadin’izy ireny, izay fototra iray mahatonga ny fikasian-tànana.

Ao koa ny fandaozan’ny lehilahy sasany ny vady aman-janany, ka zary ny Reny no miantoka sy miharitra ny fahamelona ireo zanany. Ny sasany aza dia miafara amin’ny famarotan-tena tsy fidiny sitranihay sakafo ho an’ireo ankizy. Tranga mpiseho ireo fa mbola endrika herisetra mahazo ny vehivavy koa ny ara-moraly, ara- kolontsaina sy ny fomba amam-panao izay manery ny vehivay tsy anan-tsafidy.

Avy any ankavia mankany ankavanana: Dr Charlotte Faty Ndiaye, Solotena maharitry ny OMS (Sampan'ny Firenena mikambana momban'ny Fahasalamana); ny Filoha Andry Rajoelina; Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny ary Andriamatoa Constant-Serge Bounda, Solotena maharitry ny FNUAP eto Madagasikara

Fomba amam-panao izay manilika tanteraka ny zon’ny vehivavy. Tsy eto Madagasikara ihany anefa no misy tranga herisetra fa saika amin’ny firenena any ivelany ihany koa. Ny antontan’isa dia mitatitra fa anisan’ny mahatonga ny fahamaroan’ny fisaraham-panambadiana vita mariazy ny hendrika herisetra mahazo ny vehivavy 16 ka hatramin’ny 26 taona.

Ny firenena iray any ivelany dia mitatitra io antontan’isa io fa 18 taona ny ankizivavy vao afaka manam-bady. Ny fanadihadihana hita anefa dia mitatitra fa isan’ireo vehivavy vita mariazy 15 ka hatramin’ny 19 dia nahatratra 14%. Ny 27% amin’ireo vehivavy nanambady ireo anefa dia saika latsaky ny 15 taona. Eto Madagasikara dia 1/3-ny ankizy vavy 13 taona no iharan’ny herisetra ara-nofo, raha toa ka ny 50%-ny vehivavy dia tratry ny herisetra ara-batana.

Eto Madagasikara dia saika herisetra an-tokatrano no matetika mitranga, ary zary fahanginana hoan’ireo vehivavy tratra ity herisetra ity. Ny antony dia ao ny mbola fitiavany ny vadiny izay mamono azy anefa. Ao koa fitiavany ny tokantranony tsy ho rava, ny fahafaham-baraka, ary indrindra ny fatahorana ny hilaza ny marina momban’ny herisetra mianjady aminy, noho ny tahotra sy horohoro atao aminy.


Raha hiverenana ny fanendrena ho masoivohon’ny FNUAP an’i Ramatoa Mialy Rajoelina dia nanamafy ny fahavononany ny tenany nandritra ny lahan-teniny nataony tao amin’ny Carlton Anosy : « Araka ny efa nambarako tamin’ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy, vonona aho ny hiady amin’ny herisetra atao amin’ny vahivavy, izay ianjadian’ny herisetra maro isan-kazarazany izay tsy mendrika azy. Mila mandray andraikitra isika mba ampitsahatra sy handrava ny hendriny rehetra. Ho hisy araka izany ny lalàna entitra hiadiana amin’ity herisetra ity, izay midika fa tsy hiady irery ny fikambanana fa hiara-misalahy amin’ireo olona tsara sitrapo manam-pahavononana hiady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy ».

F’efa nanomboka ary nilaza ny fahavononany ny mpitondra eto amintsika, izay mbola nohamafisin’ny Filoha ny Repoblika Andry Rajoelina izany nandritra ny lahateniny teo amin’ny Carlton Anosy tamin’iny fanamarihana ny faha 50 taona ny FNUAP iny.

Soratra : Andry Rakotonirainy – Sary : Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 15 Avril 2019 07:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024