]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Shireen Abu Akleh. Mpanao gazety ao amin’ny Al-Jazeera maty voatifitra teo am-perin’asa

Shireen Abu Akleh. Mpanao gazety ao amin’ny Al-Jazeera maty voatifitra teo am-perin’asa

Shireen Abu Akleh dia iray amin'ireo mpanao gazety malaza ao amin’ny fahitalavitra Arabo Al-Jazeera. Nodimandry ny alarobia 11 mey 2022. Fa inona no nahafaty azy ?


Azo lazaina fa maty teo am-perin’asa tokoa i Shireen satria nandritra ny fitantarany ny fifandonana tao Jenin ao Cisjordanie izy no voatifitry ny bala avy any amin’ny tafika israliana. Nisy mpanao gazety hafa roa naratra tamin’izany fitifirana izany.

Fa iza moa io namana mpanao gazety vehivavy io ?


Shireen Abu Akleh dia mpanao gazety Palestiniana-Amerikana teraka ny 3 Janoary 1971 tao Jerosalemna. Izy dia niasa ho mpanao gazety ho an'ny Radio Monte Carlo (RMC) sy ny Voice of Palestine. Niasa ho an’ny UNRWA (United Nations Relief and Works Agency for Palestine Refugees in the Near East - Office de secours et de travaux des Nations unies pour les réfugiés de Palestine dans le Proche-Orient) koa i Shireen, sy ho an’ny Amman Satellite Channel ary ny fikambanana MIFTAH (Initiative palestinienne pour la Promotion du Dialogue mondial et de la Démocratie) natsangan’i Ramatoa Hanan Daoud Khalil Achrawi ny taona 1998. Lakile no dikan’ny Miftah amin’ny teny arabo.


Tamin’ny taona 1997 i Shireen no niditra niasa tao amin’ny televiziona Al-Jazeera Media Network tsy misy izay tsy mahalala maneran-tany. Sady mpitantara izy ny camerawoman ihany koa. Monina tao Jerosalema Atsinanana izy ary mpitatitra ireo hetsika lehibe mifandraika amin'ny ady Israeliana-Palestiniana. Anisan'izany ny Intifada faharoa, ary mitantara ny politika Israeliana. Matetika izy no nitantara ny fandevenana ny Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana.


Ny 11 May 2022 dia lavon’ny bala teo am-perinasa i Shireen. Izay no anjarany eto amin’ity tany fandalovana ity. Izahay eto amin’ny Madagate dia maneho ny fiaraha-miory ho an’ny fianakavian’I Shireen sy ho an’ny fiakaviam-ben’ny mpanao gazety amin’iny faritra tsy mety mahita masoandro amina resaka ady tsy misy farany tokoa.


Mandrià am-piadanana Shireen, vita ny asanao tety an-tany.

رضي الله عنك (radi allah eank) : qu'Allah le Grand Miséricordieux veille sur toi.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 12 Mai 2022 10:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...