]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Maitre WILLY "OLALA" RAZAFINJATOVO. NODIMANDRY NY TALATA 25 JANOARY 2022

Maitre WILLY "OLALA" RAZAFINJATOVO. NODIMANDRY NY TALATA 25 JANOARY 2022

Samy taitra daholo na izahay havany (zanakolompirahavavy izahay), na ny mpiara-miasa aminy, na ny tapaka na ny namana na ireo olona rehetra narovany amin'ny maha mpisolo vava ("avocat") azy.

Fito polo taona mahery (76 no tena marina) izy izao lavon'ny aretina covid-19 izao, teny amin'ny hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka.

Efa niomana ny hody any an-tranony izy kanjo... Izay tokoa no lahatra.


Raha tsiahivina dia tamin'ny tolon'ny mpianatra tamin'ny volana mai 1972 i Me Willy no nomenay mpianatra io anaram-bositra "Olala" io. Satria isaky ny niteny izy, rehefa nanetana teo amin'ny kianja filalaovam-baolina kitra ao Ankatso dia tsy maintsy asiana "Oh la la ! " hatrany ny fehezan-teniny. Raiki-tampisaka io anarana tsy ho adino mandrakizay.


Taty aoriana dia isan-taona no tsy maintsy mametraka fehim-boninkazo eo amin'ny kianjan'ny 13 May eo Analakely i Willy Olala, miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny "Hetsika 13 Mai 72".

Mba ho fahatsiarovan-tsika sy hanomezako voninahitra farany an'io zokiko io, dia ireo ny sary sy ilay video mirakitra ny fanambazany teo amin'io toerana io, tamin'ny 13 mai 2013, efa ho sivy taona lasa izay.


Tsy aiko ny mamangy tena fa eo anilan'i Caya vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ao am-po sy ao am-panahy izaho sy ny ankohonako eto an-toerana, ary koa ireo ankizy any andilambato any.

Ny alarobia 26 janoary i Me Willy Olala no nalevina eny Ivandry.

Mandria am-piadanana Willy a !


Jeannot Ramambazafy mianakavy sy ny mpiara-miasa eto aminy madagate

Mis Ă  jour ( Mercredi, 26 Janvier 2022 19:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30