]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ndriana Ramamonjy. Nantsoin’ny Ray ho any aminy

Ndriana Ramamonjy. Nantsoin’ny Ray ho any aminy

Tonga omaly 31 marsa 2021 ny ora sy andro nandaozany ity tany fandalovana ity fa ho tavela ao am-pon’ny Malagasy maro an’isa sy ny taranany ny asa navelany tety.

Na tiana na tsia dia taitra ihany isika rehetra rehefa nahare ny fahalasan’i Ndriana Ramamonjy. Marina fa nandeha ny feo fa tsy salama izy. Fa niafara tamin’ny fodiany mandry izany.

Zandriko 3 taona izy satria raha 6 aogositra 1954 aho no teraka, izy kosa dia ny 13 janoary 1957 no tonga tety an-tany. Ary nandritra ny fivahiniany dia olona tsotra sy tsy be sehoseho mihitsy izy.

Ny mahavariana dia ity : tsy dia nifampiresaka firy mihitsy izahay mirahalahy fa isaky ny misy tranga lehibe eto amin’ny firenena, na fifaliana io na fahoriana, indrindra indrindra, dia teo foana izy ary anisan’ny mpanentana sy mpitendry clavier hatrany.

Nanomboka ny taona 1990 tany no fantatra ny anarany satria izy dia mpamorona hira ara-pilantsara (“chansons évangéliques”). Ka ny hirany dia ry Fara Andriamamonjy sy Hantatiana no namelona azy tamboalohany.

Taty aoriana dia natsangany ny hoe “Tarika Ndriana Ramamonjy” ary efa enina (6) be izao ny raki-kira novokariny. Midika izany fa maro dia maro ny sangan’asany hirain’ny mpivavaka kristianina hatreny am-piangonana ary maro koa anefa no tsy mahalala fa izy Ndriana Ramamonjy no namorona ny tonony sy ny feon’izy ireny.

Io manaraka io ary misy hafatra avy any aminy izay hitoetra mandrakizay, ary izy handry am-piadanana mandrapihavian’ny Tompo, araka ny finoana kristianina.

Amin’ny anaran’ny mpiara-miasa ao aminy madagate dia maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Ndriana Ramamonjy tsy ankanavaka, ny tenako.

Nahoana tokoa, lahy, raha tena mifankatia ny samy Malagasy ?

Jeannot Ramambazafy

........................

MIFANKATIAVA

Tamin'ny fo no tena ninoanay

Fa Jesosy no tonga hamonjy anay

Tamin'ny vava no tena nanekenay

Fa ny ràny no nanadio anay

Vavaky ny Tompo (mampiray)

Fanahy izay nomeny (mampiray)

Fanahy, Fitiavana koa ny Ray

Nahoana lahy raha Mifankatia

“Mifankatiava hoy ny Tompo,

f'izany no hamantaran'ny olona rehetra,

Fa Mpianatro ianareo"

Tsy iray finoana, f'iray ao Aminao

Tsy iray fihaviana,f'iray an-dapanao

Tsy iray fiteny, fa samy henoinao

Tsy iray fihodirana,fa samy zanakao.

Vavaky ny Tompo...

Ndriana RAMAMONJY

Mis à jour ( Jeudi, 01 Avril 2021 08:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30